Talata faha 17 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia14,17-22/Salamo 78
- Tsy ankasa: Eksaody 33,7-11; 34,5-9.28 /Salamo 104
- Md Matio 13,36-43
“Izao no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao”: ny ahi-dratsy hirehitra afo toy ny fako hodorana ao amin’ny memy mirehitra, ny marina kosa hirehitra afo ka hamirapiratra toy ny masoandro. Tsy fitsaran’olombelona tsy akory fa fitsaran’Andriamanitra mandrapahatongan’ny farany, hahatongavan’ny olona rehetra amin’ny fibebahana sy ny famonjena, hoy i Md Piera (2P 3,9), satria ny “hahavonjy ny olona rehetra sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” no sitrak’Andriamanitra (1Tm 2,4) ka izany no nandefasany ny Zanany ho antsika (Jo 3,17).
Raha avela haniry ny ahi-dratsy fa tsy azo ongotana, tsy sanatria hampitombo ny ratsy va izany? Raha mamindra fo Andriamanitra, moa ve tsy ho afaka hanao izay tiany izany ny olona rehetra? Tahotra sy fakam-panahy mahazo ny olona maro izany saingy ny tsy fahazoana ny hevitry ny fanoharana dia mampidi-doza matetika. Raha mahatsapa ve ny olona iray fa tsara fanahy ny reniny ary tsy manasazy azy na oviana na oviana dia azony atao ny maniratsira azy amin’ny zavatra rehetra sanatria! Tsy mendrika ny maha zanaka izay mihevitra toy izany ka noho izany tsy mendrika ny ho mpandova.
Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa, ambarany fa ny famindram-po no tsy maintsy hiainana ho an’ny hafa. Ho an’ny tena kosa dia ny fiezahana isan’andro mba ho zanak’ilay Andriamanitra mpamindra fo sy mpiantra, ho lavorary hanahaka ny fahalavorariany (Mt 5,43-48). Ny famindram-po manko tsy fidonanam-poana sanatria fa ezaka isan’andro hitia bebe kokoa, hitady ny lalana hamonjena ny hafa, eny fa na dia hifatsiana amin’ny hazofijaliana aza. Mora ny mitia an’izay manao soa antsika fa sarotra kosa ny mitia an’izay mety nahavita zavatra tsy nahasoa antsika. Ohatra no nomen’i Kristy antsika: “Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy”, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).
Araka izany dia tsy asantsika ny manilikilika izay tsy miaina araka ny fahamarinana (ahi-dratsy). Ny Anjelin’Andriamanitra no hanesotra ny ahi-dratsy, ary heveriko fa ao amintsika tsirairay avy aza dia misy ahi-dratsy hojinjainy sy hariany any amin’ny fanariam-pako koa. Anjarantsika kosa, raha te ho lehibe ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ny miezaka ny hampitombo ny vokatry ny fahamarinana sy ny fitiavana. Ireo ihany no afaka hiditra ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fahasoavana sy ny fahafahana, ny fanomezana sy ny andraikitra, ny asan’Andriamanitra sy ny antsika olombelona dia tsy afa-misaraka na oviana na oviana. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mampahafantatra antsika ny marina maha olona afaka; ny hery avy Aminy no hahafahantsika mamaly am-pitiavana ny antsony ary raha tsy Izy tsy hahavita na inona na inona isika (Jo 15,5). Tsy misolo antsika na oviana na oviana amin’izay andraikitra apetrany eo am-pelatanantsika anefa Izy kanefa kosa miangavy antsika hiezaka hitovy Aminy, ho taratry ny fitiavany ho an’izao tontolo izao.
Ny asa ataontsika no mampisy heviny ny fiainantsika, ka izay asa natao am-pitiavana ihany no mifanaraka amin’ny endrik’Izy Trinite Masina Andriamanitra inoantsika. Tsy maintsy mbola holanjaina ny vesatry ny asantsika, hoy i Md Paoly, ka hiseho eo ny bozaka sy ny mololo, saingy ny afo no hisedrana azy, ka “raha maharitra ny asany, dia handray valisoa izy; may kosa ny asany dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo” (1Kôr 3,12-15). Ho nenina mandrakizay raha sanatria tsy hararaotintsika hanaovan-tsoa ity fiainana nomen’Andriamanitra antsika ity, rehefa tonga ny fotoana hifanatrehan-tava Aminy (Ap 22,4).
Ny vavaka ataontsika anie, ho araka izay irin’ny Fanahy ka tsy sanatria fitalahoana an’Andriamanitra hanaraka ny sitra-pontsika fa ho fitadiavana kosa izay hampifanaraka marina tokoa ny fiainantsika amin’ny sitrapony (Rm 8,26-27), ka hahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana, ho voatsinapy sy lalivay, hanolotra ny tena manontolo mba ho sorona velona ankasitrahan’Andriamanitra (Rm 12,1), ka ho tonga tany lonaka hampahavokatra ny Tenin’Andriamanitra henointsika ka raisintsika am-pinoana.
Hamafisintsika àry ny hitalaho ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana mba hampitombo ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra ka haharetantsika lalandava hitandrina ny didiny[1].
[1]Vavaka fangatahana.