Talata faha-12 mandavan-taona
Ankasa 2 Mpanjaka 19, 9b-11. 14-21. 31-35a . 36/Salamo 47
Tsy ankasa Jenezy 13, 2.5-18/Salamo 14
Md Matio 7, 6. 12-14
“Aza omena ny alika ny zava-masina, ary asa atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo (μαργαρίτης margarites, azo adika koa hoe teny sarobidy)”. Ho an’ny jody dia ny tsy mpino no nohariny tamin’ny alika sy kisoa (Mt 15, 26), satria noheveriny ho tsy afaka ny hahazo ny hasarobidin’ny “zava-masina”. Ny hena sy ny mofo nentina ho fanatitra ohatra dia zava-masina (Levitika 2, 3) ka hohanin’i Aharôna sy ny zanany lahy ihany, ary izay tsy lany eo anoloan’ny Tranolaim-pihaonana fa tra-maraina dia dorana fa tsy zaraina amin’ny hafa (Eksaody 29, 33-34). Eto anefa tsy izay loatra no heverina fa zava-masina tian’i Jesoa holazaina fa ny fampianarany izay lazain’i Md Matio fa tokony ho an’ny ondry very, izany hoe ny taranak’Israely (Mt 10, 6).
Avy milaza i Jesoa fa tsy tokony hitsara ny rahalahy, dia mampitandrina kosa indray mba tsy hanomezana ny fampianarany amin’ny olona heverina ho alika sy kisoa. Ny alika moa, dia miverina amin’ny loany, ary ny kisoa voasasa mihosom-potaka indray, hoy ny ohabolana ampiasain’i Md Piera (2 Piera 2, 20-22) hilazana ny olona efa nahalala an’i Jesoa ka niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, nefa miverina amin’ny fahalavoany indray.
I Md Paoly manoratra ho an’ny kristianina tany Filipy dia manoratra mba “hitandrin-tena amin’ny alika” (Filipianina 3, 2), ary Md Joany dia milaza mazava ao amin’ny Fanambarana fa any halatrano no toeran’ny alika, izay nadikan’ny Baibolintsika (2011) hoe “ratsy toe-panahy” (Apokalipsa 22, 15).
Izany rehetra izany dia midika fa tsy mitsara ny fitiavana, izany hoe tsy mamoaka didim-pitsarana manoloana ny mety ho fahalemen’ny rahalahy, ka noho izany dia matoky mandrakariva fa hain’ny Fanahy ovana ny zavatra rehetra, Izy no mahary sy manavao ny tany (Salamo 104, 30), saingy mahay mandanjalanja kosa, tsy manaonao foana fa mitady izay fomba tsara indrindra hahafahana mizara ny fahasoavana sarobidy izay noraisina. Na dia “sinitany mora vaky” aza no hitondrana ny raki-tsarobidin’ny fahalalàna ny voninahitr’Andriamanitra (2 Kor 4, 7), dia tsy midika izany fa ataotao foana ny fitoriana ny Evanjely. Ny jiro raha ataratra any amin’ny mason’ny olona, tsy manazava fa manjemby. Izany no tokony hitandremana. Hoy ny bokin’ny Ohabolana hoe: “Raby no azon’izay mananatra ny mpananihany, ary ala-baraka no azon’izay mandevilevy ny ratsy fanahy” (Ohabolana 9, 7). Izay te hizara ny zava-masina dia hahalala fa tsy afaka ny hizara rano amin’ny olona tsy nitondra fantsakana. Tsy fitiavana ny olona ary faniratsirana ny zava-masina ny fanomezana azy eo an-tanan’izay tsy hahay akory hitahiry azy. Tsy sanatria isika no hitsara ny hafa ho “alika” na “kisoa”, fa ny tenantsika aloha no dinihintsika, satria izay mahita ny lalana tsy “maha-alika sy kisoa” ihany, no afaka hanoro lalana ny hafa izay tiany hiara-mandova aminy ny zava-masina.
Mila mivavaka, mitady sy misasatra fa avy eo handondòna mba hovohaina (Mt 7, 7) ka hahatsapa fa fanomezan-tsarobidy omena antsika ny fahalalana an’Andriamanitra, izay “Fiainana mandrakizay” (Jo 17, 3). Izany no lalana hahafahana ho tonga “zanak’ilay tia ny olon-drehetra” ka hanatanteraka ny “Lalàna sy ny Mpaminany” amin’ny fanaovana amin’ny hafa izay angatahintsika ho antsika, satria isika no zanaka mpandova ny fanjakan’ny Ray, ka ny fiezahantsika hanompo sy hitia no hahalalan’ny olona ny hasarobidin’ny fitiavan’ny Ray. Ny fitiavana dia ny “fahalalana mialoha izay mahasoa ny hafa mialoha ny hisokafan’ny vavany hangataka izany” (Mt 6, 8).
Tsy mandeha ho azy anefa ny fanarahana ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana. Mora ny mieritreritra hoe “hiadam-pinaritra aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza” (Det 29, 18), kanefa izay tsy hanaraka ny lalàn’ny Tompo dia hirehitra amin’izany olona izany ny fitandroan-kasin’ny Tompo. Tsy sanatria Izy Tompo no hanozona ny zanany, fa ny zanany, raha tsy misafidy ny lalana mitondra amin’ny fiainana, dia mazava loatra hitanjozotra amin’ny lalan’ny fahaverezana.
Nahoana ary no avelan’Andriamanitra higodàna toy izany ny lalana mitondra amin’ny fahaverezana, raha toa ka ny hahavonjy ny zanany rehetra no sitraky ny fony? Tsy Izy tsy akory no mahatonga izany. Safidy mazava no napetrany eo anoloantsika (Det 30, 15-20), saingy ilay rain’ny lainga sy mpamono olona hatrany am-piandohana (Jn, 8, 44) no mamitaka ka mampiseho ny ratsy amin’ny endriky ny fanangolena, ary mampiseho ny tsara kosa ho toy ny zavatra omen’Andriamanitra tsifoifoy ka ilany tambiny. Ny fahafatesan’i Jesoa teo ambony hazofijaliana anefa dia nentin’Andriamanitra nampiseho amintsika ny maha-ratsy ny ratsy sy ny maha-fitiavana Azy, mahafoy hatramin’ny ainy, toy izay hamongotra ny mpanota ka tsy hanome azy fahasoavana hibebahana.
Ho haintsika anie ny hisafidy ny lalana mampisy heviny ny fiainantsika, ka hahaizantsika mampiasa izay mety tsy hahafahana miditra amin’ny varavarana ety amin’ny fanasoavana ny hafa.