SASINKIRA LEHIBE
Na dia malaza aza moa hoe manao neuvaine dia tsy izay ny fomba nentin’ny Eglizy ankalazana ny Noely fa octave, izany hoe havaloan’andro ankalazana sahady ny fety. Amin’ny adventus, fiomanana ny fandraisana ny Amperora teo amin’ny tontolo Romana fahagola (hatramin’ny fiandohan’ny taonjato VII) dia nisy koa ny occursus, fitsenana ataon’ny manam-boninahitra (senatera sy ny solontenan’ny vahoaka) any ivelan’ny tanàna ka hanaovana kabary fandraisana, hanehoana ny hafaliana amin’ny fahatongavany. Arakaraka ny halavitry ny toerana hitsenana no heverina fa haben’ny hafaliana (fa mampitombo ny asa koa anefa, satria mila haingoina avokoa izay lalana alehan’ny mpitsena mialoha ny amperora avy eo). Dia tahaka izany ihany koa ny Eglizy. Ankoatr’izay fiomanana amin’ny fanadiovana ny tanàna, izany hoe ny fanadiovana ny fo amam-panahy sy ny fiaraha-monina, dia mivoaka ny tanàna, mivoaka ny ankehitriny mba hamintina ny tantara amin’ny alalan’ireo Sasinkira lehibe.
Isaky ny hariva no nanaovan’ny Eglizy izany vavaka manokana izany. Tsara ho marihina moa fa na ny lamesa aza dia hariva (Coena Domini) fa ny vanimpotoana sy ny fivoaran’ny fandaharana ny fotoana no nankalazana azy koa ny maraina. Ny fankalazana amin’ny hariva manko dia manampy satria tsy hirotorotoana amin’ny fanenjehana ny fotoana hanaovana zavatra hafa ny vavaka sy ny fisaorana.
Ndeha ary hojerentsika ireo Sasinkira ireo.
Sasinkira malaza ao amin’ny Litorjia latinina nomena ny anarana hoe: «Grandes O» ireto 7 manaraka ireto, dikanteny narindra amin’ny teny Malagasy. Mitovy firafitra izy ireo ka hitovy koa ny feony atao miaraka amin’ny Tononkiran’i Maria, mandritra ny andro 7 farany amin’ny Fiavian’ny Tompo, izany hoe ny 17-23 desambra.
Amin’ny teny latinina moa ireo “anarana 7” iantsoana ilay ho avy, dia Sapientia – Adonai – Radix – Clavis – Oriens – Rex ary Emmanuel. Efa Sasinkira hatramin’ny andron’i Md Grégoire Lehibe izy ireo, ary voarakitra ao amin’ny Boky Liber responsalis sive antiphonarius (tokotokony ho tamin’ny taona 600). Raha raisina ny tarehintsoratra manomboka ny Sasinkira dia S_A_R_C_O_R_E ka araka ny fomba famaky lazaina hoe acrostiche (akrostikhis amin’ny teny grika, azo avy amin’ny hoe akros (tendro na maranitra) sy ny stikhos (andalana amin’ny poezia) dia manome ny ero cras amin’ny teny latinina izay adika hoe: “ho avy eo aho rahampitso”.
Ndeha hojerentsika ary ireo Sasinkira ireo. Noezahiko notazonina ihany moa ireo teny ampiasain’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny dikanteniny. Izay anaty fonosana dia ireo teny tsy voadika na dikanteny heveriko hahazoana tsaratsara kokoa ny Sasinkira.
(17 Desambra)
O ry Fahendrena ô! (Sapientia)
(Izay mivoaka avy amin’ny vavan’ilay Avo indrindra)
lanao llay manenika ny vazan-tany efatra sy mandrindra (am-pitiavana sy amin-kery) ny voary amin’ny hatsarany avy: Avia mampianatra mba hizotra amin’ny lalam-pahamarinana (lalam-pahamalinana, viam prudentiae) izahay.
