Sabotsy faha-enina mandavantaona
- Tsy ankasa Hebrio 11, 1-7/Salamo 144/
- Ankasa Jakôba 3, 1-10/Salamo 11/
- Md Marka 9, 1-12
Izay te hanaraka Ahy dia aoka izy handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy. Enina andro taorian’izay dia nalain’i Jesoa i Piera sy Joany ary i Jakoba ka nentiny nitokana teny an-tendrombohitra avo, izy ireo irery (monos). Miverimberina ao amin’ny fitantaran’i Marka ity fitondran’i Jesoa “mitokana” ireo izay sitrany hibanjina ny voninahitr’Andriamanitra mamirapiratra eo Aminy. I Lioka moa manisy tsindrim-peo hoe hivavaka no nahatongavan’izy ireo tany (Lk 9, 28).
Mazava loatra araka izany fa tsy afaka ny hahazo ny Teniny ka afaka ho tonga mpianany izay tsy miara-miakatra Aminy eny an-tendrombohitra mba hibanjina avy lavitra, avy any ambony, araka ny fahitan’Andriamanitra ny zava-misy ao ambadiky ny havoan’ity fiainana ity, any amin’ny fiainan’ny fitsanganan-ko velona. Avy amin’ny fibanjinana ny misterin’i Kristy tafatsangan-ko velona no hahazoana hery hitia ka handà izay mahasoa ny tena hatramin’ny fanekena ho faty noho ny Evanjely. Tsy ho azon’ny Mpianatra vetivety anefa ny hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona izany, fa tsikelikely, amin’ny fiatrehana ny fiainana no ninoany sy nahazoany ny fampianaran’i Kristy.
I Moizy no famintinana ny Lalàna, Tenin’ny fiainana nomen’YHWH ny vahoakany mba hotandremana raha te ho velona (Det 30, 19). Elia kosa indray no mamintina ny Mpaminany izay nampahatsiaro ny vahoaka izany lalàn’ny fiainana izany. i Jesoa kosa, no ilay Tenin’ny Fiainana, ka izay te ho velona dia tsy afaka ny tsy hihaino Azy.
Enin’andro taorian’ny fampianarana ny vahoaka no niovan’i Jesoa tarehy: henemana no faharetan’ny fahariana, ary ny andro fahafito dia fidirana amin’ny “sabata”, fitsaharana mba hibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Marka dia miverimberina ny teny εὐθύς (euthys, “niaraka tamin’izay”). Eto kosa dia henemana no hiandrasana ny fiakarana any amin’ny Voninahitra.
Mora tokoa ny misentosento hanamboatra lay telo mandritra ny vavaka sy ny litorjia, nefa kosa ny fiatrehana ny adim-piainana (henemana) no manaporofo ny fahazoantsika marina tokoa ny Evanjely. Antsoin’Andriamanitra isika mba hihaino an’i Jesoa, fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany. Tsy anankiray amin’ny mpaminany manko Izy ka hanaovana lay mitovy amin’i Moizy sy Elia fa ilay Zanak’Andriamanitra, maneho amintsika ny endrik’ilay Ray Fitiavana (Jn 14, 9), nanorina ny lainy (fonenana vetivety ihany) ety anivontsika ary tonga Emanoela miara-monina amintsika.
Ny Mpaminany (sy ny mpianatra: Lk 10,1) no alefany hialoha lalana Azy, ary ambaran’i Marka mazava fa tsy maintsy hijaly mafy izay te hiaina sy hitory ny Evanjeliny, hanaovan’ny olona izay sitraky ny fony. Tsy fampitahorana antsika izany tsy akory, fa milaza ny fahasambarana marina ho an’izay te hampisy heviny (lanjany) ny fiainany.
Angatahontsika ny fahasoavany mba hampamirapiratra koa ny tavany amintsika ka hahafahantsika maniry marina tokoa ny fahasambarana mandrakizay amin’ny fibanjinana ny Voninahiny.