SABOTSY FAHAFOLO MANDAVANTAONA
- Ankasa 1 Mpanjaka 19, 19-21/Salamo 15
- Tsy ankasa 2 Kor 5, 14-21/Salamo 102
- Md Matio 5, 33-37
Raha tsy lehibe noho ny an’ny manora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo (and. 20).
Araka ny filazan’ny mpandalina Baiboly sasany dia nandritra ny sesitany tany Babilonina no nahazoan’ny Israelita fahazaran-dratsy maro, ka anisan’ireny ny fianianana. Heverina fa tsy azo inoana ny zavatra iray raha tsy asiana fianianana na teny ratsy kely. Tsy izy ireo ihany anefa na aty amintsika aza dia misy miozona sy mingosy mihitsy mba hanamarinany ny zavatra lazainy, tahaka an’i Piera niozona nianiana (ἀναθεματίζω anathematizo, Mk 14, 71) nilaza ho tsy nahalala an’i Jesoa.
Tsy tokony hianinana tsy tò (ἐπιορκέω epiorkeo) fa hanefa amin’ny Tompo ny fianianana (ὅρκος horkos, voady). Ny mianiana amin’ny zavatra tsy atao akory dia efa ratsy rahateo, ary raha hanao ihany dia ny voady izay natao tamin’ny Tompo no tokony hohefaina. Lazain’ny bokin’ny Fanisana aza fa ny ray dia afaka mamotsotra ny voady sy famehezan-tenan’ny zanany vavy mbola zaza an-trano (Fanisana 30, 4, ss) kanefa kosa lazain’ny Deterônômy fa ho tambesaram-pahotana izay nanao voady nefa tsy nanefa izany (Det 23,22). Ny anton’izany moa dia hoe Andriamanitra no vavolombelona ka fanivaivana Azy ny tsy fanatanterahana ny teny nomena teo anatrehany.
Mba tsy hanononana ny anaran’Andriamanitra (satria voararan’ny Lalàna) dia nosoloina fiozonana amin’ny tany sy ny lanitra sy amin’ny lohan’ny tena na amin-javatra hafa ny fomba. “Aza mianiana akory (ὀμνύω omnuo) na amin’ny lanitra na amin’ny tany”. Inona tokoa moa no ilàna ny fianianana raha toa ka miaina ny fitiavana? Raha amin’ny samy olona dia midika tsy fifampitokisana ny fianianana ka ho an’i Jesoa dia tsy azon’ny mpianany atao izany, ary ampianariny mba tsy hanao roa lela ny mpianatra fa tokony hanana valinteny mazava: eny dia eny, tsia dia tsia.
Amin’ny fianianana, ankoatr’izany tsy fifampitokisana izany dia mampiseho ihany koa toe-tsaina mino fa andriamanitra mpamaly faty ny Andriamanitsika, ka handringana ny mpandainga sy hamaly faty ny mpamitaka. Tsy mila tambiny ary tsy miandry valiny amin’izay mangataka fahasoavana Aminy Andriamanitra. Maimaim-poana no anomezany ny fahasoavany rehetra. Tian’i Jesoa mba hampiasaina hitoriana izany fitiavany izany ny teny aloakan’ny vavantsika, ka ho teny tsy misy fitaka, teny mifanaraka amin’ny fiainana sy izay ao anatin’ny fo lalina. “Eo am-bavan’ny adala no misy ny fony, fa ao am-pon’ny hendry kosa no misy ny vavany”, hoy i Jesoa zanak’i Siraka (Ekleziastika 21, 26). Ny adala no miteny zavatra tsy voadinika.
Tsy midika izany fa hahay ny zavatra rehetra isika. Ny valin-teny hilazana fa “tsy mahalala izay havaly”, dia tokony ho araka ny hitsi-po, kanefa kosa miampy ny fahavononana hikaroka mandrakariva ny tena marina. Tsy midika koa izany fa izay heverina ho marina sy heverina ho fantatra dia holazaina. Ny mpianatr’i Kristy dia mampiasa ny teny lazainy hanasoavana. Izay nolazain’i Jesoa azy ireo tao amin’ny miafina no hotoriany eny an-tafontrano fa tsy ny takoritsika sy ny fifosana manimba fiaraha-monina rehetra izao.
Izay te hahita an’Andriamanitra dia miezaka ny manadio ny fony araka izany mba tsy ho voazarazara ka hanaraka ny torohevitr’i Md Paoly hoe: “Ario ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampi-ratsambatana avokoa isika rehetra” (Ef 4, 25), hanesotra ny “faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fiatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny faharatsiana rehetra”, araka ny hafatr’i Md Piera (1 Piera 2, 1).
Hanaiky ho tarihin’ny Fanahy fahamarinana (Jn 14, 17) anie isika ka tsy ho voafitak’ilay raiben’ny lainga (Jn 8, 44).