Talata faha 16 mandavan-taona
- Ankasa: Mikea 7,14-15.18-20/ Salamo 84
- Tsyankasa: Eksaody 14,21–15,1 / Eksaody 15,9-10.12.17
- Md Matio 12,46-50
Iza no reniko ary iza no iray tampo Amiko? Mazava ny valintenin’i Jesoa: izay miara-mihinana Aminy, miara-mitory ny Tenin’ny fiainana Aminy satria vonona ny hanao mandrakariva ny sitrapon’ny Ray. Ireo fianakaviana nipoiran’i Jesoa, nahita sy naheno ny fampianarany, toa mifanohitra amin’ny mahazatra sy amin’izay nangatahan’ireo mpitondra fahizay, dia nihevitra Azy ho very saina (Mk 3,21) ka naniry hiresaka Aminy mba handresy lahatra Azy tsy hanao afa-tsy izay mifanaraka amin’ny mahazatra. Tsy mahagaga izany satria fahadalana ho an’ny olona ny fahendren’Andriamanitra, hoy i Md Paoly (1Kôr 1,17–2,16).
Mialoha ny hitantarana ity Evanjely anio ity dia mitantara ny mikasika ny fanahy maloto izay maniry hiverina ao amin’izay nivoahany i Md Matio, ka rehefa mahita azy voadio sy milamina dia mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa. Izay tsy manaiky handray ny famantaran’i Jônasa dia ho ratsy fiafara, na dia hihevitra ny tenany ho madio sy milamina tsara aza.
Amin’ireo izay mihaino Azy no ilazan’i Jesoa hoe iza moa no reniny sy rahalahiny. I Maria dia reniny satria nanao “eny” hatrany tamin’izay nangatahin’Andriamanitra taminy. Izay toa azy, manaiky ho fitaovana ampiasain’Andriamanitra hanatanterahany ny fandaharam-pamonjeny nomahatonga teny ny nofo. Ireo mihaino azy no anatsorany ny tanany (ἐκτείνω – ekteinô), omeny ny fahefana ihany koa handresy ny ratsy. Teo amin’i Israely ny vehivavy dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, ho an’i Jesoa kosa, izay mihaino ny feony sy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray, na lahy na vavy, dia tonga mpianany, lasa iray tampo Aminy, iray aina Aminy.
Tsy azo adinoina ihany koa anefa ny nahazo an’i Jesoa, satria izay maniry hanaraka Azy dia tsy hanana lalan-kafa afa-tsy ny nodiaviny, ka raha tsy matotra ny fanapahan-kevitra, dia tahaka ny fanahy maloto ihany, hiverin-dalana hody any amin’izay nivoahana ihany koa. Fakam-panahy ho an’i Jesoa ny fahatongavan’ny fianakaviany. I Joany Batista nisalasala amin’ny maha Mesia Azy (Mt 11,2-15), ny taranaka niara-belona taminy tsy nahazo izay nolazainy (Mt 11,16-24); ny Farisianina nitady izay hahafaty Azy (Mt 12,14), lazain’Izy ireo fa mpiara-miasa amin’ny Demony (Mt 12,24) ka angatahany famantarana (Mt 12,38snm), ankoatry ny voalaza teny am-piandohana fa nolazain’ny havany fa very saina Izy (Mk 3,21). Tsy irery anefa Izy, ka izay matoky ny fitiavan’ny Ray ary manaiky handray ny Teniny no afaka miombon’antoka Aminy, ho tonga fianakavian’Andriamanitra.
Raha sanatria fimenomenomana hamakiana teny voalahatra ny vavaka ataontsika na sentosentom-po hitanisana ny fahoriana na ny hafalian’ny olombelona fotsiny, dia tsy hitondra amin’izany maha fianakaviany antsika izany. Ny reniny sy ny rahalahiny tao ivelany dia mba naniry koa hiresaka tamin’i Jesoa. Tsy ampy ny faniriana hiresaka, mila mihaino Azy koa isika. Izay mandray ny Teny no mahazo ny fahefana hahatongavana ho zanak’Andriamanitra hoy i Md Joany (Jo 1,12snm). Ny hasambarana lehibe indrindra ho an’ny olona araka izany dia ny ho tonga reharehan’Andriamanitra satria zanany, miombon’antoka Aminy amin’ny fanitarana ny fanjakany.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana ho tonga zanak’Andriamanitra, hikatsahantsika sy hanatanterahantsika ny sitrapony ka nahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fahamasinany.