Sabotsy fahafito fankalazana ny Paka
- Asa 28, 16-20. 30-31
- Salamo 10
- Md Joany 21, 20-25
Ireto no vakiteny mamarana ny herinandro fankalazana ny Paka. Amin’ny herinandro ambony dia miverina amin’ny andavanandrom-piainana ny Fiangonana (miovaova isan-taona).
Araka ny fangatahany dia nalefan’i Festosa any Roma i Paoly mba hotsarain’i Sezara. Natopatopan’ny rivo-mahery anefa ny sambo ka efa saika rendrika. Avotra ihany anefa ireo 276 tao an-tsambo ka tany amin’ny Nosy Malta izy ireo no niantsona. Noraisin’ny mponina tao tsara izy ireo, ka teo am-pisoronana afo mba hamindroana dia nokakerin’ny bibilava i Paoly, ka ny fiheveran’ny olona azy dia olon-dratsy mpamono olona: rehefa tsy matin’ny ranomasina hoy izy ireo dia nandefasan’ny andriamani-bavy bibilava hamono azy, saingy nahifik’i Paoly tao anaty afo ny bibilava, ary izy tsy naninona akory (Mk 16, 18), ka niova hevitra ny olona ary noheveriny ho andriamanitra mihitsy i Paoly, indrindra moa ny nanasitranany ny marary tao.
Afaka telo volana dia nanohy ny diany niaraka tamin’ny sambon’i Aleksandria izy ireo (Asa 28, 11ss) ka tonga tany Siracusa, Reggio, Puzzuoli ary Roma (tanàna any Italia avokoa). Eto no manomboka ny vakiteny anio, amin’ny niantsoan’i Paoly ireo lohandohan’ny Jody ka nilazany tamin’izy ireo fa noho ny fanantenan’Israely no ifatorany. Tsy nahagaga ny Jody anefa izany satria nolazain’izy ireo fa na aiza na aiza misy ny “sekta” (kristianina) dia misy fanoherana azy mandrakariva. Nampianatra ny maro tamin’izy ireo i Paoly saingy tsy nisy nino, nisy koa ny tsy nandray ny Teny. Marina ny nolazain’Izaia Mpaminany, hoy i Paoly (Iz 6, 9-10).
Roa taona no nitoeran’i Paoly tao Roma nitory ny fanjakan’ny Lanitra sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe sady tsy nisy nisakana. Izay no namaranan’i Lioka ny fitantarana ny Asan’ny Apôstôly. Anjarantsika kosa izao, nahavita ny fankalazana ny Paka, no manohy mitantara ny Voninahitr’Andriamanitra nasehony tamin’ny nanandratany an’i Jesoa ho Tompo sy Kristy, amin’ny fiezahana mba tsy hanan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, hoy i Paoly.
Ny Evanjely koa mitantara ny famaranan’i Joany ny Evanjeliny. Ilay Mpianatra malala dia voalaza foana miaraka amin’i Piera afa-tsy amin’ny Jo 6, 68 itenenan’i Simona samirery, ary amin’ny Jo 19,26-35, itoeran’ilay Mpianatra Malala irery miaraka amin’ny Renin’i Jesoa mijoro eo am-pototry ny Hazofijaliana. Mpianatra malala izay mitoetra eo an-tratran’ny Mpampianatra tahaka an’i Jesoa mitoetra eo an-tratran’ny Ray (Jo 1,18), ka afaka mitantara amin’ny hafa ny tsiambaratelon’ilay Mpampianatra, afaka mijoro ho vavolombelona, manambara sy manoratra ny Evanjeliny.
Izay voavela heloka no afaka mitodika ka hahita ny hafa ka hihevitra koa ny soa ho azy. Ny fitiavana no nahafahan’i Simona izay lasa Piera nandresy ny henatra sy ny tahotra ka hahatoky, tsy hangataka ho an’ny tena fotsiny ihany fa hangataka ho an’ny hafa ihany koa. Raha jerena amin’ny maso tsy miangatra dia manahirana ihany ny fizarana andraikitra nataon’i Jesoa. Nahoana moa no nomena ilay nandà Azy in-telo ny fiandraiketana ny Fiangonany? Dia inona indray izany no anjaran’ilay Mpianatra malalan’i Jesoa?
