Talata faha-18 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia 30,1-22/Salamo 101
- Tsy ankasa: Fanisana 12,1-13/Salamo 50
- (taona B-D) Md Matio 14,22-36
- taona A eny aoriana
Araka ny voalazan’ny Evanjely, rehefa avy nampitombo ny mofo i Jesoa, fa ao amin’ny Evanjely, tsy mampiasa io teny “mampitombo io. Mitso-drano no nataon’i Jesoa, ary ny nizara kosa no nataon’ny Mpianatra, ka rehefa avy nivoky ny mofo voatso-drano ihany koa niaraka tamin’ny vahoaka ary samy nahafeno ny sobika tamin’ny tapa-mofo tsy lany nangonina dia nodidian’i Jesoa, na ny marimarina kokoa notereny (ἀναγκάζω – anankazô) hiakatra ao an-tsambokely ka hiampita hialoha Azy. Raha alaina sary an-tsaina ny zava-mitranga dia hafahafa ihany. Ho aiza ireto mpianatra? Hiverina ho any Nazareta ve sa ho aiza? Lazain’ny Evanjely fa avy nandre ny nahafatesan’i Joany i Jesoa dia niala tao mba hitokana samirery any an’efitra (Mt 14,13). Manahirana ihany koa, satria 11 km no velaran’ny farihin’i Galilea, nefa hatramin’ny telo maraina ireo mpianatra, mbola eny am-povoan’ny ranomasina ihany, ary rehefa tafita ny ranomasina indray, dia tany Genesareta no niantsonany, teo amin’izay nampianaran’i Jesoa ny vahoaka, nanirahany an’i Simona hiroso lalindalina kokoa (duc in altum) mba handatsaka ny haratony indray na dia tsy nahazo na inona na inona nandritra ny alina aza, ary niantsoany ireo mpianatra ho tonga mpanarato olona (ζωγρέω – zôgreô, Lk 5,1-10).
Izany rehetra izany (sy ny zavatra hafa tsy ho voatanisa eto) no manintona ny saina handeha lavidavitra kokoa, hahazo ny hafatra tian’i Matio ampitaina amintsika. Ho an’ity Evanjelista ity, ny sambo dia ny Eglizy, ao no anirahan’i Jesoa ny mpianany mba hizorany ho eny am-pita, ho any amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra. Tany nahavokisana tsy hipetrahana ela, hoy ny Ntaolo, hampahatsiahivana ny tokony hiverenana malaky amin’ny asa miandry.
Raha jerentsika ny nataon’i Jesoa dia tsy nanakana Azy velively hanadino ny fihaonany tamin’ilay Rainy ny fikolokoloana sy ny fampianarana ny vahoaka, ka niakatra teny an-tendrombohitra, Izy irery nandritra ny alina, mba hivavaka. Ny ho any an’efitra samirery hivavaka no anton-diany mialoha ny hahitana ireto vahoaka be nanaraka Azy ireto. Manosika antsika hanome lanja ny vavaka samirery izany, fa sady tsy voasolon’ny fiaraha-mivavaka no tsy voasolon’izay mety ho faharerahana amin’ny asa fanompoana, sanatria.
Ny Eglizy kosa, toy ny sambo atopatopan’ny onja sy ahilangilan’ny rivom-pampianaran-tsamihafa etsy sy eroa (Ef 4,14) satria fampianarana tsy mifanaraka amin’ny heverin’ny be sy ny maro no ampitaina. Manaporofo izany ny zava-misy ara-tantara nandritra izay roa arivo taona latsaka kely niorenany izay ary eo anatrehan’izany indrindra no hisehoan’i Jesoa, mandeha ambonin’ny rano satria efa nitsangan-ko velona, nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, kanefa toa heverin’ny mpianatra ho matoatoa ihany. Ny nadika hoe nahilangilana moa eto dia ny matoanteny hoe βασανίζω (basanizô)[1], izany hoe misedra ny volamena sy ny volafotsy mba hahalalana na tena izy na osoka amin’ny alalan’ny fandomana azy amin’ny βάσανος (basanos), karazam-bato mafibe. Ny rivotra mihatra amin’ny Eglizy araka izany dia fitsapana ihany, hanehoany ny maha izy azy, izany hoe hanehoany fa fitaovana aneren’i Kristy ny mpianany ho eny am-pitan-drano izy.
