Sabotsy I Karemy
- Deterônômy 26, 16-19
- Salamo 118
- Md Matio 5, 43-48
“Tiavo ny fahavalonareo”. Ny Levitika (Lv 19, 18) dia mandrisika mba hitia ny namana, saingy noho ny fahasarotam-piaro nahazo an’Israely (Alarobia I Karemy) dia tonga hatramin’ny fankahalana izay mety tsy mitovy fisainana aminy ilay “vahoaka voafidy”: hiady amin’ny anaran’YHWH (Det 7,2; 20, 16). Ny Boky Eksaody anefa efa nanana ny fahendrena nihavahany: “raha hitanao mihonaka (voatsindry tsy afa-miala) ao ambanin’ny entany ny ampondran’izay mankahala anao, dia aza ilaozana izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany” (Eksaody 23,5). Ampahatsiahivin’i Jesoa antsika fa izay te ho mpianany dia tsy afaka ny tsy hanao soa. Amin’ny fitantaran’i Md Lioka moa dia averiny indroa ny fiantsoana hanao soa ka amin’ny faharoa dia tsy faritany intsony hoe amin’iza (Lk 6, 27.35): hitia ny fahavalo fa hitia koa ny olombelona rehetra.
Amin’ny dikanteny grika bizantina dia toy izao ny vakiny: “tiavo” (ἀγαπάω agapao) ny fahavalonareo, “ataovy tsara laza” (εὐλογέω eulogeo) izay manozona (καταράομαι kataraomai) anareo, “manaova soa” (καλῶς ποιεῖτε) an’izay mankahala (καλῶς ποιεῖτε) anareo ary “mivavaka” (προσεύχομαι proseuchomai) ho an’izay manompa (ἐπηρεάζω epereazo) sy manenjika (διώκω dioko) anareo. Ny Baibolintsika dia eo anelanelany eo, satria amin’ny dikanteny hafa dia milaza hoe : “Tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” fotsiny ihany (Aimez vos ennemis et priez pour ceux qui vous persécutent, Mt 5,44 TOB), tsy misy araka izany ilay hoe “manaova soa amin’izay mankahala”. Tsy mifanohitra tsy akory fa manampy antsika kosa hahazo ny hevitra tiana hahatongavana.
Ny vavaka moa dia sady fiomanana no fanohizana ny fitiavana: mivavaka isika mba hahalala izay zava-tsoa azo atao mba hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza. Fa mivavaka koa isika satria tsy afaka ny hiambo hahavita ny zavatra rehetra, ka mametraka izay tsy vitantsika eo am-pelatanan’Andriamanitra, hahatsapa fa ny hafa koa dia fitaovana sitrany hanehoana ny fitiavany, toa antsika. Tsy afaka misaraka ireo zavatra roa ireo ho an’izay tena tia. Izany fitiavana izany no lazain’i Jesoa fa maha-zanak’Andriamanitra. Zanaka moa izay taha-dray: “natahotra ny tsy ho zanaky ny dadany”, hoy isika rehefa mitovy amin’ny rainy ny zazakely. Ny fitiavana no hanahafantsika ny fahalavorarian’Andriamanitra (ny famindram-pony, arak’i Md Lioka). Izay tsy misafidy olon-ko hasoavina araka izany no manahaka Azy.
“Ny vato aza raha nahitan-tsoa hosora-menaka”, hoy ny Ntaolo. Ny mpanota, hoy i Jesoa, mamaly fitia izay mety nahazoany tombony na mety hahazoany valin-tanana. Ny Zanak’Andriamanitra kosa dia mitia (ἀγαπάω, agapao) maimaim-poana, tsy miandry valiny. Inona ny valisoa (μισθός, misthos) ho azo raha miandry valiny? Inona no fankasitrahana (χάρις charis no ampiasain’i Lioka) ho azo? Mila kolokoloina ny hafaliana amin’ny fanaovan-tsoa, hoy Papa François, raha tiantsika ny hitombo amin’izany fanahafana an’Andriamanitra izany. Sarotra ihany anefa izany satria ny tontolo iainantsika dia mifototra ihany koa (saika ny ankamaroany) amin’ny fandokadokafana mba hahazoana tombontsoa manokana.
Ohatra raisiko amin’izany ny ao an-tsekoly. Fijaliana ho ahy rahefa tonga ny fizarana valisoa (prime) ho an’ny mpianatra, satria ny zanak’i “Dada”, tsy manao afa-tsy mianatra sy tsy miferon’aina na amin’ny sakafo na amin’ny fitafiana na amin’ny fahasalamana ve no ampifaninanina amin’ ”Le Sabotsy” kely, sahirana ara-pitaovana, mampiasa ny sisan’ny zokiny na akanjo na boky, dia sady mianatra no mikarakara tokan-trano, zara raha mihinana ary na te hianatra aza, sady reraky ny asa no jenjin’ny setroky ny jiro petrôle… Dia iza no ampiana sy tohanana ary omena laza? Ny zanak’i Dada! Lavitry ny toe-tsaina Kristianina izany, nefa hita amin’ny sekoly katolika aza izany matetika. Ka tsy izay mahay sy hendry ve no omena sakramenta? Valin’ny fiezahan’izy ireo ve ny sakramenta sa tohan’ainan’ireo izay maniry ny ho lavorary, maniry hanahaka ny fahamasinan’Andriamanitra? I Jesoa rahateo nisafidy hiara-mihinana amin’ny poblikana sy ny mpanota! (Mt 9, 11).
Atao ahoana ny hitia tsy misy avakavaka raha mbola misy mahazo tombom-pitia? Dia mety hisy hamaly hoe: “ka Andriamanitra aza tsy nampitovy ny fanomezam-pahasoavana nomeny ahy sy nomeny ny hafa”. Marina izany, saingy ho Azy, tsy fahamboniana ny fahasamihafana fa fifampifamenoana. Izay mahatsapa izany dia tsy hirehareha na hampirehareha ny fahasamihafana ho fiamboniana fa hikatsaka hatrany (hivavaka) mba hahita izany fomba hanaovan-tsoa, arakarak’izany fahasamihafana izany.
Ny vakiteny voalohany anio moa efa manomana sahady ny fanekem-piavanana ataon’Andriamanitra amin’i Abrahama sy ny taranany. Saingy mampahatsiaro kosa ny adidin’izay nanapa-kevitra ho vahoaka masina ho Azy Tompo: hitandrina ny Didiny sy ny Lalàna amam-pitsipiny. Izany no fahasambarana, hoy ny Salamo (118).
Andeha isika hitalaho ny Fanahy maha-zanaka mba hitongilanan’ny fontsika amin’ireo toa niangaran’ny vintana ka miandry an-dRazanapitiavana hitondra famonjena ho azy ireny.