Sabotsy I Mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 4, 12-16/ Salamo 18B/
- Ankasa 1 Samoela 9, 1-4.17-19; 10,1a/Salamo 20/
- Md Marka 2, 13-17
Tsy ny finaritra no mila mpitsabo fa ny marary: tsy tonga hiantso ny olomarina aho fa ny mpanota. Sarotra ny mahita izay endrik’i Jesoa moara-isakafo amin’ny mpanota izay, indrindra rehefa mahazo laka ka mibahana ao an-tsaina ny fiheverana fa avy nikonfesy dia mandry ny konsiansy, na dia tsy hanam-pikasana hibata ny fandriana akory aza fa hanohy hatory eo ihany, misy manko ny hanaovany kominio (tsy hiraisana amin’i Jesoa fa mba ho hitan’ny olona sy hampandry ny konsiansy) dia izay no antony hikonfeseny. Izay tsy mahita fa ratsy ary mitondra amin’ny fahafatesana ny fahotana sarotra ny hiadiany amin’ny fahazaran-dratsy, ary izay tsy manana tanjona hotratrarina koa, na ampahafantarina ny ratsy aza, hikiribiby hisafidy izany ihany, tonga ao an-tsaiko ny valintenin’i Samoela tamin’ny Zanak’Israely nangataka mpanjaka (1 Samoela 8, 4-7.10-22a).
Handeha hanao komonio ianao, hoy Md Jean Marie Vianney dia mahatsapa fa tsy mendrika, mpanota, ary marina izany. Saingy izay indrindra no hanaovanao Komonio satria mila azy ianao. Tsy midika anefa izany fa haninkanim-poana ny Komonio, sanatria. Tsy hanin’ny mpidonana-poana io, hoy Kardinaly Razafindratandra izay, fa hanin’ny mpanao zavatra. Ny olona raiki-tapisaka amin’ny fanangonan-karena (Levy, לָוָה lavah= miraikitra) dia nandao ny famorian-ketra ka nanaraka an’i Jesoa mba ho tonga fanomezana ho an’ny hafa (Matio). Ny fiaraha-misakafo amin’i Jesoa dia midika fanekena azy ho namana, ho mpiray petsapetsa amintsika. Midika ho fankatoavana ny antsony hanaraka azy. Tsy afaka ny hiray latabatra aminy manko izay tsy manam-paniriana hanaraka azy, izay mbola mifikitra amin’ny famorian-ketrany, na sanatria an’izany mbola miray tsikombakomba amin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka tsy te hifangaro amin’ny poblikana sy ny mpanota. Ny fiaraha-misakafo ho an’ny Jody (ary tokony ho antsika koa) dia fanamafisana ny firaisan-kevitra: “izay iray vatsy iray aina”.
Tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesoa araka izany izay tsy miray latabatra aminy, tsy miray aina aminy ka hihevitra ny hahavita tena ka tsy hivelona amin’ny Teniny sy ny Tenany: raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy.
Tsy mampivarahotsana an’i Jesoa ny haratsian-toetran’ny mpiray latabatra, eny fa na dia izay mpikiribiby amin’ny fahotana aza (ἁμαρτωλός). Lazaiko matetika ny hoe: izay manana ny hazavana ao an-tranony dia tsy matahotra ny hamoha ny varavarany ho an’ny hafa any ivelany na dia maizina aza ny andro, satria tsy ny haizina velively no hiditra fa ny hazavana no tsy maintsy mivoaka manazava ny any halantrano. Tsy ny fahotana no mifindra fa ny fahamasinana. Tsy ny tahotra ny fahotàna araka izany no tokony himasoana fa ny fikolokoloana ny fahamasinana.
Aleoko, hoy Papa François, mahita kristianina maratra nivoaka namonjy ny namana toy izay mahita ny sasany bobongolo mitafy ny fiatsaram-belatsihin’ny farisiana, mihiboka amin’izay mahazatra sy mampiadana azy. Izay manana an’i Kristy sy miara-misakafo aminy no manana ny fahazavana. Raha sanatria ary tsy izy no mampivondrona fa zavatra hafa na tombontsoa hafa, dia tsy hitondra fahazavana ho an’ny hafa na oviana na oviana isika fa hitondra hafafaham-baraka sy fanafintohinana aza, amin’ny fiheverantsika ny tenantsika ho mpianatr’i Kristy (kristianina).
Enga anie Izy Kristy mandrakariva no hampiombona antsika, indrindra rehefa tafaray hankalaza ny Eokaristia ka hiezahantsika hifanampy tokoa hanamasin-tena amin’ny anarany. Enga anie mba ho amin’ny anarany mandrakariva no hivondronantsika satria izay no sakramenta hahafahantsika mahatoky fa miara-misakafo aminy isika, ary izy no aina ivelomantsika.
Tsy ho sanatria an’izany ny vola sy ny famorian-ketra no hibahan-toerana ao amin’ny fiainan’ny Fikambanana Masina sy ny Fiangonana.