Sabotsy fahefatra mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 13,15-21/ Salamo 22/
- Ankasa: 1 Mpanjaka 3,4-13/Salamo118/
- Md Marka 6,30-34
Niverina ny Apôstôly ka nitantara taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Amin’ny maha iraka dia tsy ny hahafaly ny tena no himasoana fa ny hanao araka ny baiko azo. Mampalahelo rehefa manoloana ny lehibem-pikambanana fotsiny ihany na manoloana ny pretra na ny eveka no hitantarana ny zava-bita ka adino ny miara-mitantara izay vita amin’i Jesoa ilay tokana maniraka ka hanadino fa ny iraka ampanaoviny no hivondronana, mety ho vokatry ny fanadinoana izany fiombonana ao amin’i Kristy izany no hitadiavana izay hahafalifaly sy ny hahazoana dera (filàna 19 hoy ny filaza) eo imason’ny olona fotsiny ihany. Firifiry ny faharavana aterak’izany eo anivon’ny Fiangonana.
Tsy vao voalohany no nolazain’i Md Marka fa tsy nisy fotoana hihinanan-kanina ny fikarakarana ny vahoaka ary izany aza no nahatonga ny havan’i Jesoa saika haka Azy, satria noheverin’izy ireo ho lasa adala Izy (Mk 3,20). Antsoin’i Jesoa “hitokana any amin’ny tany efitra (erèmos, désert)” anefa ireo mpianatra mba hiala sasatra. Ny antony dia mazàva: raha tsy mahay mitsahatra amin’ny fiasana be loatra ireo mpianatra dia ho moramora ny hianjerana ao anatin’ny tevan’ny “activisme” ka tsy ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra intsony no himasoana fa ny voninahitry ny tena na izay mety ho voninahitry fikambanana, ny paroasy, ny diosezy, ka tsikelikely dia ho very ny fitokisana amin’Andriamanitra, adino ny hafatry ny Mpaniraka mba tsy hitondra afa-tsy “tehina”, manambara ny herin’Andriamanitra izay naniraka. Mora foana ny mivarina amin’ny fitokisan-tena sy ny fitokisana amin’ny kajikajy ka hitady hevitra araka ny olombelona fa tsy araka an’Andriamanitra mba hoenti-manao zavatra hisehosehoana sy hahombiazana amin’ny maha olombelona. Ka raha mahomby manjary miavonavona, raha tsy mahomby mivarina ao amin’ny tevan’ny hakiviana.
Na inona na inona atao, raha tiana ny hahomby araka an’Andriamanitra (izay mazàna miafara amin’ny martiry fa tsy amin’ny fahombiazana araka ny kajin’olombelona) dia tokony handany fotoana “hitantarana” sy “hifandinihana” amin’i Jesoa isika mba hifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olombelona ny fanampahan-kevitra raisina. Marina fa vavaka ny fiainana ary ny fikarakarana ny mahantra, ny fanaovana asa sosialy sns dia fitaovana enti-mitory ny fanjakan’Andriamanitra, saingy raha tsy mahafoy fotoana hijanonana samirery miaraka amin’Izy Tompo isika, dia sarotra ny hahazoana hery sy faharanitan-tsaina tsy hikatsahana ny tombontsoan’ny olona fa ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy fitsoahana adidy anefa fa fanovozana hery ny fihatahana masina sy ny vavaka. Ireo Apôstôly nihevitra ny hiala sasatra dia tao an-tsambokely niaraka tamin’i Jesoa ihany no fotoana azon’izy ireo, satria vantany vao nihantsona ny sambokely dia efa niandry azy ireo ny vahoaka. Toa ny Mpampianatra koa, ny mpianatra dia voaantso hanana fo mangoraka (σπλαγχνίζομαι – splanchnizomai; splanchnon=raḥamîm: tranon-jaza; vakio Mk 1,40-41): hahita ny vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy ka hangoraka azy ireo.
Tahaka an’ireo nantsoin’Andriamanitra hamahana ny ondriny (jereo Ez 34,23; 37,24; Môizy ao amin’ny Fan 27,15-17…), i Jesoa sy izay te ho mpianany dia voaantso hitari-dalana ny vahoaka ho amin’ny vilo-maitso (Sal 22). Tsy mpitango ronono na mpitafy volonondry no hiantsoana ny mpiandry (Ez 34,1-11snm). Mampalahelo ny maheno ny fitakiana ny adidy amin’ny kristianina kanefa ny Mpiandraikitra eo anivon’ny Eglizy indraindray tsy mandini-tena akory raha nahavita na tsia ny adidy tokony ho natao tamin’izy ireny: fampianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny finoana, fanalàna hetaheta sy hanoanana ny vahoaka.
Hitako matetika ary lazain’ny olona koa indraindray ka mila dinihin’izay mihevitra hamaly ny antso amin’ny maha mpianatr’i Jesoa (tsy resaka pretra sy lahika manko izany fa fiainana amin’ny maha kristianina) ny tsy fahazakana intsony ny resa-bola eo anivon’ny Fiangonana. Sarotra tokoa manko raha ny vahoaka mikarama 5000 ariary isan’andro no itakiana adidy (inona moa no vitan’izay raha manana vady aman-janaka!) kanefa ny mpiandraikitra sy ny mpitaky adidy sasany manam-bola hodorana amin’ny toaka sy ny sigara, amin’ny hafinaretana sy amin’ny zavatra hafa izay tsy mifanaraka akory amin’ny fitondran-tena kristianina aza indraindray!
Ny tsirairay no mandinika an’izay tokony ho vitany mba ho fampianarana zavatra betsaka, hitondra ny olona amin’ny fahavelomana no handaniana mondron-kery fa tsy sanatria ady amin’ny mpiandry na amin’ny ondry andrasana tsy nahavita ny adidiny.