Talata faha-19 mandavantaona
- Ankasa Ezekiela 2, 8 – 3, 4/Salamo 118
- Tsy ankasa Deteronomy 31, 1-8 /Deteronomy 32
- Md Matio 18, 1-5. 10. 12-14
Mikoriana ao amin’ny lalan-dran’ny olona rehetra ny faniriana an’Andriamanitra sy ny te hitovy amin’Andriamanitra na amin’izay heveriny ho “andriamanitra” na “kintana” (star) na olo-manan-daza. Manosika antsika hiezaka ho lehibe izany (maius, magnus) sy haniry ny ho lehibebe kokoa (magis) hatrany. Iza no ambony indrindra (μείζων meizon: lehibe, zokiolona) amin’ny fanjakan’ny lanitra? Izay tonga toy ny zazakely (παιδίον), paidion izay avy amin’ny παῖς (pais) tovolahy mpanompo, na andevo mihitsy aza. Izay te ho lehibe aminareo no ho tonga mpanompo faran’izay zandriny, izany hoe tsy afaka ny haniraka na iza na iza intsony fa ho fanirakiraky ny olon-drehetra, hanetry tena (ταπεινόω tapeinoo). Ny antsika anefa heverina fa izay manome baiko na izay tompon’ny teny farany no lehibe. Mety ho eo anatrehan’ny olona fa tsy eo anatrehan’Andriamanitra anefa izany.
Misy heviny hafa koa anefa ny hoe παιδίον (paidion), zaza tsy mahavita tena, tsy mahavita na inona na inona ka tsy maintsy miankin-doha amin’ny fitiavana sy ny fiantran’ny hafa mba ho velona. Ny maha-lehibe eo amin’izao tontolo izao dia ny fiezahana hahavita tena, ka indraindray aza adino hatramin’ny fahatsapana fa tsy misy afaka mirehareha ho mahavita ny tenany, tsy misy tompon’ny ainy akory aza. Mila fibebahana mba hahatonga antsika ho zazalahy vonon-kanompo na iza na iza, ary zazakely mahatsapa fa fitiavan’ny Ray sy ny rahalahy no mahasambatra azy. Tsy azy ny fiainana fa harena nomena hotantanany ka ny fahaizany mampamokatra izany no haha-lehibe azy any amin’ny fanjakana (Mt 25, 14-30). Izay tsy miaina ny maha-zanaka dia tsy afaka ny handova ny fananan-dRainy.
Ny anjelin’ireo miaina araka ny maha-mpanompo, (izany hoe miaina amin’ny fankasitrahana ny fitiavan’ny Ray ka tonga taratr’izany Fitiavana izany ho an’ny hafa) no afaka mibanjina an’Andriamanitra. Izy ireo no madio fo afaka hahita an’Andriamanitra. Ny tarehin’Andriamanitra manko no mamirapiratra eo amin’ny endrik’izy ireo. Tsy midika anefa izay fa efa lavorary izy ireo saingy miezaka hanahaka ny fahamasinan’ilay hany lavorary, amin’ny fibanjinana ilay Zanak’olona izay tonga mba hanavotra ireo diso lalana (Mt 18, 11). Izay te ho endrik’Andriamanitra dia tsy maintsy hianatra Aminy, hahay hibanjina ny endrik’ilay tiana hotompoina ao amin’ireo mahantra sy fadiranovana.
Tsy izay mila fanampiana anefa no tompoina eo amin’ny tany ama-monina matetika fa izay mety hahitana soa na izay afaka mamoritra ny hafa noho ny fahefana na noho ny vola aman-karena. Izay mahalala an’Andriamanitra kosa anefa dia hamela ny sivy amby sivifolo eny an-tendrombohitra ka handeha hipenopenona hitady ilay ondry iray nania, ka raha sendra hitany dia iny no hahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo… Mampalahelo fa sarotra ny mahita izany hafaliana izany eo anivon’ny Fiangonantsika, sarotra ny mahita mpiandry mahafoy tena handeha hitady ilay nania. Izay mba maniry ny hibebaka anaovana toeran-tsy zaka; izay miezaka miova toetra lazaina fa mpiatsara velatsihy; izay nanenina marina ka te hiova tsy homena tanana tsy akory fa omena sazy aza hahamafimafy kokoa ny fiverenany: vitsy no mahazo fa izay mitondra an-tsangory azy mody ao am-bala ihany no Kristianina, satria manara-dia ny nataon’i Kristy.
Ny faniriana sy fiezahana mba tsy hisy olona very na tsy ho sambatra no lalana hahatongavana any amin’ny fahalehibeazana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha ny marina anefa dia efa ondry nania niandry ny Tompo hitondra antsika ao am-bala avy isika rehetra (Salamo 119, 176). Ny famonjeny antsika anie ho loharanom-pahasoavana hitaran’ny famonjeny hatrany am-paravazan-tany.