Talata faha 14 mandavan-taona
- Ankasa: Ôsea 8,4-13/Salamo 113B
- Tsy ankasa: Jenezy 32,22-32/Salamo 16
- Md Matio 9,32-38
Hiverina any Ejipta izay tsy mahita ny Lalànan’Andriamanitra ho harena, ka hitsambiki-mikimpy amin’ny famafazana rivotra (Ôs 8,4-13).
Rehefa avy nanasitrana jamba roa lahy ny Tompo (tsy vakìna amin’ny andavan’andro na ity na ny fahasitranan’i Bartimeo ao amin’ny Mt 20,29-34) dia nitondran’ny vahoaka olona moana sady azon’ny demony ka rehefa voaroaka ny demony dia niteny ny moana. Ny fanandevozan’ny ratsy no manakana antsika tsy hahay hihaino ny Teny mba ho afaka hitory azy. Manoloana izany zava-mahatalanjona izany anefa dia misy ny gaga ka mankalaza an’Andriamanitra, misy kosa ny manamafy ny fony ka mahita holazaina mandrakariva mba hanaratsiana: “ny lehiben’ny demony no androahany demony”. Tsy afaka handresy ny hazavana na oviana na oviana anefa ny haizina na dia handà tsy handray azy aza.
I Jesoa àry, manoloana izany, tsy kivy fa manohy mitety tanàna, mampianatra, mitory ny Evanjely ary manasitrana (Mt 4,23, nitety an’i Galilea manontolo, izao mitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra – κώμη – kômè). Ambaratonga telo tsy afa-misaraka ireo. Ny fampianarana ao amin’ny sinagôga, miainga avy amin’izay mahazatra ny olona, manitsy izay mety tsy mifanaraka amin’ny tena izy, mba hahafahana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny rahalahy azon’ny aretina sy ny rofy koa anefa ny fitoriana ny Evanjely. Azo heverina fa izany no antony nahatonga an’i Jesoa haniraka hilaza amin’i Joany izay zavatra re sy hita (Mt 11,4), izany hoe hanambara ny fifanarahan’ny fampianarany teny an-tendrombohitra (Mt 5-7) sy ny fampiharany izany tamin’ny andavanandrom-piainana (Mt 8-9).
Ny Fiangonana dia tsy maintsy mampiseho mandrakariva fa tsy mifampisolo fa mifameno ireo zavatra roa ireo: “tsy tsara, hoy i Md Piera, raha ilaozanay mikarakara ny sakafon’ny mahantra ny fitorian-teny” (Asa 6,2). Tsy fanilihana andraikitra izany sanatria fa fampahatsiahivana ny ambaratonga tokony hananana amin’ny firosoana amin’ny finoana. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra, hoy i Jesoa (Lk 12,31).
Raha ny “fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona” no votoatin’ny Evanjely, dia mazava loatra fa mifanaraka amin’izany ny fomba fiaina sy ny fomba fisainan’izay vontony. Tsy mahagaga àry raha onena i Jesoa mahita ny vahoaka mijaly sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiahy. Onena: σπλαγχνίζομαι (splanchnizomai, miverina in-dimy ao amin’i Matio: 9,36; 14,14; 15,32; 18,27; 20,34 fa efa ampiasain’i Marka ihany koa Mk 1,41; 6,34; 8,2; 9,22). Io no nandikana ny רַחוּם – (raḥoum). Izay mandray ny fampianaran’i Jesoa dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eks 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (רַחוּם- raḥoum) fa tsy afaka ny ho faly ary tsy mionona raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן- ḥannoun). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia hiala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios,פָּרַשׁ – pārash: manavaka, manasaraka) izaymihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo.
Ambaran’i Md Matio anefa, fa na manoloana ny horakoraky ny vahoaka, na manoloana ny fialonana sy ny teny ratsin’ny Farisianina, dia manohy ny asany i Jesoa, tsy latsaka amin’ny fakam-panahin’ny voninahitra, sy fieboeboana na sanatria ny hasosorana hitondra amin’ny hakiviana.
Ny antony mampahonena Azy dia satria tsy tanteraka ny vavak’i Môizy ho an’i Jôsoe mba hisy mpiandry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra hiditra sy hivoaka ho amin’ny fahasambarany (Fan 27,16-17).
Izy Tompo no mpiandry, porofom-pitiavana Azy no hahafoizan-tena hamahana ny ondriny (Jo 21,15-17) saingy tsy ireo rehetra mamahana ny ondriny no manao izany noho ny fitiavanaAzy, ary raha sanatria misongona io fitiavana io ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra dia loza no manjo ny ondry. Ampahatsiahivin’i Jesoa an’ireo te hanara-dia Azy fa Andriamanitra no maniraka mpiasa hikarakara ny ondriny, tsy manira-tena izay mamkeny an-tanimboly fa vokatry ny vavaka atao amin’ny Tompom-bary mba “haniraka” ny mpiasa hitondra ny vokatra any an-tsopitra. ἐκβάλλω (ekballô) moa no nadika hoe « maniraka », fa raha ny tena marina dia hoe manipy any ivelany, ary azo adika hoe: manery mihitsy aza. Tsy hambom-pon’ny mpianatra sanatria fa sitrapon’ny Ray, ary fitokisana Aminy (mandidy ny iraka) no hahafahana miasa ao amin’ny tanim-boalobony. Mila mivavaka araka izany, satria izay miombon’aina amin’Andriamanitra ihany no afaka hitia ny hafa araka ny fitiavan’Andriamanitra.
Izany no mahatonga an’i Paoly hilaza fa ny fitiavan’i Kristy no manery ny Apôstôly (2Kôr 5,14) ka loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1Kôr 9,16). Hitombo ao am-pontsika anie ny fitiavana hahafahantsika hibanjina ny asan’Andriamanitra mampahavokatra ny zanany ho mendrika ny fiainana mandrakizay.