(Oh 8,22-31: Kol 1,16; Jo 1,3; Oh 9, 6b)
Avy amin’ny vavan’ilay Avo indrindra (Siraka 24,3a) no ivoahan’ny Fahendrena. Ao amin’ny Soratra Masina mirakitra ny Tenin’Andriamanitra araka izany no hahafahana manovo ny fahendrena. Teny izay manenika ny vazan-tany (Siraka 24,3b) fa teny mandahatra tsy amin-kerisetra fa amim-pitiavana ny zavatra rehetra. Izay hendry sy malina no afaka hitsinjo ny ho avy, hahay handamina ny fotoana, ka hangataka fanampiana mba hahaizana mizotra amin’ny lalana tsy mitondra amin’ny nenina (Oh 9,6).
(Tantaran’ny Fahariana)
(18 Desambra)
O ry Tomponay ô! (Adonai)
(Ilay mpitantana ny Vahoaka Israely: Eks 15, 12-13)
llay tsinjon’i Moizy (niseho tamin’i Moizy, apparisti) tao anatin’ny kirihitra (lelafon-droimemy mirehitra, Asa 7,30) sy nanolotra azy koa (teo amin’ny Tendrombohitr’i Sinaia) ireo Didinao folo: Avia miondrika mba arovy (afaho redimendum nos) amin’ny sandrinao mahery izahay.
(Eks 3,1-6; 6,2; Jo 8,24-28)
Izay mitady ny Fahendrena dia mahalala fa efa nomen’Andriamanitra antsika ny Tenifolo, ny Lalàna izay torolalana ho amin’ny tanin’ny fahafahana sy ny fahasambarana. Tsy afaka haniry ny fahafahana izay mivarilavo sy miliba manara-po any amin’ny tanin’ny fahababoana.
(Tantaran’ny Fanavotana)
(19 Desambra)
Ry Solofon’i Jese! (Radix Iesse)
lanao llay Faneva fitarihana ny olona (izay misandratra ho famantarana ho an’ny vahoaka:) ka hitampim-bava kosa ireo mpanjaka atrehinao (hangina eo anoloanao ny Mpanjakan’ny tany): Avia aza ela mba ekeo ny talahon’ny vahoaka (olombelona rehetra, gentes) miantso vonjy.
(Iz 11,1-10; Ap 22,16; Rm 15,12)
Naniry Mpanjaka ho azy Israely (1 Samoela 8) satria izay no noheveriny fa hitovizany amin’ny hafa firenena ka hahasambatra azy, ary na dia nohazavain’i Samoela mpaminany aza ny tsy maha-mety izany dia nikiribiby izy ireo mba hanosorana an’i Saoly ho Mpanjaka. Tsy ireo mpanjaka nantenain’izy ireo anefa no hitondra ny fiadanana ho an’ny vahoaka fa ilay “solofon’i Jese” (Izaia 11,10). Tsy ny fahendrentsika olombelona mihevitra ny hitantana, fa ilay solofo andrasana amim-paharetana satria maniry ny hahavonjy ny olombelona rehetra (2 Piera 3,10). Raha tsy i Kristy no Mpanjakantsika dia mbola hihaino ny teny avoakan’ny vavan’ireo mihevitra ho mpanapaka eo amin’izao tontolo izao isika.
(20 Desambra)
Ry Fanalahidy ô! (Clavis David)
(Ry Fanalahidin’i Davida sy Tehim-piandrianana ho an’ny vahoakan’i Israely)
lanao llay mamoha tsy misy mahakatona ary koa llay manidy tsy mba misy mahavoha: Avia manavotra ireo voagadram-pahotana sy ny tsindry hazo lena (avia ka afaho hiala amin’ny tranomaizina ny gadra, ireo mbola matory ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana).
(Iz 22,22; Ap 3,7)
Amin’ny famakiana ny Bokin’i Izaia Mpaminany dia fantatsika ny fanalàna ny Fanalahidy eo an-tanan’i Sebnà ka omena an’i Eliakima (Iz 22). Asan’Andriamanitra ny mamoha sy manidy, ka tsy misy afaka ny hirehareha hanavo-tena. Tsy afaka ny haniry izany fanalahidy hitondra amin’ny hazavana izany anefa izay efa mihevitra ho mandeha amin’ny hazavana, izay lazain’i Jesoa fa tsy ho afa-pahotana akory (jereo Jo 9,41).
