SABOTSY III KAREMY
- Osea 6, 1-6/
- Salamo 50/
- Md Lioka 18, 9-14
“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny sainao manontolo”, hoy i Jesoa (Evanjely omaly Mk 12, 28b-34). I Osea Mpaminany dia efa niantsoantso izany koa: “Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala ny Tompo, fa ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana”.
Tsara ny mahatsiaro fa ny olona tsirairay dia miezaka ny hanahaka mandrakariva ny “andriamanitra” tompoiny. Izay heverintsika ho “andriamanitra”, ho “harena” faratampony no hirinan’ny fontsika. Ny fahalalàna an’Andriamanitra marina araka izany dia manova koa ny fomba fiainantsika. Raha Andriamanitra mpamindra fo no tompointsika dia Famindram-po no hiezahantsika hiainana; raha Andriamanitra Masina no tompointsika dia fahamasinana no iezahantsika; kanefa raha fitiavam-bavaka tahaka ny rahona maraina kosa no fomba hanompoantsika an’Andriamanitra, levona vetivety, hoy Osea Mpaminany, dia mazava loatra fa tsy haharitra koa ny fiezahantsika ho masina tahaka Azy.
Raha heverintsika ary fa ny andriamanitsika dia andriamanitra mpanome valisoa izay mendrika ary mpanasazy izay nahavanon-doza, mazava loatra fa izay mety ho fahamarinantsika (tsy mangalatra, tsy mijangajanga, mifady hanina, mahavita adidy…) dia ampy hireharehantsika satria andriamanitra hamaly soa antsika na farafaharatsiny hahay hanome antsika ny toerana tsaratsara kokoa hono ny hafa. Ary tsy vitan’izany fa izay tsy mahavita toy ny ataontsika dia heverintsika ho olona tsy misy ilàna azy (rakà), efa very any amin’ny afobe, “tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra” (Sal 3,3). Dia ahoana ary ny andraisantsika ny filazan’i Md Paoly hoe “tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika no namonjeny antsika, fa noho ny famindram-pony, tamin’ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina” (Tito 3, 5)?
Tsy ny Farisiana (Φαρισαῖος, פָּרַשׁ parash: manavaka, manasaraka) ihany no nanasaraka sy nihevi-tena ho ambony noho ny hafa, fa na ankehitriny izao aza, dia be dia be ny olona voahilikilika satria tsy tsara fitondran-tena, satria tsy mahavita adidy, satria tsy milamina ara-tokan-trano (mpijangajanga), ary ao kosa ireo “manokana ny fiainany manontolo” hanompoana an’Andriamanitra sy ny fiangonana, ka afaka manao izay tiany hatao satria “manan-jo” ho tompon’andraikitra. Tsy midika izany hoe azo omena andraikitra daholo ny olona rehetra ka hieritreritra tahaka ny mpanao politika italiana iray izay hoe atao “tsabo sivy” ny fifidianana ka izay voatsapaka no asaina hitondra. Eo amin’ny fandraisana andraikitra no tena hisehoan’ny avonavona sy ny fifanambaniana (sy fifanaratsiana) matetika saingy tsy izay loatra no resahan’ny Evanjely anio: ho an’ireo matoky tena ho marina ka manebaka ny namany. Inona anefa no azontsika hireharehana eo anatrehan’Andriamanitra? “Fa ao anatiny ho ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary hiainantsika” (Asa 17, 28). Toy ilay aviavy nambolena eo an-tanim-boaloboka ihany isika, tsy mikarakara tena fa ny tany sy ny mpamboly no manome ny tsiro hamokarana sy hitondrana voa, na dia tany tsy natao ho an’ny tena aza no haniriana.
“Sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5, 3). Izay mihevitra ny tenany ho mpanan-karena dia tsy hiraharaha izay zavatra omena maimaim-poana. Hitovizana amin’ny mahantra manko izany. Ny miavaka no tiany. Tsy afaka ny handray intsony ny fahasoavan’Andriamanitra izay efa feno ny fiavonavonana, ka manadino fa izay rehetra ananantsika dia fanomezany avokoa (1 Kor 4, 9). Raha hidera an’Andriamanitra sy hisaotra azy tokoa moa no hatao any an-danitra, inona no hataon’ity farisiana ity any? Hidoka ny tenany? Tsy mamporisika ny olona hilomano ao anatin’ny fahotana sanatria i Jesoa. Mazava ny teniny tamin’ny Evanjeliny (Lk 13, 1-9 Alahady III D): “raha tsy mibebaka ianareo dia ho very avokoa”. Ambarany kosa anefa fa ny fahamarinana dia tsy vokatry ny ezaka ataon’ny olombelona fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra.
Izay miezaka hahafantatra an’Andriamanitra ary, araka ny fampianaran’i Osea, dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eksaody 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo izy (רַחוּם raHùm) fa tsy afaka ny ho faly raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן Hannùn). Ary izay zanany (izay te handova ny Fanjakany, satria ny zanaka ihany no mananjo handova) dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, tsy afaka ny hanavakavaka tahaka ny Farisiana (Φαρισαῖος, פָּרַשׁ parash: manavaka, manasaraka) fa tsindrian-daona kosa, hitazantazana, manantena ka miandry ny hiverenan’izay nisintaka tsy te hivelona ao an-tranon-dRay (Evanjely Alahady IV Laetare D).
Ny fahasoavan’Andriamanitra no hahazoantsika mankalaza ny Paka isan-taona (vavaka Fanolorana) ary ny firaiketam-pontsika amin’ny sakramentan’ny Paka kosa no hahazoantsika voka-tsoa feno (Fangatahana). Tsy hanadino ny soa nataon’Andriamanitra amintsika anie isika ka tsy ho sasatra ny hisaotra azy (tononkira fidirana Salamo 102).