Tsy misy mpianatra tsy malalan’i Jesoa, saingy miankina amin’ny tsirairay ny famaliam-pitiavana hahafeno fatra ny hafalian’ilay efa tia mialoha. Tsy ny hifaninana hahazo valisoa no tokony himasoan’ny Mpianatra fa ny hanara-dia an’i Jesoa. I Piera, raha ny marina dia saika tonga aorian’ny mpianatra hafa mandrakariva: i Andre rahalahiny no nahita an’i Jesoa voalohany ka nitondra azy hihaona aminy (Jo 1, 40ss); ilay Mpianatra malala no irery teo am-pototry ny hazofijaliana, izy no tonga mialoha tany amin’ny fasana (Jo 20, 4) ary mbola izy koa no nahalala fa ny Tompo no nanome baiko amin’ny handatsahana ny harato ao an-kavanan’ny sambokely (Jo 21, 7). Tsy fifaninanana amin’izay hahavita be noho ny hafa no tokony himasoan’ny mpianatra fa ny fifaninanana hanara-dia an’i Jesoa. Tsy ny andraikitra na izay voninahitra mety ho azo amin’izay sehatra hikatrohana no inona fa ny fiezahana “hiha-Jesoa” isan’andro, araka ny tarigetran’ny FET, nampianarin’ny Fikambanan’i Jesoa (SJ), ny hitovizantsika endrika Aminy manko no tena fanarahan-dia Azy marina tokoa. Izany no fanarahana ny “lalana tsara indrindra” atoron’i Paoly antsika, dia ny fitiavana (1 Kor 12, 31 – 13, 13).
Ambaran’ny mpandinika ny Soratra Masina sasany ihany koa anefa, fa tsy hoe notenitenenina fotsiny tsy akory ny hoe “raha tiana hitoetra”. Misy ny mpianatra, toa an’i Piera, antsoina ho amin’ny fanamparana (ἐκτείνω ekteino izay nadika hoe miraviravy moa amin’ny Baibolintsika) ny tanana amin’ny martiry, hanarahan-dia an’i Jesoa. Ao ireo mpianatra malala mitoetra, miaina am-pilaminana ny maha-mpianatra azy. Samy fanarahan-dia an’i Jesoa avokoa izany. Ny ao amin’i Md Marka 9, 1 (jereo koa Mt 16, 28; Lk 9, 27) ny momba ny sasany “tsy hanandrana fahafatesana raha tsy efa mahita ny Fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra” dia azo lazaina ihany mikasika ny hafenoan’ny voninahitra nasehon’ny Lakroà sy ny misterin’ny Paka. Fa ho an’izay mitoetra kosa eto, tsy hoe tsy ho faty tsy akory, fa hitoetra kosa amin’ny fijoroana ho vavolombelona, hitoetra amin’ny Evanjely izay nosoratana ka ho tonga andry hijoroan’ny Eglizy, mandra-piverin’i Jesoa.
“Maro ny zavatra hafa nataon’i Jesoa ka raha ireny rehetra ireny no ho soratana dia na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana” (Jo 21. 25). Tamin’ny famaranana voalohany (Jo 20, 30-31) dia nolazain’i Joany fa “famantarana” sasantsasany ihany no notantarainy mba hinoantsika. Tsy hidirantsika lalina eto moa ny mikasika ny mpanoratra sy ny fivoaran’ny “Evanjely nosoratan’i Md Joany” fa ny hisintonako ny saintsika dia ny zavatra “hafa” ataon’i Jesoa izay tsy mitsahatra miasa ao amin’ny Fiangonana, Vatana iray atambatry ny Fanahy ho tena iray amin’Izy loha sy Filoha.
Ireo famaranan’i Joany ny Evanjeliny ireo araka izany dia manentana antsika hijoro ho Fiangonana manambara ny fahamarinan’izay noraisintsika dia ny Evanjelin’i Kristy, hahatonga antsika hamerovero ny hanitr’i Kristy hanambarana amin’izao tontolo izao fa hafa ny fianam-pamonjena atoron’ny Evanjely manoloana ny fahaverezana sy ny fahafatesana mandrakizay (2 Kor 2,14ss). Ny Evanjely manontolo dia fanambarana ny fahamarinan’ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka, izay manome antsika ny fiainana mandrakizay, ka izay mandray azy dia hahazo ny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra (Jo 1, 12).
Ny Fanahy Masina anie hanampy antsika mba hifanaraka amin’ny fankalazana ny Paka ny fitondran-tena sy ny fiainantsika (Vavaka fangatahana).