SABOTSY II FIAVIANA
Ekleziastika 48, 1-4.9-11 /Sal 79 / Md Matio 17, 10-13
Sambatra izay hahita anao ary nodimandry voahaingon’ny fitiavana, satria azo antoka fa ho velona.
Ho an’Israely, tsy misy mpaminany lehibe toa an’i Elia ary nandrasan’izy ireo fatratra ny fiverenany mba hanomana ny fiavian’ny Mesia. Izay no nahatonga an’i Md Lioka hanamafy fa i Joany Batista no ilay Elia voatendry hanambara ny famonjena amin’ny fampitoniana ny hatezerana, amin’ny famelana ny hadisoana ka hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka (Lk 1, 17).
Ny dikan-tenin’ny salamo moa milaza hoe: Izahay tsy handao anao intsony fa velominao izay miantso ny Anaranao. Manahirana ihany satria sahala amin’ny hoe avelan’Andriamanitra ho faty any izany izay tsy miantso ny anarany sanatria. Raha ny marina, וּ dia midika hoe “avy eo dia”, [και amin’ny teny grika no nandikana azy], ka ny dikan-teny mahalaza ny hevitry ny salamo araka izany dia hoe: Velomy izahay dia hiantso ny anaranao. Izay velomin’Andriamanitra manko no afaka midera ny anarany, izay ampamirapiratany ny tavany ka mahazo ny famonjena no afaka mitory ny halehibeazany.
Ny Evanjely dia manamafy izany. Araka ny lovam-panahin’Israely, mifototra amin’ny faminanian’i Malakia (Ml 3,23) dia tsy maintsy ho avy Elia hanomana ny fiavian’ny Mesia amin’ny fampibebahana sy ny fampivondronana ny olona. Lazain’i Jesoa anefa fa nanaovan’ny olona izay sitraky ny fony izy. Tsy ny fibebahan’ny olona araka izany no niavian’ny Mesia, fa ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny famonjena antsika. Izay no nahatonga ahy nanatsidika teny aloha fa “hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka” no asan’i Elia. Tsy ny fibebahan’ny zanaka fa ny fitiavan’ny ray no toriany.
Indraindray, hoy ny Mompera Curé d’Ars miheritreritra isika fa tsy tokony handray komonio satria tsy mendrika. Tena marina fa tsy mendrika isika ary tokony hekena izany. Saingy ny handraisantsika an’i Jesoa dia satria mila azy isika. Tsy valisoa ho an’ny 99 tsy mila fibebahana tokoa manko ny Komonio fa fanafody manasitrana ny fon’ilay tokana nania lavitra ny vala. Tsy isika no mandray azy fa Izy no manao antsika eo an-tsorony, hoentiny ho ao am-bala.
Izany no ampahatsiahivin’ny Papa ny Pretra hoe : tsy valisoa ho an’ny olona lavorary ny Eokaristia fa fanafody mamimaim-poana ary tohan’aina ho an’ny osa (Evangelii Gaudium 47).
Ny fiomanantsika amin’ny fankalazana ny Noely anie hampibebaka ny fontsika ho afaka amin’ny haratsiana ka ho afaka hibanjina ny endrik’Izy Ray, Fitiavana.