Sabotsy faha-dimy mandavantaona
- Tsy ankasa Jenezy 3, 9-24/Salamo 89/
- Ankasa 1 Mpanjaka 12, 26-32; 13, 33-34/Salamo 105/
- Md Marka 8, 1-10
Samy manana ny fiezahany hanome ny heviny momba ity “fampitomboana” mofo faharoa ity moa ny mpandalina Baiboly. Ao amin’ny toko faha-enina dia olona dimy arivo no vokin’ny mofo dimy tany an-tany efitra ary nanana amby 12 sobika. Eto amin’ny fanombohan’ny toko fahavalo indray kosa, any amin’ny faritanin’i Dekapoly (faritanin’ny tsy mpino araka ny Jody) dia mofo fito hivokisan’ny olona efatra arivo ary manana amby 7 sobika. Ity fitantarana faharoa ity dia i Matio sy Marka ihany no manana azy.
Ankoatra ny hafatra mazava ambaran’ny fitantaran’i Marka fa tsy voafetra ho an’Israely ihany ny fahasoavan’Andriamanitra dia mazava fa ny fankalazana ny Eokaristia no votoatin’ny katesizy ampitainy amin’ireo fitantarana roa ireo. Hita mivantana ao amin’ny and. 6 moa ny matoanteny εὐχαριστέω, ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny mofo omeny ho sakafon’ny olona. Marihina etoana fa tsy miresaka fampitomboana ny mofo ny Evanjely. Ny fahazaran-diso nanaraka ny lohateny napetraky ny sasany tamin’ny Dikan-teny sasany no nahatonga izany resaka fampitomboana ny mofo izany. Nizara ny mofo i Jesoa fa tsy nampitombo.
Ny fanazavana hitako ho maharesy lahatra mikasika ireo isa (5/12 ao amin’i Israely ary 7/7 ao amin’ny Tanin’ny Grika) ary manome heviny ny famerenana in-droa ity fampianarana ity, dia satria ny Boky dimin’i Moizy no sakafo niveloman’ireo apostoly 12 lahy izay tonga vatofototra niorenan’ny Fiangonana, nofidian’i Kristy teo amin’Israely. Manampy antsika hahazo ny hevitry ny isa fito kosa ny fitantaran’i Md Lioka ny fanokanana ireo diakra fito nofidiana teo amin’ny grika mba hikarakara ny sakafon’ny mahantra.
Ny itambaran’ireo fampianarana roa ireo dia ny tsy fahafahan’ny fankalazana ny Eokaristia misaraka amin’ny fizarana izay eo am-pelatanana: “tsy nisy nanao ny fananany ho azy izy ireo”, hoy i Md Lioka mamaritra ny toetra manavaka ka nahafantarana ny Fiangonan’ny Mpino Kristianina. Hariva mandrakariva no nankalazana ny Eokaristia. Tsy dia sakafo hoentina miasa loatra manko io fa sakafo hisaorana an’ilay Mampisy vokany ny fifohazana maraina (Salamo 127), entina hisantarana sahady ilay fialantsasatra hiderana Azy mandrakizay, fa indrindra indrindra, ho an’ireo Fiangonana tany am-piandohana, hoentina manamafy ny fiombonana izay mifototra amin’ny andry efatra lehibe: ny fampianaran’ny apostoly, ny famonjem-pivoriana (koinonia=mitady izay mampiombona), amin’ny famakiana ny mofo (κλάσις, klao- io matoanteny io no ilazan’i Marka ny fizaran’i Jesoa ny mofo ho an’ny 4000) ary amin’ny vavaka (Asa 2, 42). Nambaran’i Lioka fa niara-nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po izy ireo.
Izay mankalaza ny Eokaristia dia tsy afaka ny tsy hangoraka (σπλαγχνίζομαι splagknizomai; splagknon=rahamim; cf Mk 1, 40-41; 6, 34) ka hitady marina tokoa izay fomba hahasambatra ny vahoaka rehetra fa tsy tsy ny tena na ny havan-tiana ihany. Tsy fahasambarana hizara ny hanina hariana any an-katakonana anefa (Mk 7, 19) fa hizarana kosa ny sakafo mamelona ho amin’ny fiainana tena izy. I Jesoa modelintsika, nahita ny vahoaka toy ny ondry tsisy mpiandry dia nanokana fotoana hampianarana azy ireo zavatra betsaka hahafahan’ny vahoaka mahita ka mizotra ny lalam-pahasambarana (Mk 6, 34).
Ho voky fahasoavana sy hahazo traikefan’ny tena fiombonana marina anie ny olona rehetra mandray anjara amin’ny fankalazantsika ny Eokaristia, eny fa na dia voatery hiondrana any Dalmanotà hiaraka amin’i Jesoa aza isika (raha adika ara-bakiteny Δαλμανουθά dia mety hanome hoe: tanin’ny mosarena).