Sabotsy fahatelo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 11,1-2.8-19/Lioka 1,69-75/
- Ankasa: 2Samoela 12,1-7a. 10-17/Salamo 50/
- Marka 4,35-41
Nony hariva ny andro dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.
Ny andro nampianaran’i Jesoa ny mpianatra mikasika ny herin’ny Teny ihany io. Amin’ny andro amafazana ny Teniny ao am-pontsika no hampanonja ny ranomasina ka tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra matotra. Atoron’ny Salamo isika hoe “hihaino ny feony ianareo anio ka aza hamafisina ny fonareo” (Sal95,7-8). Tsy afaka ny handresy ny tahotra sy ny fisalasalana tokoa manko raha tsy atrehina ka ezahina fantarina ny antony mazava. Ahafahantsika mahazo ny tian’ny Evanjely ambara anefa ny antsipirian-javatra hita amin’ny fitantarana ny Evanjely.
Misy olona hahazo tory eo ambony sambokely atopatopan’ny onja ve? Ary raha hariva ny andro ka efa reraka i Jesoa, nahoana no tsy nijanona natory tao Kafarnaôma fa mbola nilingilingy hiampita ny ranomasina amin’ny andro alina? Antsipiriana fitantarana entin’ny mpanoratra manokatra ny masontsika ireny, hanakarana fa tsy fitantarana ny zava-misy fa fampianarana teôlôjika ny Evanjely, manampy antsika hahazo ny fampianaran’ilay Mpampianatra rehetra tojo ny tranga mitovy amin’izany isika. Ndeha àry ezahantsika hotakarina ny hevitr’ity Evanjely ity.
Hariva ny andro. Io ilay hariva hanoloran’i Kristy ny tenany ao amin’ny Eokaristia sy eo amin’ny Hazofijaliana, fa hariva handraisan’ny Mpianatra Azy ho eo an-tsambokely araka izay maha izy azy (tamin’izay no nandikana azy). Ny hoe αὐτὸν ὡς ἦν – auton hôs èn (comme il était, and. 36) dia manampy antsika handray an’i Jesoa amin’izay anolorany ny tenany sy ny Teniny amintsika fa tsy araka izay heverintsika. Izy no ilay voatsinapy latsaka amin’ny tany, Izy no ilay fahazavana miditra amin’ny tontolon’ny haizina, Izy no Mofo tonga fiainana hamelona izay mino Azy, eny fa na ho an’ireo sambo tsy mitondra Azy, saingy miara-miondrana Aminy, maniry ny ho any am-pita, ho tody any amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Dia niteny tamin’ny Mpianany i Jesoa hoe: andeha isika ho eny an-dafin-drano… ho any an-dafy! Hitantsika any amin’ny toko faha 5 anefa fa tanin’ny mpiompy kisoa ny eny am-pita, izany hoe tanin’ny tsy mpino raha araka ny foto-pisainana Jody.
I Jesoa amin’ilay hariva namoronany ny Eokaristia dia naniraka ireo mpianany mba hitory ny Evanjeliny hatrany amin’ny faravazantany. Tsy sambokely iray ihany fa sambokely maromaro izy ireo. Ary i Jesoa natory teo amin’ny sisin’ny sambokely tambonin’ny ondana. πρύμνα (prumna) moa no nadika hoe sisin’ny sambokely, fa io no toeran’ny mpanamory, dia eo no nametrahan’i Jesoa ny lohany teo ambonin’ny ondana, anarana entina hilazana koa ny “coussin” ampiondanana ny razana (pros-kefale, προσκεφάλαιον – proskefalaion): nanondrika ny lohany Izy dia rendri-torimaso (καθεύδω– katheudô, maty): “Mandry am-piadanana aho ka diamatory miaraka amin’izay, fa ianao irery Tompo ô no mampitoetra ahy tsy amin’ahiahy”(Sal 4,9). Matory Izy satria araka ny fampianarany dia Andriamanitra no mampitsimoka ny voa, saingy voalazantsika teo fa eo amin’ny πρύμνα no nasiany ny lohany: Izy ihany no mpanamory ny sambo, ary sahy matory satria matoky ireo mpianatra nanankinany ny fitondrana ny sambo eny am-pita. Tsy azontsika adino na oviana na oviana izany fitokisana izany, araka ny lazain’i Md Dominique hoe: mivavaka isika ka mametraka ny zavatra rehetra am-pitokisana eo am-pelatanan’Andriamanitra, saingy miala avy eo isika dia mila mahatsiaro fa napetrak’Andriamanitra am-pitokisana eo am-pelatanantsika koa ny zavatra rehetra.
