Sabotsy fahafito mandavan-taona
- Tsy ankasa: Siràka (Ekleziastika) 17,1-15/ Salamo 102/
- Ankasa: Jakôba 5,13-20/Salamo 140
- Md Marka 10,13-16
Nisy nitondra zazakely (παιδίον – paidion) maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, kanefa notenenin’ireo mpianatra mafy ireo nitondra. Tsy izay naharoaka demony amin’ny anaran’i Jesoa ihany no nanaovan’ireo mpianatra toeran-tsy zaka fa ny zazakely koa, satria matahotra sao tsisy toerana ho azy ireo intsony angamba any amin’ny fanjakan’ny lanitra fa ho lasan’ny zazakely avokoa (Mk 9,36).
Tezitra i Jesoa nahita izany, na ny marimarina kokoa nalahelo mafy (ἀγανακτέω– aganakteô: agan= feno, achthos – alahelo) satria tsy azon’ireo mpianatra fa tsy mampihena ny anjaran’izy ireo akory ny fitomboan’ny olona miditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy lova vokatry ny fahamendrehana sanatria fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Ny kely sy ny zaza no afaka mandray azy an-kafaliana araka izany, satria ny mpanankarena tsy mila zavatra omena maimaim-poana (mampitovy zo amin’ny mahantra izany ka tsy tantiny). Iza àry, mihoatra noho izy ireo no afaka hanatona an’i Jesoa?
Izay te ho mpianatr’i Jesoa koa, manaraka ny ohatra nomeny, dia manokan-tena handray ireo mahantra sy toy ny zaza, satria tsy manan-kavaly. Tsy amin’ny anarany anefa no anaovany izany fa amin’ny anaran’i Jesoa (Evanjely Alakamisy teo), mba tsy hahavery ny valisoa miandry azy ireo. Mahatsapa manko izay manao soa fa tsy azy fa “talenta” napetrak’Andriamanitra eo am-pelatanany no entiny hanaovan-tsoa, ka ny fikolokoloana ny madinika sy ny tsy manam-piahy no fampamokarana tsara indrindra hahafahana mampitombo izany “talenta” izany.
Tsy afaka hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra hoy i Jesoa izay tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely. Izay mihevitra ho mahavita tena, mihevitra fa ny fahaizany sy ny fiezahany no ahafahany manao zavatra na manan-javatra dia tsy afaka hiaiky fa fitiavana Andriamanitra ka izay manam-be dia hotakiana be, satria nomeny mba ho afaka hitia bebe kokoa. Izay mihevitra ny tenany ho mahavita azy dia tsy afaka ny hiantso an’Andriamanitra ho “Ray” “Abba”.
Fihinin’i Jesoa ireo zaza, ilazana ny fitiavany manokana azy ireo, ilazana fa vonona ny ho fiarovana ho azy ireo izy. Tsy maintsy ho mpiaro ny madinika sy izay verezin-jo (toy ny zaza tamin’ny andron’i Jesoa) ihany koa ireo te hanara-dia Azy. Hitso-drano sy hanamasina no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany fa tsy hanjakazaka na sanatrian’izany hahavita handroaka tahaka ireo Mpianatra fahiny. Hahay hanaja ny safidin’ny hafa koa anefa raha toa ka mbola tsy vonona ny hiaina ny Evanjely izy ka “hiala amin’alahelo” (tahaka ilay mpanan-karena lazain’ny Evanjely amin’ny alatsinainy).