Sabotsy V Karemy
- Vakiteny I : Ezekiela 37,21-28,
- Tononkira : Jeremia 31,10.11-12ab.13,
- Evanjely : Md Joany 11,45-56.
“Ny lehiben’ny Mpisorona sy ny Farisiana tamin’izay dia efa nandidy fa izay mahita ny itoeran’i Jesoa dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy” (and. 57). Toy izany no fiafaran’ny toko faha-11 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany. Tsy matahotra ny hajambàna sy ny habibian’ny olombelona Andriamanitra satria lehibe lavitra noho ny fahoriana mianjady ny hafaliana omaniny ho an’ireo tia Azy (cf. Rom 8, 18).
Ny zanak’Israely, nirafitra ho foko roa ambinin’ny folo dia nizara roa taorian’ny nahafatesan’i Salomona (922 a.C), Jodà tany antsimo [niaraka tamin’i Benjamina sy Simeona,], ary ny Zanak’i Josefa roa (Efraima sy Manase) tany avaratra [niaraka tamin’ny ambiny fa ny taranak’i Levi tsy nisaina fa tsy manan-tany, tahaka ny taranak’i Dina, vavitokana zanak’i Lia, Jen 34], avy eo dia rava tanteraka ny fanjakana, ny avaratra naharitra hatramin’ny 724 a.C (2 Mpanj 17, 3-6, faharavan’i Samaria) ka lasan-ko babo tany Asirìa, ny atsimo koa naharitra hatramin’ny 587 a.C. ka nentin’i Nabokodonozora natao sesitany tany Babilonina (2 Mpanj 24, 20). Na eo aza anefa izany dia nasain’Andriamanitra nanao hazo roa manambara ireo fanjakana roa ireo Ezekiela ka hanambara fa hain’Andriamanitra ny hamory indray azy ireo, avy any amin’izay nielezany, ka Mpanjaka araka ny sitrak’Andriamanitra no hifehy azy ireo mandrakizay, araka ny fanekem-pihavanana mandrakizay ataon’YHWH ho azy ireo: Andriamanitra no hanangana ny fitoerany masina mandrakizay eo anivon’ny vahoakany.
Fantatsika fa ao amin’i Jesoa, ilay Emanoela, Andriamanitra monina eto anivontsika no tanteraka izany fampanantenana izany, ka tsy Israely sy Jodà ihany fa ny olombelona rehetra no voaantso hiombon amin’izany hasambarana izany, Ejipta sy Asora nanjanaka azy aza, hiaraka hanompo an’Andriamanitra miaraka amin’Israely (Isaia 19, 23-24). Olona iray no ho solovoina hahatanterahan’izany, araka ny faminanian’i Kaifa, lehiben’ny mpisorona tamin’izany (18-36 d.C.). Amafisin’i Joany kosa izay lazan’ny Evanjely hafa fa ny “zanak’olona dia hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro” (Mt 20, 28).
Izay tsy afa-mifaly amin’ny soa azon’ny hafa dia tsy maintsy hitady fomba hamaliana faty rehefa tsy mahita hevitra hanaovana tsaratsara kokoa, ra rehefa tsy izy no mahazo ny laza amam-boninahitra. Ny fitsanganan’i Lazara ho velona dia faharesena ho an’ny Jody sy ny Farisiana ka tsy misy hevitra hafa afa-tsy ny hamonoana an’i Jesoa (sy Lazara) sisa ao am-pon’izy ireo. Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay. Araka ny filazan’i Joany dia Paka fahatelo io, taorian’ny Paka voalohany nandravaravany tao an-tempoly (Jn 2, 13) sy ny Paka faharoa nizarany ny mofo dimy sy hazandrano roa (Jn 6,4). Ny 7 avril 30 no heverin’ny maro amin’ny mpandalina Soratra Masina sy ny ara-Tantara fa mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Evanjely indrindra, Paka andro Sabata. Raha araka ny lalàna dia tsy afaka ny hankalaza ny Paka i Jesoa satria nikasika fasana sy faty (Lazara) ka tsy maintsy midio fito andro (Fanisana 19, 11) ary ny volana faharoa fa tsy ny 14 Nissan (volana I) no hahafahany mankalaza izany (Fanisana 9, 10-11). Lalàna fantatr’i Jesoa izany, saingy ambony noho ny Paka (fety lehibe indrindra) ny fitiavana.
[Raha noho ny soa ho an’ny vahoaka sy noho ny fitsinjovana ny aina, ny taona 2020 dia tsy afaka ny hankalaza ny Paka miaraka ny kristianina maro be, tsy midika anefa iznay fa bang any fianam-panahy. Ny fiombonana miara-mandresy ny valanaretina, miara-mikatsaka ny soa dia Sakramenta manambara ny fitiavana izany, tsy fahabangana satria tsy hoe natakalo zavatra hafa ny fiombonana amin’i Kristy sy ny Fiangonana, fa kosa Sorona, satria ny fitiavany no manery antsika hihafy sy hisikim-ponitra ho an’ny soa ho antsika sy izao tontolo izao].
Izay entanin’ny Fanahy Masina dia mahita hevitra vaovao foana hanavaozana ny Fiangonana mba hiainana bebe kokoa ny Evanjelin’i Kristy, hoy Papa François. Tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena anefa izany, fa fanandratana ny hasin’ny maha-olona, fiarovana ny zo mety ho voahitsakitsaka ary fitadiavana izay lalana mba hahazoan’ny rehetra ny anjara masoandrony, ka hampanjaka ny fiadanana eto an-tany.
Izay te hanara-dia an’i Kristy amin’izany lalana izany anefa dia tsy maintsy mivonona hifanandrina amin’ny Farisianina sy ny Lohandohan’ny Mpisorona izay mbola manohy ny asany mandrakariva eo amin’ny tontolon’ny finoana, ny politika sy ny fiaraha-monina. Ho mpiara-mamory amin’i Kristy anie isika, mba hahatonga ny olombelona rehetra ho vahoaka tokana manaiky Azy ho Loha sy Filoha, Izy ilay tsy mitsahatra mamonjy ny olombelona, ary miantso ireo te ho mpianany hanohy ny asa efa natombony.