Sabotsy II Karemy
- Mikea 7, 14-20/
- Salamo 102/
- Md Lioka 15, 1-32
Rahefa hifanehatra amin’Andriamanitra ireo nahavanon-doza taminy, inona no ataony? Ny vakiteny anio no mamaly izany fanontaniana izany. Ambaran’i Mikea Mpaminany fa Andriamanitra mpamela heloka ny Andriamanitr’Israely. Mikea Mpaminany mamarana ny Bokiny (Mikea 7, 14-20) amin’ny vavaka fangatahana amin’YHWH mba hampiseho amin’i Jakoba ny fahamarinany, ary hampiseho amin’i Abrahama ny famindram-pony, amin’ny fanariana any anaty ranomasina ny fahotana. Izy irery ihany no Andriamanitra manesotra ny fahotana sy mamela fahadisoana, hoy ny Mpaminany.
Tsy ny mpanota no harian’Andriamanitra araka izany fa ny fahotana. Ny loza, hoy Md Augustin dia ny ampifangaroantsika ny mpanota sy ny fahotana, ka noho ny fankahalana ny ota dia mety ho azom-pakam-panahy koa hankahala ny mpanota, na noho ny fitiavana ny mpanota dia mety hivarilavo sanatria ao anatin’ny fahotana: ny mpanota avotana (tiavina) fa ny fahotana kosa ankahalaina (iadiana).
“Tsy araka ny otantsika no ataony antsika na araka ny helotsikano avaliny antsika”, hoy ny Salamo 102. Dia ahoana izany ny afobe? Tsisy voasazy intsony izany fa voavonjy daholo?
Miverimberina matetika izany fanontaniana izany. Tsy Andriamanitra no nandavaka hantsana hampisaraka an’ilay mpanakarena sy Lazara tany am-paradisa fa ny fomba fiainany isan’andro (Evanjely Akalamisy II), nihevitra ho ambony ka ny fanasana sy ny fihinananm-be, ny akanjo lafovidy sy ny rendrarendra no nimasohany. Tsy Andriamanitra no hanasazy ireo nanankinana ny foto-boalobony fa ny nenina rehefa hahita ny hafa mampamokatra ny fanjakan’Andriamanitra. Fanomanana ny fiainana mandrakizay ity fiainana ity, ka ny akofa paohin-drivotra dia tsy maintsy hariana, ny vokatra kosa angonina any an-tsopitra. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny mampisy lanjany ny fiainany eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hanenenany mandrakizay, rehefa ho avy ny andron’ny am-pamoaka. (Dia antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy izany nenina mandrakizay izany).
Ny Evanjely kosa, izay Evanjelin’ny Alahady faha-efatra amin’ny Taona D, dia mitantara ilay zaza mpandany, na ny marimarina kokoa, ilay “Ray mpamindra fo”. Lazain’i Md Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Araka ny Boky Levitika (Lv 25,23) dia tsy amidy ny tany, fa ny fanana kosa dia ny 2/3 an’ny lahimatoa (Dt 21, 17), ary tsy afaka mahazo ny lova ny zanaka raha tsy maty ny raiamandreny. Nolazain’i Lioka araka izany ary fa tsy fitakiana ny anjarany fotsiny ny fitakiana ny lova eto fa kosa ny faniriana te hihaina malalaka, tsy helingelenin’ny raiamanandreny efa heverina ho “maty”, manao an’Andriamanitra ho tsy misy izany. Ny ampahatelon’ny lova izany no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voatery hiandry kisoa izy, izay zavatra tsy azony atao akory araka ny Boky Levitika (Lv 11, 7) dia nahatsiaro fa ny mpiasan’ny Rainy aza mbola miadana noho izy: voky hanina.
Fantany fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany ny fitiavan’ny Rainy saingy tsy te hanararaotra izany izy. Raha araka ny lalàna dia afaka ny nandroaka azy ny rainy, afaka ny hanameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana. Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa anefa ilay zaza mpandany. Ilay rainy kosa, nahatazana azy vao lavitra, izany hoe tsy sasatra ny niandry ny hiverenany, ka honena (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai, raHan amin’ny hebrio), nididododo nitsena azy (niazakazaka: ny lehilahy lehibe tsy miazakazaka, mandeha miadana, mahamenatr’olona ny miazakazaka), ary namihina ny vozony (nianjera teo amin’ny vozony, izy no niantehitra tamin’ilay zanany satriny hijoro ho andry iankinany) ary nanoroka azy tsy ankijanona (καταφιλέω kataphileo). Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny ratsan-tanany, izany hoe naveriny taminy ny hasina maha-zanaka azy, nasiana kiraro ny tongony: tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka, olona afaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe tsy fety mahazatra fa fety lehibe.
Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, tsy te-hahalana intsony ny momba ilay zandriny: tsy rahalahiny intsony ho azy ilay zandriny. “Io zanakao io”, hoy izy tamin-drainy. Saingy ho an’ilay Ray be famindram-po, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany, na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana dia fahavelomana indray.
Hafaliana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ve ny fiverenan’ny zanany? Samy mandini-tena amin’izany isika satria voaantso mba hanahaka ny hatsaram-pon’ny Ray. Tiako koa anefa ny manamarika etoana, sao sanatria misy olona entanin’ny faniriana tsy hanorina fa handrava, hitsikera sy hanome tsiny fa tsy hitia sy hitady ny fomba handresena ny ratsy, ka sanatria hanome tsiny ny Fiangonana na ny Fikambanana amin’ny fangatahan’ny zanany sasany hiverina, tsy ho mpiasa fa mbola handany ny harena sisa tavela, mbola tsy azony tamin’ny fisintahany voalohany. Taratry ny fibebahana marina ny fanetren-tena. Hahay hibanjina izany endrik’Andriamanitra fitiavana izany anie isika ka hahay hiala amin’ny fanaranam-po mahazatra (vavaka fanolorana) ka hitombo fitiavana sy faniriana ny zava-tsoa mahatitra mandrakizay.
Ho zary hafaliana mandrakariva ho antsika anie ny fibebahana sy ny fiverenan’ny zanany hody ao an-tranon’ny Rainy.