SABOTSY I FIAVIANA
Izaia 30, 19-21; 23-26/ Sal 146 / Md Matio 9, 35 – 10, 1.6-8
Ambaran’ny vavaka fangatahana anio fa ny hanafaka antsika amin’ny toe-pahotana no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, hiara-monina amintsika. Na dia hanome antsika ny mofom-pahoriana sy ny ranom-piahiahiana aza izy, dia hanome kosa ny mpampianatra ho hitan’ny maso sy ho ren’ny sofina, hanoro ny làlana hombana na hiankavanana na hiankavia.
Ny famantaranna lazain’Izaia dia nny hanomezan’Andriamanitra ny orana amin’ny voa afafy ka hampahavokatra mofo ny tany sy hampifahy ny biby fiompy amin’ny vilom-bary matsiro. Izany no tanteraka, hoy Izaia, amin’ny andro handringanana sy hianjeran’ny tilikambo. Tandindon’ny avonavona moa ny tilikambo, ka ny fietren-tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra araka izany no hahafahantsika mibanjina ny asany mahatalanjona ataony, dia izy ilay manarina ny ory sy mampihohoka amin’ny tany ny olon-dratsy (Salamo. 146).
Ao amin’ny Evanjely dia lazain’i Matio ny fomba entin’ilay Emanoela manesotra antsika amin’ny toe-pahotana, araka ny vavaka tetsy ambony: mitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra ary mamerina amin’ny laony indray ny simban’ny aretina sy ny rofy. Ny fahoriany (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai, Andriamanitra raHum ve Hanun) dia ny fahitana ny vahoaka toa ondry tsy misy mpiandry, tsy misy mpanangona.
« Ny vary hojinjaina be fa ny mpijinja no vitsy ».
Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina izany dia “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja: hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’ny Evanjely (Matio sy Lioka) fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny ἐκβάλλω (ekballo) izay midika hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (θερισμός therismos), amin’ny fanangonana ny olona rehetra ho ao antsopitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka satria tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitoriina fa fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany.
Ny fijinjana ankinina amin’ny mpianatra araka izany dia ny fitondrana ny famonjen’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Mba hanatanterahan’izy ireo izany dia ny fahefana nentin’i Jesoa nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra no nomeny ny mpianatra niaraka tamin’ny fahefana handroaka fanahy maloto. Io ilay fahefana. Ho entina mandresy ny ratsy amin’ny soa (Rom 12,21).
Izay mihevitra ny hamafy nefa tsy mbola nandray anjara tamin’ny fijinjana, dia tsy hamafy ny vokatra avy amin’ny Tompom-bokatra fa hamafy ihany ny vokatry ny avonavony sy ny fitiavan-tenany. Tadidiontsika ny lazain’Izaia tao amin’ny vakiteny I fa ny fotoana hianjeran’ny tilikambo no hampamirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra. Izay mandresy ny avonanona ihany no afaka handany andro hitady ny ondry very, ka eny am-pandehanana dia hilaza amin’ny olona ny fanjakan’ny lanitra.
Irahina hijinja amin’izay tsy namafazantsika isika mba hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja (Jn 3, 38). Izany hafaliana izany no valisoan’izay nanaiky handray ka hitory ny Evanjely. Ny fitoriana ny famonjena sy ny fitiavan’Andriamanitra no manasitrana kokoa noho ny fametrahana ny ratsan-tanana eo amin’ny ratra, noho ny tsy finoana (tahaka an’i Md Tomà).
Ho Apostoly mamafy hasambarana sy hafaliana tokoa anie isika, ka hahay hizara maimaim-poana sy am-pitiavana izay fanomezana noraisintsika avy amin’ny Ray dia Fanahy Masina.