Talata anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 2, 36-41
- Sal 32
- Joany 20, 11-18
“I Jesoa nofantsihana tamin’ny hazofijaliana iny no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.
Amin’ny andininy manelanelana ny vakiteny omaly sy androany (and 34) dia mitanisa ny Salamo 109 i Md Lioka, ampahatsiarovany antsika fa “ny Tompo nilaza tamin’ny Tompony mba hipetraka eo an-kavanany”. Tompo (κύριος kurios, ) moa no nandikana ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, saingy nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12, 35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2, 11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika koa voninahitra an’Andriamanitra.
Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana antsika batemy amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka.
Ny Evanjely moa mitantara ny fisehoan’i Jesoa amin’i Maria Madelena. Iezahan’ny Evanjely (fa indrindra i Joany manokana) fa tsikelikely ary misy fivoarany ny fizorana mankamin’ny tena finoana lalina, ka ny fahafantarana ny Soratra Masina no lalana sarobidy sy azo antoka indrindra amin’izany fiainana ny finoana izany. Nahita ny fasana foana i Maria saingy ny nihazakazaka nankany amin’ny mpianatra no nimatimatesany. Ny fitiavana kosa no hananam-paharetana hitadiavana an-koatr’izay tsy hitan’ny maso, nahatonga azy hiverina any am-pasana, hijanona eo sy handinika ny zava-misy, hitsirika ao am-pasana.
Ho an’i Lioka, ny famakiana ny mofo, ialohavan’ny fivoasana ny Soratra Masina (TNK= Lalàna – Mpaminany sy Soratra) no manokatra ny masontsika hahita an’i Kristy tafatsangan-ko velona, ho an’i Joany kosa dia ny “fankalazana ny Tenin’Andriamanitra”, ny fahafantarana ny feony miantso antsika amin’ny anarantsika, amin’izay maha-izy antsika (ecclesia) no hahaizantsika manavaka ny feony amin’ny feon’ny mpiandry saha. Nahoana no mitomany? Iza no tadiavinao?
Izay mahalala ny antom-pahoriany ary manaiky sy mahafantatra izay tadiaviny no afaka miala eo amin’ny fasana ka mamela ny fiainana hizotra ho any amin’ny hafenoana. Nitodika (στρέφω strepho) i Maria, nanala ny fijeriny tsy hifantoka intsony amin’ny atifasana, ka afaka nahita an’i Jesoa izay niantso azy, nampahafantatra azy tsikelikely ny maha-izy azy (Ravehivavy, Maria). Ny fahatsapantsika fa lalaina isika no hahafantarantsika koa ny feon’ilay miantso: Rabonì.
“Aza mikasika ahy”, fa raha ny marina, ary izay no mifanaraka amin’ny faminanian’Izaia (Iz 43) dia “aza mitana ahy” (μή μου ἅπτου: me mou Haptou, ἅπτομαι haptomai=mikambana, mifikitra), satria izay hihevitra ny hitana na hamerina an’i Jesoa amin’ity fiainana ity dia tsy afaka ny hibanjina Azy be voninahitra, Tompo sy Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra.
Na i Md Lioka aza dia milaza fa niakatra any an-danitra i Jesoa ny andron’ny Paka (24, 13.33ss) fa avy eo, ao amin’ny Asa 1, 3-11 dia milaza fa afaka 40 andro. Tsy ny fotoana na ny toerana manko no zava-dehibe ho an’ny Evanjelista, amin’ny fitantarana ny fitsanganan-ko velona, fa ny fahazoantsika ny fampianaran’i Jesoa sy ny lalana mitondra amin’izany finoana izany.
I Jesoa tafatsangan-ko velona dia miakatra eo an-kavanan’Andriamanitra mba hanandratra antsika ho “rahalahy sy anabavy”, ho iray Ray Aminy, ho tonga vahoaka iray ihany mankalaza ny Andriamaniny, ka izay mahazo izany hafatra izany ho afaka hilaza fa efa nahita ny Tompo (ἑώρακα τὸν κύριον, ὁράω horao, mahita ao anaty), izay “tonga tsy hitan’ny mason’izy ireo intsony”, hoy Md Lioka, mitantara ny Mpianatra tao Emaosy. Tahaka azy ireo isika: ny Mofo vakiana no hibanjinantsika ny Endriny. Isika rahalahy sy anabavy, tonga vatany no tsy mbola tafakatra any amin’ny Ray, ka tsy Izy ilay Mpampiakatra, sanatria, no tazonintsika ka terentsika hiditra ao an-dain-drenintsika (Tononkira 3, 4) fa isika kosa no hiezaka hanaraka Azy any an-tranon’ny Ray, any amin’ilay Fanasana hampakarany antsika ho iray aminy any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra (Apok 19, 9.17).
“Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao, efa niantso anao tamin’ny anaranao” (Izaia 43, 1): “Ry Maria”! “hamerina ny taranakao avy any atsinanana aho ary hanangona ny avy any andrefana” (Iz 43,5): dia nitodika i Maria ka nanao hoe: Rabòny. “Ny avaratra hilazako hoe atolory izy (avereno, omeo), ary ny atsimo hataoko hoe: Aza mitana ahy” (Iz 43,6): aza mitana ahy fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Raiko aho. “Avereno ny zanakolahy avy lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany” (Izaia 43, 7): mandehana mankany amin’ny rahalahiko sy anabaviko. “ianareo no vavolombeloko sady mpanompoko sy nofidiako mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy ary hahazoanareo an-tsaina fa izaho no izy” (Iz 43, 10): lazao aminy hoe “Miakatra (ἀναβαίνω anabaino, au présent) any amin’ny Raiko sy Rainareo aho”.
Ho haintsika anie ny hibanjina an’i Jesoa miakatra amin’ny voninahiny ka hinoantsika tokoa fa ny fanoloran-tena hamonjy ny hafa no lalana mitondra amin’ny tena fahasambarana marina.