Talata faha-28 mandavan-taona
- Ankasa: Galata 4,31b–5,6 /Salamo 118
- Tsy ankasa: Rômanina 1,16-25/Salamo 18
- Md Lioka 11,37-41
Ny sasany mitady famantarana mba hinoana, fa ho an’ireo mihevitra ny ho tonga mpianatra, vonona ny hitory ny Evanjelin’ny Fiadanana kosa dia antsoin’i Kristy ho vonton’ny fahazavany aloha, handray ny Teny ka hamela azy haninteraka ny atifanahiny ary hitahiry ny hazavana ao anaty (and. 33-36 tsy vakiana amin’ny litorjia). Io jiro avy ao anaty io no hahafahan’ny olona iray mahita ny zavatra rehetra. Mampalahelo anefa fa misy olona mandrindrina ny tranony sao hidiran’ny haizina avy any ivelany. Tsy ny haizina no miditra fa ny hazavana no mipariaka, raha toa ka efa ao anaty. Raha sanatria tsy mbola ao, dia fanakanana azy tsy hiditra kosa ny fanidiana ny varavarana. Izay manana ny hazavana ao anatiny, hoy i Jesoa dia hazava aminy avokoa ny zava-drehetra.
Nisy Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios, פָּרַשׁ pārash: manavaka, manasaraka) iray kosa, nanasa ny hazavana mba hisakafo ao aminy. Ho an’i Lioka moa, ny Farisianina dia manana toetra roa mampiavaka azy: mihevi-tena ho manana ny marina, ary mihevitra ny hafa ho tsinontsinona (Lk 18,9). Izany no mahatonga azy ireo hieboebo na dia eo anatrehan’Andriamanitra aza, ka ny fiheverany sy ny marina masaka ao anatin’ny sainy no heveriny ho marina tokana ka mampitombo ny avonavony, isaka ny mahita ny hafa tsy manaraka ny fombany.
Dia izany no nahazo ity Farisianina iray nanasa an’i Jesoa hisakafo. Tsy mandà ny fanasan’izay maniry ny hiantranoany i Jesoa, saingy tandremantsika sao sanatria tsy handraisana ny Teniny sy ny Hazavana entiny no taanjontsika amin’izany, fa mba hitsikerana Azy. Ho an’izay maniry ny fiovana, ho an’izay maniry ny hazavana dia Izy ilay Fahazavan’izao tontolo izao mihitsy no nanolo-tena hiantrano ao aminy, tahaka ny ataony amin’i Zake (Lk 19,1-6).
Velona eritreritra ity Farisianina nanasa an’i Jesoa nahita Azy tsy nisasa (βαπτίζω – baptizô). Mazava anefa ny antony. Atao ahoana moa no handro amin’ny sinivato, azo heverina ho tsy misy rano intsony (Jo 2,1snm: matoa manko afaka nofenoina rano ny sinivato fidiovana dia tsy nisy rano intsony, na efa rano kely sisa no tao). Ny fanekena ny Teny no hahazoana ny divay vaovao, mahafeno fatra ny hafaliana, ka hahafahana manaiky fa tsy izay lazaintsika na izay lazain’ny olona momba antsika akory no inona. Tsy inona isika fa izay eo anatrehan’Andriamanitra tsy misy ampiana tsy misy hanalàna, hoy ny Olomasina sasany. Ka izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavany sy ny fahamarinany dia halatra, fitaka sy faharatsiana avokoa.
Adala izay manafangaro ny haizina sy ny hazavana, satria ny hiafarany dia hihevitra ny hanao ny marina amin’ny fanaovana zavatra mifanohitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fiheverana an’Andriamanitra ho azo baikoina no fototr’izany, ka tsy ny hampifanaraka ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra no katsahina fa ny fiezahana hanamarin-tena, ka hiafenana ao ambadiky ny lalàna sy ny fombafomba narafitr’olombelona ihany.
Manaova fiantrana araka izay anananareo, na ny marimarina kokoa, atolory ho fiantrana (ἐλεημοσύνη – eleèmosynè, avy amin’ny ἔλεος, eleos: famindram-po) ny ao anatinao rehetra. Raha tsy ny fontsika sy ny faniriany manontolo no zary fitaovana hikatsahana ny soa ho an’ny hafa dia tsy hadio ho antsika ny zavatra rehetra, ary tsy afaka ny hisokatra hahita an’Andriamanitra ny masontsika. Ny an’i Md Paoly aza dia nataony ho fakofako ny hareny rehetra manoloana ny fahalalany an’i Kristy (Fil 3,8). Ny fiantrana, teo amin’i Israely dia tsy azo adinoina fa asa takian’ny fahamarinana satria an’Andriamanitra ary nohariany ho an’ny olon-drehetra ny zava-drehetra, ka izay manana dia tokony hahatsapa fa manana adidy hizara amin’ireo “niangaran’ny vintana”. Izany fisokafan’ny fo hanampy ny hafa izany no tena fahadiovana tokoa eo anatrehan’Andriamanitra ka hahatonga ny zavatra rehetra hadio. Io ilay fitiavana manarona fahotana maro (1Pi 4,8).
Hitombo ao amintsika anie ny fitiavana hahatonga ny fiainantsika ho fiaraha-misakafo marina tokoa amin’ilay hazavana manilo ny dia ka hahafahana mizotra amin’ny lalam-pahasambarana.