Talata faha-25 mandavan-taona
- Ankasa: Ohabolana 21,1-13 /Salamo 118
- Tsy ankasa: Esdrasa 6,7-20/Salamo 121
- Md Lioka 8,19-21
Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.
Ambaran’i Lioka fa nampianatra ny vahoaka be i Jesoa (Lk 8,4), ankoatr’ireo izay nanapa-kevitra fa hanaraka Azy, nihaino ny fampianarany, nositraniny ka afaka manompo azy (and. 1-3). Ka inona àry no mahatonga azy hilaza indray fa “ao alatrano”, any ivelany (ἔξω – eksô) mitady Azy ny reniny sy ny rahalahiny? Eo anelanelan’izy ireo dia misy ny vahoaka manasaraka, ireo vahoaka mihaino an’i Jesoa. Raha tian’ireo “reny sy rahalahy” araka izany ny ho tonga mpianatra dia tsy maintsy manatona Azy, tsy maintsy “miditra” mba hihaino ny teniny. Tsy hoe tsy nihaino ny tenin’i Jesoa i Maria sy ireo rahalahiny fa entiny hilazana amintsika fa ny maha katôlika, ny maha vita batemy sy ny mahavita raha jiaby dia tsy ampy hanomana ny foto-pisainana hifanaraka amin’ny maha mpianatra raha tsy mihaino an’i Jesoa sy mandalina ny fampianarany. Ireo mandray ny Teniny ihany no afaka mampamokatra azy tahaka ny tany lonaka, ary izany fihainoana izany no mahatonga antsika reny sy iray tampo amin’i Jesoa, mahatonga antsika ho fianakaviana miombona aina Aminy.
I Marka moa nampianatra ny Katekomenà ka mazava loatra fa na dia ireo mihevitra ho mahalala an’i Jesoa, ireo havany sy rahalahiny ary reniny aza dia tsy maintsy miala amin’izay mahazatra mety tsy hifanaraka amin’ny fampianarana nohavaozin’i Jesoa. Ho an’i Lioka kosa dia tsy mifanohitra (tahaka ny ao amin’i Mk 3,2snm sy Jo 7,5) ny fianakaviana ara-nofo sy ny fianakaviana ara-panahy, ary i Maria Renin’i Jesoa ho azy no ilay fatra-pihaino ary sambatra fa nino izay voalaza (Lk 1,45) ary atorony mba ho môdelin’izay te hanaraka an’i Jesoa, amin’ny lalan’ny fanetren-tena mba ho any amin’ny voninahitry ny Paka.
Tsy ny fihinanana na ny fisotroana miaraka na eo anatrehan’ Jesoa tsy akory no inona (Lk 13,26), tsy hampitombo ny fahasambarantsika na oviana na oviana ny fanaovana kômonio sy ny famonjena lamesa raha tsy manampy antsika hihaino sy handalina ny teniny ka hanekentsika hovain’ny Evanjely ho tany mahavokatra finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ho an’i Md Lioka dia tsy afa-misaraka ny fihainoana sy ny fankatoavana (ποιέω – poieô, manao) ny Teny. Ny fihainoana no loharanon’ny asa ataon’ny Fiangonana, ny anjara tsara nosafidian’i Maria. Zava-doza ny manao zavatra tsy miainga avy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra satria mety ho izay hambom-pon’olombelona no himasoana hotanterahina fa tsy ny sitrapon’Andriamanitra. Firifiry ny “projets pastoraux”, vina pastoraly tsy mifanaraka intsony na tsy mifototra akory amin’ny Evanjely ka mivaona amin’ny tsy izy, mikendry tombontsoa hafa mihitsy aza, ka indraindray terena ny olona hanaraka izany. Ny hampianatra ny olona hikatsaka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra no andraikitra omena ireo izay tolorana fahefana ao amin’ny Eglizy, izany no famahanana ny ondry.
Hahay hitahiry ny Teny ao am-pontsika anie isika ka hanao “eny” hatrany, tahaka an’i Masina Maria, ka hahatonga nofo an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika sy ny fiaraha-monina misy antsika.