Sabotsy fahadimy fankalazana ny Paka
- Asa 16, 1-10
- Salamo 99
- Md Joany 15, 18-21
I Lioka amin’ny fitantarana ny Asan’ny Apôstôly dia tsy manafina izay mety ho olana na toetran’ny Apôstôly, fitaovana entin’Andriamanitra hanitarany ny fanjakany izy ireny, ka ny fahalemeny indrindra no mampiariary ny herin’ny fahasoavana sy ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra. Amin’ny fiafaran’ny toko faha-15 manko dia nisy fifandirana tamin’i Paoly sy Barnabe mikasika an’i Marka, ka nisara-dia izy ireo: i Barnabe niaraka tamin’i Marka niverina tany Sipra, i Paoly kosa niantso an’i Silasy (ilay nampitondrana ny hafatra avy any Jerosalema) ho namany ka nankany Siria sy Silisia. Rehefa tonga tany Derbe izy ireo dia nahita an’i Timote, ary noho ny laza tsara nananan’ity tovolahy ity dia niriany hiaraka aminy ka noforainy. Vao eo anefa ny namakiana ny taratasy milaza fa tsy tokony hatao enta-mavesatra ho an’ny tsy voafora ny fomba Jody. Efa nolazaintsika moa hoe izy izay milaza ho mpianatr’i Gamaliela (Asa 22, 3) no anisan’ny rain-dahiny tamin’ny fanenjehana ny kristianina.
Midika izany fa na i Paoly aza dia mbola nifikitra koa tamin’ny fomban-drazany, ary natahotra ny mety ho tsikeran’ny Jody nonina tamin’izany tany izany. Inona no anton’izany? Rehefa tafaverina any Jerosalema anefa i Paoly (Asa 21,21ss) dia lazain’i Jakoba fa mamporisika ny Jody handao ny Lalàn’i Moizy ka nasainy nanao ny fidiovana sy nanatanteraka ny voadiny (Asa 18, 18, // Fanisana 6, 9-18) niaraka tamin’ny olona efa-dahy. Amin’ny dian’i Paoly sy Timôte kosa dia ambaran’i Lioka mazava ny Asan’ny Fanahy Masina izay mitantana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tsy ny ambom-pon’ny Apôstôly manko fa ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny Herin’ny Fanahy Masina no manokatra ny varavaran’ny finoana. Ny tany tontolo no antsoiny hankalaza ny fitiavany mandrakizay sy ny hatsarany tsy hita noanoa (Sal 99).
Ny fanarahana ny Evanjely anefa dia tsy azo adinoina na oviana na oviana fa mifanohitra amin’ny haizin’izao tontolo izao ka manafintohina azy. Tsy avelan’izay mikatsaka ny haren’ny tany sy ny voninahitra araka an’izao tontolo izao hipetrapetra-poana izay te hiaina ny Fahazavan’ny Evanjely. Ankahalainy, hoy i Jesoa satria avy eo amin’izao tontolo izao izy ireo no notsongaina ka tonga fahavalon’i Satana, ilay nankahala sy nampamono an’i Jesoa, ilay Tompo.
Matoa ny olona iray mahavanon-doza, mankahala, manenjika, manaratsy, mivarilavo amin’izao karazam-pahotana rehetra izao dia satria tsy mahafantatra ny Ray izay naniraka an’i Jesoa. Tsy ny didy aman-dalàna araka izany no hanafahana ny olona amin’ny gejan’ny fahotana fa ny fampisehoana azy ny tena Endrik’Andriamanitra marina. Tsy tokony hohadinoin’ny Mpianatra fa ny hafaliany sy ny fijaliany dia iombonany amin’i Jesoa. Raha tsy henoina izy ireo dia i Jesoa no tsy henoina (mila manontany tena ihany koa anefa sao mivaona amin’ny Evanjely ny zavatra lazaina); raha tandreman’ny olona ny teniny dia satria efa nitandrina ny an’i Jesoa mialoha an’izany izy ireo. Fitaovana ihany ny mpianatra ary izay fiombonan-kafaliana sy fijaliana amin’i Kristy izay dia vokatry ny fiombonany aina amin’i Kristy.
Ho haintsika anie ny hitahiry ny aina nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny Batemy, izay hitahirizany antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.