Sabotsy II Paka
- Asa 6, 1-7
- Salamo 32
- Md Joany 6, 16-21
Tahaka ny fiaraha-monina rehetra ihany moa ny Fiangonana, ny fitomboan’ny isa mampitombo koa ny fahasamihafana, mampitombo ny mety ho fiovan’ny fomba amam-panao, izay manaraka ny fahazaran’ny maro an’isa mazana. Mampalaheo sady mahamenatra anefa raha misy atao zanak’ikalahafa. Dia izany no nitranga tao Jerosalema. Tsy voakarakara ny mahantra avy amin’ireo Helenista (Grika na ny marimarina kokoa jody niteny grika). Teo anatrehan’izany anefa dia hain’ny Apôstôly ny nandrindra ny Fiangonana, nanolotra hevitra mba ho voahaja ny laharam-pahamehana eo anivon’ny Eglizy: “Tsy mety raha ilaozanay hitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra”.
Mampalahelo fa tsy azontsika indraindray ny haren’io fampianarana io. Firifiry ny mpitondra sy tompon’andraikitra (ary ny pretra sy eveka aza voasaringotra indraindray) no mandany fotoana amin’ny resa-bola sy fitantanana ka tsy misy fotoana ho amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra intsony eo anivon’ny Fiangonana. Mila tarafina mandrakariva avy amin’io fampianaran’ny Apôstôly io ny fomba fiainan’ny Fiangonana sy ny Paroasintsika rehetra any. Fampianarana sy fivavahana ve no hitadiavantsika ny Dimbin’ny Apôstôly sy ireo iraka misolo tena azy, sa sanatria ny resaka sakafo tsy voazara araka ny tokony ho izy? Misy toerana handinihana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra ve amin’ny andavan’androm-piainantsika, na farafaharatsiny hahay, amin’ireo fotoana atokantsika hiainana any am-piangonana sy any amin’ny fikambanana masina, na ny fotoana heverina hatokana ho amin’ny fivavahana ao an-tokantrano? Afaka mikely aina amin’ny Fivavahana sy ny fitorian-teny ny Pretrantsika raha ampiantsika amin’izany izy ireny.
Fampianarana hafa koa: manamarika ny fivelaran’ny Fiangonana ny fanomezana andraikitra olona ivelan’ny kolontsaina ebrio, ny fifidianana ireo fito lahy (helenista) nametrahan-tanana mba hikarakara ny fitantanana. Ireto ny arofenitra napetrak’i Md Lioka: tsara laza, feno ny Fanahy Masina sy fahendrena. Tsy ny olona rehetra no azo anankinana ny zavatra rehetra. Izany fifidianana ny olona afaka hiandraikitra zavatra izany dia tsy tokony hataotao foana na sanatria atao amin’ny kiantranoantrano. Fanajana ny Fanahy Masina ihany koa ny fanokanana ny olona nomeny fahasoavana mba hanao izay hainy atao.
Tsy ny tanan’ny Apôstôly fa ny tanan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny Apôstôly no mikasika ny lohan’izay hohamasinina, hoy i Md Jean Chrysostome. Ny Fitorian-teny sy ny fitsinjovanana ny mahantra no “la voie”, lalana hielezan’ny Tenin’Andriamanitra sy maha-maro ny mpino.
Tsy dia mifanalavitra amin’ny fiainantsika izao ny fitantaran’i Joany ireo Apôstôly izay lazain’i Md Marka moa fa tsy nahazo na inona na inona momba izay fampianaran’i Jesoa momba ny mofo (Mk 6, 52), ny hitady mpanjaka “hanova ny vato ho mofo” ka tsy hiasana intsony no masaka tao an-tsain’izy ireo, na dia mpanjaka hanao didiko fe lehibe aza izany tsy mampaninona rehefa voky ny kibo (1 Sam 8, 1ss; Mpitsara 9, 7-15).