Anisan’ny fomba entintsika maka fanahy an’Andriamanitra ihany anefa izay nataon’i Piera: “Raha ianao ary Tompoko, asaivo mandeha mankeny aminao eny ambony rano aho”. Adinon’i Piera, ary adinon’ny mpianatra matetika fa ny hitondra ny sambokely ho eny am-pita no nanirahana azy fa tsy ny handeha ambony rano. Ny sambo no mandeha ambony rano fa tsy ny olona. Tsy ny hifaninana hitovy amin’Andriamanitra no heverintsika fa hanaporofoana ny fisiany. Tsy fanarahan-dia izany fa faniriana vokatry ny avonavona ihany. Izay mieritreritra hanao izany, na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hilentika ihany tahaka an’i Piera.
Ny fahatsapana ny fahalemena eo anatrehan’izay hamafin’ny rivotra mifofofofo no mahatonga ny tahotra, ary izany dia tokony hanampy ny fontsika hisokatra amin’ny tena vavaka: « Tompo o, vonjeo aho« . I Kristy eo anivontsika no afaka mampitsahatra ny rivotra sy mameno fiadanana ny fo. Tsy afaka ny hatoky tena amin’izay heriny sy fahaizany ny mpianatr’i Kristy ary tsy hanadino fa Jesoa (יְהוֹשֻׁעַ Yehôshou‘à), “Andriamanitra no famonjena” no anaran’ilay naniraka azy ireo. Tsy ny Apôstôly ihany anefa, fa na isika koa aza, rehefa jambenan’ny adim-piainana no mihevitra an’Andriamanitra ho toa “matoatoa” ary mitady famantarana mba hanaporofoana fa tena Izy marina no eo afovoantsika.
Ny finoana tsy matotra (ὀλιγόπιστος – oligopistos, finoana kely) no mampisalasala antsika ka hanadinoana ny iraka sy ny tanjon’ny fiainana voalohany indrindra, ary avy eo indray, tsy hatoky akory ny fitiavan’ilay niantso antsika. Izy kosa anefa tsy sasatra ny maninjitra ny tanany mba hamonjy antsika. Izy miakatra eo an-tsambokely no mampitsahatra ny rivotra, mampisy fiadanana, tahaka an’i Elia teny an-tendrombohitra Hôreba. Ao amin’izany fiadanana izany no hahafahantsika manatona Azy sy mitsaoka Azy fa Izy tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Tsy Md Piera irery, toy ny holazain’i Md Matio aoriana kely (Mt 16,16) fa ny mpianatra rehetra no miara-miaiky ny finoany.
Raha ampifandraisina amin’ny Genesareta ao amin’i Md Lioka 5,1-10 moa ny fiantsonana ity, dia azo heverina fa io alina nanilangilanan’ny onjan-drano ny sambo kely io no ilay alina tsy nahazoan’ny mpianatra na dia trondro iray monja aza. Na aiza na aiza anefa hiantsonan’ny sambokelin’ny Eglizy dia vahoaka marobe mandrakariva no miandry azy, ary ny vahoaka “rehetra” no kolokoloiny sy ampahereziny, entiny ho amin’ny lalam-pamonjena. Ireny no anirahan’i Jesoa ny Mpianany, ho mpanarato, hitondra ny hazandrano ho amin’ny fiainana, araka ny voalaza teny am-piandohana.
Ao amin’i Matio koa tsy i Jesoa no irian’ny olona hokasihana fa ny morotongotr’akanjo, izany hoe ilay “sahondran’akanjo”, (κράσπεδον – kraspedon, צִיצִת – tsîtsit, en hébreu) didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana (Fan 15,37-41, Dt 22,12). Ny finoana, izany hoe ny fiekena fa “Izy no Tompo Andriamanitra” afaka manangana ho velona, afaka mamerina amin’ny laoniny ny fiainana, izany no hahafahantsika mandray ny aina avy amin’ilay Tompon’ny aina na velona isika na maty (1Tes 5,10).
Iezahantsika ary ny hiaina izany finoana izany, hampisy akony eo amin’ny andavanandrom-piainantsika izay ventsointsika ao amin’ny vavaka, ary hahafahantsika mitondra am-bavaka ny trangan-javatra na an-kasarotana na an-kafaliana.
- (taona A)
Md Matio 15,1-3.10-14
“Ny voly rehetra tsy ambolen’ny Raiko dia hongotana”.
