Talata faha-29 mandavan-taona
- Ankasa Efezy 2, 12-22/Salamo 84
- Tsy ankasa Romana 5,12-21/Salamo 39
- Md Lioka 12, 35-38
Aorian’ny fankaherezana an’ireo mpianatra mba hatoky ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitiavany (Providence), dia mampianatra azy ireo mba haharitra amin’ny fiambenana i Jesoa. Ahoana moa izany? Araka ny fampianaran’i Md Lioka dia misy fandavorariana telo amin’ny asam-pamonjena (eschatologie): ny voalohany dia mikasika ny lasa: ny faharavan’izao tontolo izao izay tanteraka tamin’ny fahafatesan’i Kristy. Ny faharoa dia mikasika ny ho avy: ny hahataperan’izao tontolo izao ka handavorary ny Fanjakana, io dia santarin’ny tsirairay amin’ny fahafatesana hialana amin’ity fiainana ity. Fa misy kosa ny famonjena tanteraka anio (présent), dia ny fidiran’ny olona amin’ny fiainan’Andriamanitra rehefa manaiky hiaina araka ny Eokaristia, araka ny aina atolotr’Andriamanitra izy.
Amin’ny fahatsiarovana ny fomba fankalazana ny Pakan’ny Jody no ampahatsiahivin’i Md Lioka antsika. Ny fahavononana ilaina voalohany dia mba ho “voasikina ny andilana”. Fomba fiankanjon’izay tsy hitoetra fa vonona ny hiainga, vonona ny hiasa, vonona ny hizotra amin’ny lalam-pahafahana ho any amin’ny tany nampanantenaina. Izany fahavononana hiasa izany tsy sanatria mba hahafahana mandova ny lanitra, tsy tambin’ny ezaka manko, na valisoan’ny natao ny paradisa (Efezy 2) fa fanomezana ho an’ny zanaka, lova omena maimaim-poana. Araka izany, fianarana ny nataon’ilay hany Zanaka mba hiarahana mandova miaraka Aminy no ataontsika (Asa 1,1), Izy ilay Andriamanitra kanefa nietry tena ho mpanompo, nisikim-ponitra haneho amin’ny olombelona rehetra ny fitiavan’Andriamanitra Ray.
Ny zavatra faharoa ilaina hananana dia ny “jiro mirehitra”, hoentina hanilovana ny lalàn-kizorana fa mba hoentina koa hanilovana ny hafa, ary lazain’i Matio aza fa entina hanilovana ny endriky ny tena mba hahalalan’ny Ray antsika fa zanany ka tsy hifangaro amin’ny haizina sy ny zanaky ny haizina (Mt 25, 12). Tsy fahasambarana ny fahasambaran-tsamirery tsy afaka hozaraina amin’ny havana ory. Izay tsy maniry ny hanazava ny hafa mba hiara-tsambatra aminy dia tsy ho tonga lafatra ny hafaliany, satria tsy hafalian’ny zanaka manaha-dray. Ny hahavonjy ny olona rehetra manko no sitrak’Izy Ray.
Tsy fiainana “mandrapaha-…” tsy akory ny fiainan’izay te hiditra amin’ny fiainan’Andriamanitra, fa fomba fiainana atomboka ka ho feno fatra rehefa tena hanahaka azy araka ny tena toetra isika satria haita azy mifanatri-tava (1 Jo 3,2). Misy fomba fiteny hoe: ny olona dia mitovy amin’izay andrasany. Ka raha ny fiavian’ny Tompo no andrasantsika dia mazava loatra fa hitombo fitiavana Azy mandrakariva ny fontsika ka tsy havesatra ny hiandry ny hahatongavany, na oviana na oviana. Izy no mandondòna ao am-pontsika, maniry mba hiditra ao, tsy sanatria mba ho tompoina fa mba hanompo.
Averimberin’i Md Lioka io, satria ny endriky ny Andriamanitra inoany ka tompoiny no alain’ny mpino tahaka. Tsy Andriamanitra tompoina sanatria ny Andriamanitsika, fa Andriamanitra manompo. Izany no mahatonga an’i Md Lioka milaza aoriana kely fa na dia ho an’ilay zanaka mpandany aza, tsy navelany handohalika akory eo anatrehany, ary ilay zokiny tsy nety niditra nivoahany tany halantrano, asainy hiditra amin’ny fety. Mampandinika ihany anefa indraindray ary mampatahotra ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra. Ny fanompoana ny hafa toy ny nataoNy ihany no mifanaraka amin’ny Sitrapony, ka raha sanatria izany tsy manampy antsika hanompo ny hafa ny fomba fivavahana sy ny vavaka ataontsika, dia mbola tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izy izay.
Hanampy antsika hahazo ny hevitra sy ny hasarobidin’ny fanompoana anie ny Eokaristia, tsy asain’i Jesoa handohalika na mipetraka isika avy mandray Azy, fa asainy hihinana ka hahazo hery, handray ny Teniny sy ny Tenany ka hanao toy ny nataony ho fahatsiarovana Azy, ary hahavita handohalika eo anatrehan’ireo endrika tiany hisehoana dia ny mpanota sy ny mahantra.
Amin’ny fanompoana ny hafa toy izany tahaka ny nataony no hanandramantsika ny tena hasambarana.