Sabotsy faharoa mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 9, 2-3.11-14/ Salamo 46
- Ankasa 2 Samoela 1, 1-4. 11-12. 19.23-27/Salamo 79/
- Md Marka 3, 20-21
Dia niditra indray tao an-trano i Jesoa rehefa avy niantso ny Apôstôly sy naniraka azy hitory ny Teny. Nivory ny vahoaka ka tsy afaka nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka haka azy satria hoy izy ireo: Efa very saina izy. Dia raisin’i Md Marka indray moa io tantara io any amin’ny andininy 31 hilazany fa ao alatrano ny reniny sy ny rahalahiny mitady azy. Eo anelanelany eo dia miresaka an’i Belzeboba, ho hitantsika amin’ny alatsinainy fahatelo.
Dinihontsika tsara ny zava-misy: niditra tao an-trano i Jesoa dia nampianatra ny vahoaka izay liana amin’ny fampianarany. Iza no mbola tsy variana amin’ny zavatra nahasarika ny saina ka nanadino hatramin’ny ora fisakafoanana? Varian-dresaka eo dia mandeha ny ora. Ho an’i Jesoa dia izay no fahafinaretany: hitarika ny “olona mivorivory” (ὄχλος ochlos) ho tonga “vahoaka” (λαός laos) hanompo an’Andriamanitra. Ny vakiteny voalohany amin’ny alahady fahatelo (taona D) dia mitantara ny hafalian’ny vahoaka amin’ny fihainonana ny Bokin’ny lalàna sy ny famoaboasana azy, hatramin’ny vao mangiran-dratsy ka mandra-pitatao vovonana (Nehemia 8, 1-10). Zavatra tsy tokony hahagaga ny fianakavian’i Jesoa araka izany ny fihainoana maharitra ny teny.
Rehefa i Jesoa kosa no henoina, rehefa naheno izany ireo havany dia nihevitra fa “very saina” izy. Ny mahagaga anefa dia tsy nihaino ny fampianarany akory izy ireo, tsy namakafaka hoe inona ny antony mahatonga izany. Mety ho ny tahotra ny erodiana sy ny farisiana efa nitady izay hamonoana an’i Jesoa no betsaka. Ny tena reniny sy rahalahiny anefa tsy afaka ny tsy hihaino azy, ka hahazo hery avy amin’ny fampianarany, hahazo izay tian’ny Soratra Masina lazaina ka hahalala fa tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ihany koa.
Izay te hihazona an’i Jesoa dia tsy mamelona fa mamono azy, izay tsy miaraka Aminy hamory, hahafoy ny aina mba hamonjy dia mazava loatra fa hanahaka, hihevitra ny hiaro ny aina saingy tsy hitondra amin’ny fiainana fa ho amin’ny fahafatesana.
Angatahontsika ny fahasoavana mba tsy hahatsiaro sakafo amin’ny fandinihana sy ny fihainoana ny Tenin’i Jesoa. Sao sanatria mieritreritra ho Kristianina isika nefa ao hala-trano ihany, mihevitra ny hanao soa saingy voailika tsy ho fianakaviany akory satria sady sady tsy mihaino no tsy manatanteraka ny Teniny.