Manontany an’i Jesoa ny Farisianina sy ny Mpanora-dalàna satria tsy manaja ny lovan-tsofina (παράδοσις – paradosis, avy amin’ny παραδίδωμι – paradidômi) ny mpianany satria tsy manasa tanana alohan’ny hihinan-kanina. Mialoha ny niantsoany ny vahoaka hanatona Azy dia izao no navalin’i Jesoa azy ireo: “Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny lovan-tsofinareo?”
Zavatra roa moa no asian’ny fombafomba jody tsindrim-peo mahakasika ny sakafo: ny fanasana tanana ary ny fifadiana ny sakafo maloto (, כשרת kasherut). Ny Jody moa, rehefa miverina avy amin’izay alehany ary mialoha ny sakafo dia misasa tanana hatreo amin’ny kiho, ary manasa ny kapoaka sy ny lovia koa aza (Mk 7,2-4). Tsy milaza ny maha ratsy izany fomba izany ny Evanjely tsy akory. Lazain’ny mpandalina sasany fa tamin’ny andron’i Jesoa dia ny Mpisorona ihany no voadidy hisasa tanana alohan’ny handraisany ny mofo, saingy nataon’ny Farisianina ho lalàna ho an’ny olona rehetra kosa izany taorian’ny taona 70, entina hanehoana fa mandray anjara amin’ny fahamasinan’ny mpisorona ny vahoaka manontolo.
Tsara homarihina anefa fa tsy ny handrava ny Torāh fa ny hanatanteraka azy no nahatongavan’i Jesoa (Mt 5,17), ary izany ohatra no tsy hilazan’i Matio tahaka an’i Marka ny “mahadio ny hanina rehetra” (Mk 7,19) satria ny olona anoratan’i Matio dia mahalala tsara ny Levitika 11 sy ny Deoterônômy 14 momba ny kasherut. Inona àry no tiany hambara?
Manoloana ny fanabeazana ataon’ny Lalàna, dia ampianarin’ny Evanjely isika handeha lalindalina kokoa. Tsy afaka hanafoana ny Lalànan’Andriamanitra na oviana na oviana ny fombafomba sy ny lovantsofina (tradition) nifandovan’ny olombelona. Raha tsy mifanaraka ny fo sy ny vava, ny zava-kendrena (fahamasinana) sy ny fombafomba, dia toy ny voalazan’i Izaia ihany ny fiainan’izay milaza ho mpino: mpihatsaravelatsihy fotsiny ihany ary zava-poana no hivavahany.
Antsoin’i Jesoa ny vahoaka mba “hihaino” ary “hahafantatra” fa tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona fa izay mivoaka avy ao am-po. Ny fo no mibaiko izay atao noho ny fitiavana na ny fitiavan-tena, mba hampiraisana na hanasarahana, mba hanomezana na sanatria hanambakàna. Tsy natao hitsaràna ny hafa fa natao hitiavana bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny zavaboariny ny Lalàna nomeny. Mahatafintohina izay tsy mitady ny voninahitr’Andriamanitra ny maheno tsikera ary tsy zakany velively izany.
Mazava kosa anefa ny valin-tenin’i Jesoa, izay nosoratako ery amin’ny fiandohan’ny fandinihana. Izay hazo tsy novolen’Andriamanitra, izay hazo tsy mamoa ho amin’ny fiainana, mitondra ny vokatry ny Fanahy (Gal 5,22) dia tsy maintsy hongotana amam-pakany.
Asain’i Jesoa hamela ny mpanora-dalana jamba ny mpianany satria “mampalahelo” izy ireo, fa jamban’ny fitiavan-tena sy ny faniriam-boninahitra ka sady tsy miditra amin’ny fanjakan’ny Lanitra no manakana ny hafa tsy hiditra ao (Mt 23,13-32). Izay mampiasa ny lalànan’Andriamanitra sy ny fahefana hitadiavana voninahitra ho an’ny tena dia jamba ary izay manaiky hotarihina na ny mpisolelaka hahazoana tombontsoa manokana koa dia jamba.
Ho haintsika anie ny hampiasa ny lalànan’Andriamanitra hitiavana bebe kokoa, fa tsy sanatria hiheverana ny tena ho ambony kokoa noho ny hafa ka hanebebahana na hanaratsiana azy, tahaka ny nataon’ny mpanora-dalana mpihatsaravelatsihy.
[1] βασανίζω : mettre à l’épreuve (des métaux) par une pierre de touche (basanos), pierre siliceuse utilisée pour la vérification de la pureté de l’or ou de l’argent par examen d’une rayure par cette pierre (source : Bibleworks 10)