Sabotsy fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa Eklesiastika 51, 12-20/Salamo 18/
- Ankasa Joda 17. 20b-25/Salamo 62
- Md Marka 11, 27-33
Avy aiza ny Batemin’i Joany?
Eto no hanomboan’ny fifamaliana dimy hanehoan’i Jesoa ny fahefany: eo ny tsy fivadian’Andriamanitra manoloana ny fanoharana ny amin’ny mpamboly voaloboka mpamono olona (Mk 12, 1-12); ny fahafahana maha-zanaka anoloran’ny olona ny tenany amin’Andriamanitra manoloana ny hetra aloha amin’i Sezara (Mk 12, 13-17); Izy ilay Andriamanitry ny velona, manangana ho amin’ny fiainana mandrakizay (Mk 12, 18-27); ka ny tia azy amin’ny fo manontolo no didy lehibe indrindra (Mk 12, 28-34); izy no Tompo, dia ilay zanak’i Davida (Mk 12, 35-37).
Ireo no fiafaran’izay efa nolazain’i Md Marka any amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny (Mk 2, 1 – 3,6). Eto i Jesoa dia mampianatra antsika fa izay tsy te hikaroka ny marina, dia mazava loatra fa tsy te hanaiky koa ny marina sao voatery hino.
Mandehandeha (niasa dia) teo an-tempoly i Jesoa. Andro fahatelo, talata araka ny fitantaran’i Marka. Io no andehanany farany ao, ka mampisy heviny ny resaka rehetra tantarain’i Marka amin’ny toko faha-12 sy 13 izany. Ny andro manaraka Izy hanolotra ny Tenany ao amin’ilay Efitrano ambony mba hahafahany miara-monina amin’izy ireo mandrakizay.
Ny lohandohan’ny mpisoronaizay manambara ny fahefana ara-pivavahana, ny Mpanora-dalànamaneho ny fahefana ara-politika ary ny Loholona izay manapa-kevitra amin’ny sehatra ara-toekarena no manatona an’i Jesoa ka manontany Azy. Ny lehibe mpifehy ny tany no mivondrona mba hanohitra Azy Tompo (Sal 2,2; Asa 4, 26ss).
Fahefana avy aiza no hahafahany manadio ny Tempoly? Izay no fanontaniana napetrak’izy ireo. Fa mila fahefana avy aiza moa vao afaka manao soa? Impiry no mitranga ny fanontaniana toy izany. Rehefa tsy afaka mahita ny soa ataon’ny hafa isika, dia mety ho azom-pialonana, ka hanamarin-tena amin’ny andraikitra heverina fa tsy manandrify ny hafa. Na ny Apostoly aza, lazain’ny Evanjely fa nahita olona nandroaka Demony tamin’ny anaran’i Jesoa dia noraràny satria tsy namany.
Mampalahelo raha sanatria ny olona manampy antsika amin’ny asa anirahana antsika indray no sakanantsika sy tezerantsika satria tsy namantsika. Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika, hoy i Jesoa (Mk 9, 38-40). Fahefana avy aiza no hahafahana manao soa? Fahefana avy aiza no hahafahana mampahatsiaro ny Lalàn’Andriamanitra? Fahefana ve izany sa adidy?
Izay tsy hino fa avy amin’Andriamanitra ny antso nataon’i Joany ho amin’ny fibebahana dia tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fiainam-baovao hahafahana midera an’Andriamanitra ao an-Tranony izay trano natao hivavahan’ny olon-drehetra.
Ny tsy fitenenan’i Jesoa, ny fahanginany manoloana ny lainga avalin’ireo tsy te hibebaka, dia entiny hanehoana amintsika ny fara-fitiavan’Andriamanitra, fahanginana hanajany ny fahafahantsika sy ny hamafin’ny fontsika, fa fitiavana kosa hahafoizany ny ainy mba hahafahantsika mitoky amin’izany fitiavany tsy mivadika mandrakizay izany.
Hahay hankafy ny marina anie isika na iza na iza miteny azy, ary hahay koa hankato ny tsara na iza na iza manatanteraka azy.