Sabotsy fahasivy mandavan-taona
- Tsy ankasa Tobia 12, 1.5-15.20/ Tobia 13, 2.6-8
- Ankasa 2 Timote 4, 1-8/Salamo 70
- Md Marka 12, 38-44
“Mahìna amin’ny Mpanora-dalàna”…
Mbola fampitandremana mikasika ny Mpanora-dalàna ihany no anombohan’ny Evanjely anio. Omaly nanontanian’i Jesoa antsika ny antony nahatonga azy ireo nilaza fa zanak’i Davida ny Mesia, anio kosa indray ny fomba fiainan’izy ireo, mitady ny voninahitra hisehosehoana ho ambony noho ny hafa no himatimatesana, kanefa ny fananan’ny mpitondratena no hanina.
Matoa mamerimberina mampitandrina antsika toy izany i Jesoa dia satria hitany ny maha-zava-doza ny vokatry ny tsy fitandremantsika. Ny mpanora-dalàna moa, γραμματεύς (grammateus), dia ireo izay natokana mba hanoratra izay tokony hosoratana rehetra, saingy taorian’ny fahababoana tany Babilôna dia izy ireo no lasa mpitantana sy mpamaofy ny hevitry ny Lalàna mihitsy aza (Esdrasa 7, 11) ka indraindray, noho ny firehan-kevitra tsy mitovy sy ny mety ho fiarovana ny tombontsoa sy ny voninahitra, dia manjary mifanohitra amin’ny tena finoana marina ny fanapahan-kevitra raisina, na dia eo anatrehan’ny Sanedrìna sy ny Mpisorona mbamin’ny loholona aza no hanambarana izany.
Omaly dia ny fanambarana momba ny Mesia, zanak’i Davida no nolazain’i Jesoa. Eo imason’ny olona dia marina ny filazany satria Zanak’i Davida araka ny lalàna i Jesoa, saingy tsy neken’izy ireo kosa ny maha-Tompo, ny maha-Andriamanitra an’io zanak’i Maria sy Josefa io, na dia voalazan’ny Soratra Masina ihany koa aza izany.
Anio kosa indray dia ny fomba fiainany no lazain’i Jesoa: tia ny mitsangatsangana miakanjo mirebareba (στολή stole, avy amin’izany ny etole), hisehoana eo imason’ny hafa ny andraikitra sy ny fahamboniana, ny fiarahabana (ἀσπασμός aspasmos, arahabaina no dikanteny amin’ny vakiteny) eny amin’ny agorà (toerana fiangonana ivoriana na hivarotana na hanaovana zavatra hafa iombonan’ny rehetra), ny fipetrahana voalohany (πρωτοκαθεδρία protokathedria, siège du président, hoy isika) ao amin’ny sinagoga (Fiangonana hivavahana), ny toerana ambony (πρωτοκλισία protoklisia, table d’honneur, hoy isika) ao amin’ny fisakafoanana (δεῖπνον deipnon, sakafo hariva), miseho ho manao fivavahana lavareny (μακρός makros, vavaka lehibe, ka ny Offices 5 [dimy] tsy maintsy atao isan’andro), saingy ny fananana ao an-tranon’ny (οἰκία oikia) mpitondratena no taperiny (κατεσθίω katesthio, dépouiller) amin’ny rakitra sy valopy tatazana etsy sy eroa.
Marina fa nolazain’ny Tompo fa mendrika ny karamany ny Mpiasa ka “izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana amin’izany asa izany” (1 Kor 9, 14). Mampalahelo ny mahita pretra sy mpiandraikitra ny Fiangonana sasany tsy raharahian’ny mpiangona akory. Saingy raha tsy mitandrina ireo “mpanora-dalàna” vaovao ao amin’ny Eglizy, izay tsy misy valaka amin’izany ny fomba fiainan’ireo tantarain’ny Evanjely anio raha jerena avy ety ivelany, dia mazava ny lazain’ny Evanjely: “hohelohina mafimafy kokoa” izy ireo. Tsy fisehosehoana fa fanompoana no iantsoan’i Kristy ny mpianany ka asainy hitandremantsika. Misy “mpanora-dalàna kely” avy manko ao am-pontsika ao.
Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely dia mampianatra antsika kosa ny fitondrantena mifanaraka amin’ny Evanjely, raha sanatria isika no iharan’ny fanararaotan’ny maty eritreritra tahaka ireo mpitondratena ka variroaventy roa sisa navelany ao an-tranontsika. Tsy valifaty sanatria no tokony hamenoana ny fo fa ny fitokisana tanteraka kosa amin’Andriamanitra. Tsy ambim-bava no atolotra ho fanatitra hotahirizina ao amin’ny fitoeran-drakitra, ao amin’ny γαζοφυλάκιον (gazophylakion), ilazan’ny Evanjely ny fitoeran-drakitra, izany hoe ny toerana hitahirizana ny harena, mba hampiasaina amin’ny fitantanana ny Tempoly sy ny fitsinjovana ny mahantra. Izay matoky tanteraka an’Andriamanitra ka “manankina aminy ny anjarany” (Salamo 37, 5) no manome alàlana Azy hiasa, “hampamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinana, sy ho toy ny andro mitatao vovonana ny fananana ny rariny” (Sal 37, 6).
Atoron’ny Evanjely ny lalan’ny fitiavana isika, na dia variroaventy aza sisa no eo am-pelatanantsika, saingy angatahiny mba harotsaka ho fandraisana anjara amin’ny fiombonana. Tsy mangataka amintsika izay tsy ananantsika Andriamanitra, saingy mangataka kosa mba hahafoy manontolo mba hahafahany miasa sy mampiseho amintsika ny voninahiny. Izany no fampiharana ny Didy nomeny antsika dia ny ho tia Azy amin’ny fo, fanahy, saina sy hery manontolo (Evanjely alakamisy 9).
Ny Fanahiny Masina anie hanazava antsika ka hanampy antsika mba hitomboan’ny fitokisantsika Azy.