Talata faha-24 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 12,12-31 /Salamo 99/
- Tsy ankasa 1 Timôte 3, 1-13/Salamo 100
- Md Lioka 7, 11-17
Taorian’ilay zanaky ny Kapiteny sitrana na dia efa ambavahoanan’ny fahafatesana aza, dia tohizan’i Lioka ny fampianarany: ny tenin’i Jesoa dia tsy miaro amin’ny fahafatesana fotsiny fa manangana ho velona na dia izay efa maty aza. Mba hilazana ny fandaharan’Andriamanitra izany manaiky (raha ekentsika fa sitrapony ny zavatra rehetra) ny hahafaty ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena tao Naima (Ναΐν Nain, נָאָה, na’im hatsarana, hamamiana). Maty indray ilay hany mba fanantenan’ilay efa nilaozan’ny vadiny koa. Tsy vitan’ny efa nifofotra namelona anaka irery fa izao indray mbola tsy hisy hianteherana koa amin’ny fahanterana. Inona no “hamamin’ny fiainana” (Na’im) no hita amin’izany! Vahoaka marobe tao an-tanàna no nanaraka azy.
I Jesoa mizotra mankany Na’im miaraka amin’ny mpianany maro sy vahoaka betsaka; ny avy ao an-tanàna kosa nivoaka handeha handevina. Lalana roa mifanipaka: i Jesoa fahazavan’izao tontolo izao, mizotra mankany amin’ny Tanànan’ny fahasambarana, ny olona kosa, teren’ny adim-piainana, mirohotra mankany amin’ny haizina (satria hariva no fandevenana ho an’ny Jody), mivoaka hiala ao Na’im, avy any amin’ny hatsarana sy ny hamamin’ny fiainana.
Mahita izany i Jesoa dia nangoraka (σπλαγχνίζομαι > splanKnizein). Marary ny fony mahita ny fahorian’ny vahoaka, mahita ny fiainana toa fanarahana fahafatesana fa tsy fizorana mankany amin’ny hasambarana. Fantany fa manoloana ny trangan-javatra toy izany dia manontany tena ny olona raha mba misy ihany izao Andriamanitra izao, raha misy heviny eo anatrehany ny fahafatesana toy izany.
Tsy ny hamerina ny aina mba hivelomana indray anefa no sitrak’Andriamanitra na izay aza no fanirian’ny olombelona. Raha izany manko dia mbola ho faty ihany ny olona ka ny fahafatesana ihany no tompon’ny teny farany araka izany. Tsy nomeny ody faty ny olona fa nomeny aina tsy mety levona izay miofo kosa ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, ambarapahatongany any amin’ny hafenoana eo anatrehany (1 Joany 3, 2).
Izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza amin’ilay mpananotena mba tsy hitomany intsony, ary nandidy ny zanany mba hitsangan-ko velona (ἐγείρω egeiro), rehefa avy nanendry ny tranovorona. Tsy nampaninona azy ny haloto (Fanisana 19, 11.16), ary ny fomba maha-Andriamanitra aza nialany (Fil 2). Ny fampianaran’ny Jody dia milaza fa na ny zava-masina aza mifampikasoka amin’ny faty dia tonga maloto; ho an’i Jesoa kosa, tsy misy trano hazavain’ny jiro, ka raha mivoha ny varavarana dia hampiditra ny haizina. Ny moka angaha no hiditra fa ny hazavana kosa no manjopika tazan’izay any ivelany, mirepirepy anatin’ny haizina.
Ilay zanaka natsangan’i Kristy ho velona no nahazo toerana, niarina hoy ny dikanteny, fa ny hoe ἀνακαθίζω (anakathizo) dia hilazana ny olona maka toerana mba hitoetra eo maharitra (mandrakizay), ary avy amin’io toerany io, eo anatrehan’ilay Fiainan’izao tontolo izao, eo izy no manomboka miteny ka nomen’i Jesoa an-dreniny.
Ho fankalazana ny fiainana anie ny fandevenana kristianina satria fihaonan’i Jesoa sy ny Mpianany amin’ireo izay vesaran’alahelo ka tsy afaka ny hiaina am-pinoana ny fahoriana sy ny fahafatesan’izay noheverina ho andry hiankinana.