Sabotsy manaraka ny Lavenona
- Izaia 58,9b-14
- Salamo 85
- Md Lioka 5,27-32
Mitohy ny fampianaran’i Izaia manoro ny fomba hiainana ny fifadian-kanina araka ny sitrak’Andriamanitra: manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny hafa, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, mizara ny foto-pivelomana (aina, nephesh=נֶפֶשׁ) fa tsy ny ambin-tsakafo ho an’ny noana, mamelona ny fanahy miferin’aina dia ho tonga fahazavana hamirapiratra ao amin’ny haizina…
Ny tapany faharoa amin’ny vakiteny voalohany dia manampy antsika handinika ny fomba fanamasinantsika ny andro fitsaharana na שַׁבָּת (shabbāth). Manao tsidi-pahitra amin’ny lamesa ve no atao hoe mankamasina ny alahady? Dia rehefa avy eo azo laniana amin’ny fialam-boly hafa rehetra ny tontolo andro? Izany ve no maha fahafinaretana sy maha mendrika hohajaina izany andro izany? Raha ny tena marina, ankoatra ny fanajana ny zon’ny olona sy ny biby mba hiala sasatra dia fahatsiarovana ny Paka mandrakizay ny Fiangonan’alahady, ka hamolahan-tena sao sanatria ny fiahiana izao fiainana izao sy ny hafinaretany no mahazo laka ka adino ny mandrakizay; sao sanatria ny fanarahana ny lalantsika no mibahana ka tsy hahita fahafinaretana ao amin’ny Tompo intsony, araka ny lazain’ny Mpaminany. Ny Lamesa araka izany dia santatra ambavaranon’ny mandrakizay, ka raha avy mamonjy lamesa no lasa miliba amin’ny hafinaretan’ny tany dia hanao zavatra mifanipaka ihany. Raha tsy mahafeno fatra ny hafaliantsika ny fiangonan’alahady dia misy zavatra tsy mbola lavorary ao izay.
Tsy zavatra vitan’ny olona amin’ny heriny samirery anefa izany ka izany no mahatonga ny salamo hamerimberina fa Izy Tompo no antsoina sy hifikirana isan’andro. Avy Aminy ny fahasoavana rehetra hahafahana misantatra ny hamamin’ny Fiainana mandrakizay.
Manamafy izany ny Evanjely. I Levî (לֵוִי= voafatotra, raikitra eo amin’ny famoriana hetra, mifikitra amin’ny seza) no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy. Nahatsapa izany ilay nitantara ka niaiky fa fanomezan’Andriamanitra ny fiainany (Μαθθαῖος, Matio). Hafaliana ny fibebahana toy izany ka mazava loatra fa any amin’ny fiaraha-misakafo miaraka amin’ny havana aman-tsakaiza no niafarana. Ho an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia efa voafaritra ny olom-boavonjy: izay manaraka ny toromarika avy amin’izy ireo. Ny sisa kosa dia mpanota ka na ny mifampikasokasoka aminy aza fadiana sao ho voatarika any amin’ny haizina miaraka aminy.
Raha ny soa ho an’ny hafa anefa no be ao am-po, araka ny lazain’i Izaia Mpaminany, dia hamiratra toy ny mitataovovonana ny haizina. Tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano raha sokafana amin’ny alina ny varavaran’ny trano misy jiro mirehitra fa ny hazavana no mivoaka ka hahasoa ihany koa izay mila izany any ivelany. Hazavana hanilo ny haizina i Jesoa ka hafaliana ho Azy ny fibebahan’ny olona iray. Tsy vitan’ny tsy mifady hanina manko i Jesoa sy ny Mpianany (vakiteny omaly) fa mbola mihinana miaraka amin’ny mpanota koa…
Izay antsoin’i Jesoa ka manaraka Azy dia hampiantrano Azy ao an-tranony, handray Azy ao am-po ka hanaiky hovàny hatrany amin’ny atifanahy lalina indrindra.
Raha tsy hafaliana ho antsika ny mahita ny hafa miova toetra ka mahafoy ny famorian-ketra mba hitoriana ny Evanjely (hanolotra ny fiainana ho fanomezana ho an’ny hafa) dia tsy afaka ny handray anjara amin’ny hafalian’ny lanitra isika na dia hifady hanina mandrapahafaty aza. Angatahontsika ary ny fahasoavan’Andriamanitra mba hahafahantsika mifaly amin’ny famonjeny antsika aloha, ary hifaliantsika koa amin’ny famonjena tiany ho an’ny olombelona rehetra ka iantsoany antsika tsirairay avy mba hitory izany.