(21 Desambra)
Ry Mazava atsinanana ô! (Oriens)
lanao tokoa no taratry ny Ray mandrakizay (famirapiratan’ny hazavana mandrakizay), Masoandro Fahamarinana hampisava ny tsy rariny: Avia manazava ireo tototra sy rakotry ny alo-pahafatesana (hazavao ireo matory ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana).
(Ma 3,20; Lk 1,78; Heb 1,3)
Mety hivoha ny varavarana izay maha-maizina ny trano, saingy hafa noho ny hazavana rehetra ny hazavan’ilay masoandro miposaka, fanilo manazava (Tononkiran’i Zakaria Lk 1,78). Ilay fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina no ilay famirapiratan’ny hazavana mandrakizay (Fahendrena 7,26). I Kristy no ilay masoandrom-pahamarinana lazain’i Malakia fa hahazoan’izay matahotra ny Tompo fahasitranana ka handreseny ny fanahy ratsy (Ma 3,20-21). Izay matahotra an’Andriamanitra no hahita masoandro miposaka amin’ny fahantrana sy ny fahatsoran’ny Tranon’omby.
(22 Desambra)
Ry Mpanjakan’ny tontolo! (Rex gentium)
lanao llay nirina hatramin’ny ela be izay (Mpanjakan’ny olombelona rehetra sady iriny-andrasany), (vato) Fehizoro andrafetana ny firenen-drehetra (manambatra ho iray ny firenen-drehetra): Avia mamonjy ny taranak’olombelona namboarinao (avy amin’ny fotaka).
(Ap 1,5; 17,14; Ef 2,19-22)
Raha i Kristy tokoa no andrasantsika, raha izy ilay tonga hampivondrona antsika ho iray no irintsika, dia ho zary hafaliana ny Noely. Mila mandini-tena mandrakariva isika, sao sanatria tsy izay antony nahatongavan’i Kristy ho olombelona toa antsika izay no faniriana voakolokolo ao am-po, dia ny fiombonana. Izany no maha-katôlika antsika koa, ka izay tsy maniry ny hahavonjy ny olombelona rehetra, olombelona izay noharìna avy amin’ny vovo-tany, malemy, dia tsy afaka handray anjara amin’ny fahatongavan’ilay Mpanjakan’ny olona rehetra.
(23 Desambra)
Ry Emanoela ô! (Emmanuel)
ilay nanao ny Fitiavana ho lalana vaovao, (Mpanjaka sy mpanao lalana ho anay), Ianao llay nandrasan’ireo firenen-drehetra (fanantenana sy famonjena ho an’ny olombelona rehetra): Avia vonjeo ‘zahay, Ry Tompo Zanahary AndriamanitrayMpamonjy.
(Iz 7,14; Mt 1,22-23; 22,36-40)
Andriamanitra miara-monina amin’ny vahoakany no manjaka sy mifehy azy. Izay tsy manana fanantenana sy tsy miandry famonjena afa-tsy ao amin’Andriamanitra irery ihany no afaka hifaly amin’ny fiarahany monina amintsika. Ny an’ny tsy mpino dia atao fitaovana hahazoana vola aman-karena ny andriamaniny, ho an’izay mino an’ilay Emanoela kosa dia atao fitaovana hikatsahana ny Andriamaniny izay mandrakizay ny vola aman-karena (jereo Lk 16,9). Raha amin’ny vola aman-karena na ny fahafinaretana na ny voninahitra eo anatrehan’ny olona no imatimatesantsika dia ho fahafaham-baraka ho antsika ny fietren-tena asehon’ny Noelin’ilay Emanoela, Jesoa, Andriamanitra Mamonjy antsika.
Hanampy antsika handray ny fiadanana entin’ilay Teny tonga nofo anie ny fiomanantsika amin’ny Noely, ka hahatonga Azy ho ivon’ny fiainantsika, ho fanantenana tokana satria efa mahatsapa ny fitiavany isika ka tsy afaka ny ho velona intsony, tsy hahatsiaro ho sambatra raha tsy tonga taratr’izany fitiavany izany ny fomba fiainana andavanandro.