Sabotsy faha-33 mandavantaona
- Ankasa Fanambarana 11, 4-12/Salamo 143
- Tsy ankasa 1 Makabeo 6, 1-13/Salamo 9
- Md Lioka 20, 27-40
“Ny lanitra no nahazoako ny zavatra rehetra,… ka vonona ny ho faty aho noho ny Lalàny” (Makabeo).
Izany no herim-po nananan’ireo Martirin’ny Finoana izany dia tokony hampandinika antsika manokana amin’ny fiainantsika ny Lalàn’ny fitiavana nomen’i Kristy antsika mpanara-dia Azy. Izy ireo noterena mba HANDIKA ny lalàna kanefa naleony maty toy izay hanota. Impiry anefa isika no amporisihina na terena mihitsy aza mba HITANDRINA ny Lalàna kanefa dia aleo milomano amin’ny mahazatra ihany… na himenomanona sy hitsangana ho fahavalon’izay manampy antsika hizotra amin’ny Lalan’ny Fiainana mihitsy aza indraindray.
Amin’ny Evanjely ankalazaintsika androany, momba ireo Sadoseana [mifanohitra amin’ny Farisiana, mitsipaka ny fitandremanana ny Lalàna ankoatra izay voasoratra ao amin’ny Boky dimin’i Moizy izy ireo, nanana anjara manokana amin’ny Fikarakarana ny Tempoly ary niavaka amin’ny tsy finoany ny momba ny zavatry ny lanitra : fitsangana-ko velona, fanahy, anjely, jereo Asa 26, 6-8] (Lk 20, 27-40) nampiasa ny Lalàna lévirat, avy amin’ny teny latinina levir izay nandikana ny teny ebrio jabam (zaodahy…), natao indrindra mba tsy hahafaty taranaka ny fianakaviana, mba hamelo-maso ny anaran-dray, hahafahana manantena fa avy ao no mety hipoiran’ny Mesia hanavotra an’Israely. Ho an’ny Sadoseana dia porofo hanoherana ny tsy fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana izany.
Io lalàna io (Lévirat, jereo Det, 25, 5-10/ na Jen 38 momba an’i Tamar na Rt 4 izay nitatra ho an’ny olona ivelan’ny fianakaviana aza) no nentin’izy ireo hanaporofoana ny tsy fisian’ny fitsanganan-ko velona. Amin’ny fanehoana izany anefa dia misy fampianarana vitsivitsy azontsika tsoahina amin’ny fitantaran’i Lioka. Ny fanambadiana dia tsy fanatanterahana lalàna na sanatria fombafomba ataon’ny olona ka dia mba atao koa. Safidy malalaka mba hanohizana ao amin’ny taranaka ny fanehoam-pitiavana ifamatoran’ny mpivady ny fanambadiana. Ny fifankatiavana tena izy izay ifotoran’ny mariazy dia ny fanomezan-toky fa tsy afaka ny ho sambatra ivelan’ny fitsinjovana ny fahasambaran’ilay notiavina ary izany fikatsahana ny fahasambarany izany no mampisy heviny ny fiainana ka handaniana azy. Lazain’ny Tononkira dia Tononkira aza, amin’ny famaranana fa ny fitiavana dia ny filazana amin’ilay malala mba hihazakazaka, handositra (בָּרַח barach) hanahaka ny gazela (Tonk 8, 14), raha izay no fahasambarana ho azy.
Mazava loatra araka izany fa tsy afaka apetraka ho resaka “propriété”, ny hoe “an’iza ravehivavy”, ao amin’ny fitiavana marina. Ary raha sanatria mipetraka izany, tahaka ny lazain’Andriamanitra amintsika tsirairay avy, dia mba hilazana tahaka Azy hoe : Aza matahotra, ahy ianao, vonona ny ho faty ho fahasambaranao aho.
Any amin’ny fitsanganan’ny velona, araka izany, tsy mipetraka ny fanontaniana hoe ho an’iza ravehivavy, satria any amin’ny fanjakan’ny fitiavana dia samy mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra isika, zanaky ny fitsanganan-ko velona, tsy hisy ho faty ho an’ny hafa intsony satria velona ao amin’Andriamanitra avokoa, ary ambony lavitra noho ny maha-mpivady ny maha-mpiray tampo, miara-mandova ny fanjakana.
Izany no ambaran’i Jesoa mazàva fa Andriamanitry ny Velona ny Andriamanitsika. Manamafy ny iraka (mission) nahatongavany ihany koa izany : Tonga aho mba hanananareo ny fiainana, ary hanananareo azy amin’ny hafenoana (jereo Jn 10,10).
Raha tsy misy ny Fiainana mandrakizay, dia atao izay hameloma-maso ny rahalahy mba haharetan’ny aina ao amin’ny taranany, sao mba amin’ireo taranaka ireo no hipoiran’ilay Mesia nampanantenaina hahazoana ny fiainana. Mazava loatra araka izany, ho an’ny Sadoseana, fa izay maha-metimety ny fiainana eto an-tany no atao, tsy ilaina ny mampitombo Lalàna sy ny forongony. Ho an’i Jesoa anefa, tsy tokony hihanona fotsiny amin’ny fitandremanana ny Didy mba hananana ny fiainana mandrakizay, antsoiny isika mba hizotra ny fiainam-pahalavorariana (Lk, 18, 18-27).
Mifototra amin’ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra anefa izany rehetra izany. Tsy azo adinoina ny nolazain’i Jesoa tamin’ireo Sadoseana ireo : “Moa tsy diso hevitra ve ianareo ny amin’ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny Fahefan’Andriamanitra?” (Mk 12, 24). Asain’i Jesoa hijery tsara ireo zavatra roa ireo isika : ny Tenin’Andriamanitra na ny hoe fahafantarana ny Soratra Masina (Jn 5) sy ny Fahefan’Andriamanitra fototry ny fahavelomana mandrakizay (Fahen 15). Tsy azontsika atao an-tsirambina araka izany ny mivavaka mba handroso faingana ny Tenin’Andriamanitra ary hankalazaina hatraiza hatraiza araka ny nanafaran’i Md Paoly antsika, indrindra amin’ny fanahafana azy amin’ny asa soa sy fitiavana (2 Tesalonika 2, 15 – 3, 5).
Izay tsy mahalala ny Soratra Masina, tsy mahalala an’i Kristy, hoy i Md Jerome, mamporisika antsika izany hankafy ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina, hampitombo ny Finoantsika Azy, ilay loharanon’ny fiainana (Jn 11, 25). Ny fihaonana aminy, dia tokony hitondra mandrakariva fiovana eo amin’ny fìtondran-tena, tahaka an’i Zake, tafahaona tamin’i Jesoa tao Jerikao.
Tsy hanao tahaka ny mpanora-dalàna isika ka hilaza amin’i Jesoa hoe: “ry Mpampianatra o, marina ny filazanao”, kanefa tsy ny finoana ny teniny sanatria fa ny mba hanebahana ny mpifanandrina tsy manan-kalahatra (Sadoseanina) no nanaovana izany.
Tsy fandaminan-tsaina ny amin’ny tahotra ny fahafatesana fotsiny koa sanatria no hinoantsika ny Fitsangana-ko velona, fa kosa ho vokatry ny faniriana hanohy ny Fiainana maha-zanaka ao amin’Andriamanitra izay efa santarintsika sahady ao amin’ny Eokaristia ankalazaintsika, izay manambara ny Misterin’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.