Sabotsy III ny Paka
- Asa 9,31-42 /
- Salamo 115
- Md Joany 6,61-70
Taorian’ny fibebahan’i Saoly dia niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy Galilea ary Samaria. Ny fankaherezan’ (παράκλησις – paraklèsis) ny Fanahy Masina moa no nampandroso azy ireo tamin’ny fahatahorana ny Tompo, izany hoe tamin’ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Noraisin’ny Apôstôly, fa indrindra i Piera, ho adidy ny fankaherezana ny Mpianatra rehetra isan-tanàna. ἅγιος (hagios), olomasina moa no teny ampiasain’i Md Lioka hiantsoana azy ireo na dia mpianatra aza no nandikana izany amin’ny vakiteny hitantsika eo. Lazain’i Lioka fa nandeha namangy ny tao Lidà koa i Piera. Λύδδα (Lydda) moa, amin’ny teny hebrio dia לֹד – Lôdh, azo adika hoe fifandirana, fivakisana. Ireo toerana toa misara-bazana noho ny tsy fitovian-kevitra dia novangian’i Piera koa satria tao amin’izy ireo dia nisy an’i Enea, Αἰνέας (Aineas), Mendrika hohajaina. Ny fahasitranan’io lehilahy io no nampibebaka ny tao Lidà sy Sarôna (שָׁרוֹן – Shārōn, tany lemaka) manontolo.
Ny tany Jôpe indray kosa, nisy an’i Tabità, Dorkasy, Gazela izay maty fa tsaroan’ny olona tamin’ny soa amam-piantrana betsaka vitany. Mazava loatra fa mampitomany, ary ny sasany aza tonga teo nampiseho ny lamba aman’akanjo notenominy fahavelony. Taorian’ny fahafatesana dia nampiakarina tao amin’ny efitrano ambony izy, ilay ὑπερῷον (hyperôon), efitrano nivorian’ny Apôstôly sy Masina Maria nivavaka eo am-piandrasana ny fidinan’ny Fanahy Masina (Asa 1,13), tsy toeran’ny fitomaniana fa fitoeran’ny hafaliana, ka tsy maintsy navoaka (ἐκβάλλω – ekballô, natsipy any ivelany) izay nitomany. Io efitrano io no fankalazana ny Eokaristia.
Ambaran’i Lioka fa ny Mpianatra, entanin’ny Fanahy Masina dia manohy ny asa nataon’i Kristy (Lk 7,13-15), amin’ny fanomezana ny aina ka hanehoana amin’ny rehetra ny fahaveloman’ireo izay nandray ny Teny ka nitandrina azy. Natolotr’i Piera velona (ζάω – zaô) tamin’izy ireo i Dorkasy. Io no mbola tohizan’ny Papa amin’ny antsointsika hoe “Béatification” sy “Canonisation”. Fankalazana ny fahaveloman’ireo havantsika efa nodimandry eo anatrehan’Andriamanitra ny fahatsiarovana azy ao amin’ny Eokaristia.
Manoloana ny asa maro ataon’Andriamanitra amintsika, hoy ny Salamo, dia ny fanefàna ny voady natao tamin’Izy Tompo, eo anatrehan’ny vahoaka no fisaorana Azy. Sorom-pisaorana no atolotra Azy. Ampahatsiahivin’i Papa François antsika fa ny valin-teny voalohany mendrika ny fiantsoan’Andriamanitra dia ny fahaiza-mankasitraka (gratitude, hafatra amin’ny andro hivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra 2020). Isika manana ny hira hoe: “Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo Nahary”, izay mitia amin’ny fomba manokana ny zanany rehetra.
Ny Evanjely, mamarana ny toko faha 6 (Jo 6), dia milaza ny fimenomenoman’ireo izay tsy te hiditra amin’ny mistery sy lôjikan’ny Eokaristia: sarotra izany teny izany fa iza no mahahaino izany? Sarotra, na ny marimarina kokoa “mafy” (σκληρός – sklèros) satria mitaky fiovana tanteraka. Tsy ny teny anefa no mafy fa ny fo mandray azy. Ary na ny mpianatra aza dia fantatr’i Jesoa fa tafintohina, diso fanantenana satria nihevitra zavatra mandeha ho azy, kinanjo tojo ny tsontsori-mamba hisarahana. Ny fahitana ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha anefa no fanafintohinana lehibe indrindra. Ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana no niakarany any amin’ny voninahitra maha zanaka azy. “nanantena izahay, kanjo indro fa novonoina izy”, hoy ireo mpianatra nitsoaka tany Emaosy.
Tsy ny fahitan’izy ireo ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa anefa no tokony hitokisan’izy ireo fa ny Fanahy loharanon’ny fiainana. Tsy afaka hanome azy ireo ny Fanahy anefa i Jesoa raha tsy miakatra eo an-kavanan’ny Ray. Ambaran’i Joany fa Izy nanondrika ny lohany, teo ambony Hazofijaliana no nanome ny Fanahy (Jo 19,30). Io Fanahy io no nolazainy fa hampianatra sy hampahatsiaro antsika ny fampianarany rehetra (Jo 14,26). Ny herin’io Fanahy io no hahafahantsika mandray ny Teniny, ka hanilo ny diantsika ho any Aminy. Fanomezan’ny Ray ny Fanahy ka tsy misy afaka manatona an’i Jesoa, araka izany, raha tsy mandray io Fanomezana io avy amin’ny Ray.
Ny fandraisana ny Fanahy dia midika ho fanovana ny fiainana hifanaraka amin’ny Hazofijaliana. Tsy mahagaga raha “maro” tamin’ny mpianatra no nihemotra, niverin-dalana. Manoloana ny Lakroà, manoloana ny fijaliana sy ny fanoloran-tena hatramin’ny farany takian’ny fitiavana, no hahitana izay tena Mpianatra marina.
Izay tsy mahita ny Tenin’ny Fiainana ao amin’ny fampianaran’i Jesoa dia mazava loatra hitady teny hafa hanalany alahelo any an-kafa. Izay mahatsapa kosa ka nanandrana ny hamamy sy ny halalin’ny fitiavan’ilay tsy mivadika mandrakizay, ka mino sy mahalala ilay Masin’Andriamanitra, dia tsy handraraka ilo mby an-doha, fa hitozo, hizotra ny lalana sarotra sy mideza, varavarana ety, hidirana amin’ny fiainana amin’ny fandavan-tena, fitondrana ny hazofijaliana sy ny fanarahan-dia an’i Jesoa isan’andro.
Handresy ny hery aelin’ny hevi-diso rehetra anie isika, ka hahatahiry ny fahasoavana avy amin’ny tsodranon’Andriamanitra, hahafahantsika ho tody soa any amin’ny soa omeny mandrakizay.