Ny haizina nandrakotra ny tany ilay mitataovovonana iny no tian’ny fanoharana rehetra holazaina. Haizina nampisafotofoto ny sambon’ireo mpianatra satria maty ilay noheveriny araka ny nofo fa hanavotra an’i Israely ka hanangana azy ireo ho firenena lehibe eo imason’izao tontolo izao. I Jesoa nanolotra ny ainy no ilay voa nalatsaka tamin’ny tany ka tsy afaka ny hamokatra raha tsy mandalo amin’ny fahalovana.
Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Tsy ireo Apôstôly ireo ihany no saro-tahotra ka midradradradra miantso vonjy. Tsy zoviana amintsika ny fomba fivavaky ny mpino maro izay tsy miezaka hahazo ny sitrapon’Andriamanitra fa mihevitra ho arakaraky ny hamaroan’ny teny lazainy no hihainoana azy (Mt 6,7), dia mamokovoko manao vavaka lavareny tsisy farany, nangonina tetsy sy teroa, sao mba miova hevitra Andriamanitra, ka hanome hafasoavana.
Rehefa mivaly ny fanirian’izy ireny dia midehadehaka ho olona henoin’Andriamanitra vavaka izy fa tsy sahala amin’ny mpanota sy poblikanina (Lk 18,10-11) fa raha sanatria kosa tsy araka ny faniriany ny fandehan-javatra dia mety ho very finoana mihitsy aza, mihevitra fa miangatra Andriamanitra na sanatria an’izany mbola matory! Tsy very finoana anefa izy ireo fa “tsy mbola manana finoana”, tsy mbola tafiditra tamin’ny finoana marina, tsy mbola nahafoy ka nandatsaka ilay voatsinapy tao amin’ny tanimboliny. Ny fahasoavana lehibe indrindra omeny antsika dia ny fibebahana, hoy i Papa François, ary io no loharanon’ny soa rehetra satria hahafahantsika mahita ny zavatra rehetra araka ny fahitan’Andriamanitra azy.
“Mifohaza, ry Tompo, nahoana no matory ianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay” (Sal44,24). Dia nifoha, tahaka ny olona natory ny Tompo, sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay” (Sal 78,65) ka niteny mafy ny rivotra. Any amin’ny toko 1 izy niteny mafy (ἐπιτιμάω – epitimaô) ny fanahy maloto sy mampangina azy, eto miteny mafy ny ranomasina sy mampangina azy. Dia nitsahatra ny rivotra ary nitony ny andro, saingy vao mainka koa nitombo ny tahotra tao amin’izy ireo.
I Jesoa moa manome tsiny Azy ireo noho ny tahotra (δειλός – deilos, crainte) mahakanosa sy mampiraviravy tanana vokatry ny tsy fitokisana an’Andriamanitra. Izy ireo kosa natahotra dia natahotra (φοβέω – phobeô) satria tsy takatry ny sainy, na tsy tiany ho takatry ny saina ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra. Ny tsy finoantsika ny herin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe hampatahotra antsika amin’izay fisamboaravoaran’ny fahavalo, fa mety hahatonga antsika koa ho mafy fo satria tsy te hizotra amin’ny lalana atorony antsika dia ny lalan’ny hazofijaliana.
Amin’ny fiantombohan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Marka ny fahefan’ny tenin’i Jesoa mandroaka ny fanahy maloto. Saingy mbola fahagagana ihany ho an’ireo mpianatra, ka nampatahotra azy ireo ny mahita an’i Jesoa mifoha avy amin’ny torimasom-pahafatesana, velona eo anivon’ny Fiangonany, ary manan-kery hanome fitoniana: fiadanana ho anareo. Sarotra ny mahatsapa fa velona eo anivontsika Izy ary nametraka ny fitokisany amintsika mba hamokaran’ny Teniny.
Dia angatahontsika izany fiadanana izany, satria tsy hafa noho ireo Apôstôly ireo ny fomba fiainantsika ankehitriny, misalasala sy tsy matoky ny herin’i Kristy ka mazàna miantsampy amin’ny herin-javatra hafa mba hiarovan-tena ka hanalavirana ny tena finoana.
Iza moa io fa ny rivotra sy ny ranomasina avy manaiky Azy? Angatahontsika amin’Izy Tompo ny fahasoavana hanandramana isan’andro ny hatsaram-pony sy ny fitiavany ankalazantsika ny fandreseny. Ho tonombavaka tsy miato ao am-pontsika anie ny Salamo 106 hisaotra ny Tompo tia, manao zava-mahagaga ho an’ny olona rehetra.