Tsy izany anefa no hevitr’i Jesoa. Tsy ny hihinana ka ho voky no sitrany fa ny hihinana ka hahatsiaro fa tiana ka ho afaka mitia ihany koa. Izay no lalànan’ny Eokaristia. Ireo Apôstôly azo heverina fa nitondra ny sobika 12 niondrana niaraka taminy, mofo mety nampavesatra ny sambo izay natopatopan’ny onja nandritra ny alina. Mampandinika ihany, ary azo heverina fa manampy amin’ny fahazoantsika ny hevitry ny fisaorana (εὐχαριστέω eucharisteo) amin’ny famakiana ny mofo izay nataon’i Md Paoly tamin’ny nitondrana azy gadra tamin’ny sambo nitondra vatsy (Asa 27, 34-37).
Ny fiainantsika no tian’i Joany ambara an-tsary amin’ity fiampitana an-tsambo ity. Ao anatin’ny sambo iray isika, omen’i Jesoa ny mofo amby ampy hahatongavana eny am-pita, nangoniny mba tsy hisy ho very. Nofenoiny ny mofom-pitiavany ny tany, ary tsy misy fomba hafa hahafahantsika mahita Azy afa-tsy amin’ny fahaizana mizara ny mofo, manolotra izay kely ananana mba hahafahan’izao tontolo izao misaotra an’Andriamanitra.
Tsy ilaozan’ny rivo-mahery mitsoka mampisamboaravoara azy ny Eglizy. Rehefa alina ny andro dia manonja ny ranomasina. Manonja moa no nandikàna ny hoe διεγείρω (diegeiro), fa raha ny marina dia hoe “nifoha indray” ny ranomasina. Rahefa manadino isika fa miaraka amintsika ny hazavana ka sanatria handrindrina ny varavarantsika mba tsy hidirany, tsy hikolokolo ny fihaonana Aminy, dia ho tonga ny alina ka ny haizina no handrakotra ny fiainantsika ary tahaka ny zanak’Israely niala tany Ejipta ihany isika: halahelo ny vilany feno hena ka hanadino ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy ireo. Hifoha indray ny herin’ny ratsy, ny fakampanahy isan-karazany izay hampiroaroa saina ka handaniana ny mondron-kery. Eo ny fakampanahin’ny samy maka ho azy, ny rivotra maherin’ny fitiavan-tena sy ny fitadiavam-boninahitra, fa izay mahatozo mamoy, manaiky hateraka indray avy any ambony amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia hahita an’i Jesoa, hahafantatra fa tsy lavitra antsika Izy, eny fa na dia mety hoe “matory ao an-tsabokely” aza (Mk 4, 38).
Raha azontsika fa ny fitàna nataon’ny Apôstôly dia ny fiampitantsika avy amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana ho any amin’ny Fiainana, ho any Kafarnaoma, ampiasain’i Joany eto mba hilazana ilay “tananan’ny Fanalana alahelo” (כֹּפֶר kaphêr + נַחוּם NaHum). I Jesoa izay niakatra any amin’ny Ray, toa tsy miara-miondrana amintsika intsony ao an-tsambo dia tsy mitsahatra mamelona antsika amin’ny alalan’ireo Apostoliny sy ny dimbiny izay tsy sasatra ny mizara ny “mofon’ny fiainana”, hahafahantsika matoky ny fitiavany ka hisaorana an’Andriamanitra mandrakariva noho izany. Toky ho antsika ny filazan’i Md Piera hoe “Tsy mety raha ilaozanay hitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra”.
Ny fahatsapantsika ny maha-eo an’i Jesoa no manesotra ny tahotra, ka hahafahantsika mino marina tokoa fa ny fahafatesany tamin’ny hazo mahafa-baraka, ny fiakarany samirery teny an-tendrombohitra no lalana niverenany any amin’ny voninahitry ny Rainy. Tsy afaka ny hisafidy lalan-kafa izay te ho mpianany, ary izay te hanaraka Azy ho any amin’ny fiainana dia tsy afaka hisafidy afa-tsy ny fanolorantena mba ho tiana sy ho tia. Izany no misterin’ny Eokaristia izay dinihin’ny Fiangonana amin’ity herinandro miditra ity.
Hahazo ny fahafahana marina sy ny lova mandrakizay tokoa anie isika zanaka nateraky ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ny finoana an’i Kristy (Vavaka fangatahana).