Sabotsy faha-32 mandavan-taona
- Ankasa 3 Joany 5-8/Salamo 111
- Tsy ankasa Fahendrena 18, 14-16; 19, 6-9/Salamo 104
- Md Lioka 18, 1-8
“Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?”
Tsaroako ny tenin’i Jesoa tamin’ilay boka samaritana sitrana (Lk 17, 19) hoe “Ny Finoanao no nahavonjy anao”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana izay azo lazaina fa ilay fahaizana mankasitraka amin’ny soa noraisina, fankasitrahana ilay loharanom-pamonjena. Na izany aza anefa, tsy tokony hihanona amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra isika, mila mitalaho sy mivavaka lalandava sy am-paharetana (Evanjely Lioka 18, 1-8) mba hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny lalam-pahasambarana atoro antsika.
Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika: “Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha teo alohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina miaraka Aminy, dia mampianatra antsika fa tolona ny vavaka. Tolona amin’iza? Tolona amin’ny tenantsika ihany sy tolona amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy izay manao izao rehetra izao hampivily lalana ny olona tsy ho amin’ny fivavahana, tsy ho amin’ny firaisana amin’Andriamaniny. Tahaka ny fomba fiainana ihany no hivavahana, satria tahaka ny fomba fivavahana ihany no hihainana. Raha tsy tian’ny olona ny hanao izany matetika araka ny Fanahin’i Kristy, dia tsy ho afaka velively koa izy hivavaka amim-pahazarana amin’ny anarany. Tsy azo sarahina amin’ny tolom-bavaka ny “adim-panahy” ho amin’ny fiainam-baovao ataon’ny kristianina” (KFK 2725).
Tsy ny fahaizana mankasitraka ihany araka izany no maneho ny finoana fa ny fanetren-tena hitalaho ihany koa, fanetren-tena hiaikena fa raha tsy Andriamanitra tsy mahefa na inona na inona isika. Ny faharetana mangataka manko dia manambara ny tsy fananana toky hafa azo hianteherana intsony afa-tsy avy amin’ilay italahoana. Tsy midika ho fanaovana filan-tsy mahita an’Andriamanitra anefa izany, ka tsy hidodododo any Aminy raha tsy efa niala nenina tany an-kafa! Mazàna, ataon’ny olona ho Fitaovana Andriamanitra (Bouche-trou) ka rehefa afa-nenina ny fahefan’olombelona (fahaizana, vola aman-karena, fanompoan-tsampy…) vao mitodi-doha any amin’ilay Andriamanitra fihononana : tsy fitokiana izany fa fialana nenina! Fitokisana anefa ny Finoana.
Ny fakam-panahy matetika indrindra sy miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika. Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’io tsy finoana io raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro fa asa na ahiahy maro tsy tambo isaina, heverina ho maika, no miseho ho laharam-pahamehana; avy eo indray, ny fisehon’ny fahamarinan’ny fo sy ny fitiavany ny zavatra nosafidiana. Mbetika isika mitodika any amin’ny Tompo ho fangataham-bonjy farany: nefa inoana ho izany marina ve ? Mbetika isika mandray ny Tompo ho namana, nefa ny fo mbola ao anatin’ny hambo. Amin’ny toe-java-miseho rehetra anefa, ny tsy fahampian’ny finoantsika no manambara fa tsy mbola manana toe-po manetry tena isika : “Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5) [KFK 2732].
Asain’ny Evanjely isika mba hivavaka lalandava sy am-paharetana. Ny teny ampiasain’i Md Lioka moa hilazana izay am-paharetana izany dia ἐκκακέω (enkakeo), raha ny marina dia tsy hoe am-paharetana loatra fa hoe ny fitozoana mivavaka dia hitahiry ny fontsika lavitry ny ratsy (κακός kakos) ka tsy hanova antsika ho mafy fo, hasiaka na hahavanon-doza mihitsy aza, satria hoe toa tsy henoina.
Tsy manery fa miandry am-pitokiana toa ilay mason’ny Mpanao salamo miandra any an-tendrombohitra miandry vonjy amin’ny Tompony, maso vonton’ny finoana sy ny fitokisana, eo am-pamisavisana ny soa ataon’ny Tompo amin’ireo matoky Azy : miambina lalandava amin’ny ratsy rehetra (Sal 120). Izay mivavaka marina no mahatsapa fa eo mandrakariva ny masoandro na dia takon’ny raho-matevina aza indraindray.
Izany fitokisana izany no ambaran’ny Boky Eksaody ihany koa (Eksaody 17, 8-13) : Taorian’ny fitsapana manoloana ny hanoanana ka nahazoana ny mana (Eks 16; mofo/vato), sy manoloana ny hetaheta ka nahazoana ny ranon’i Masa (מִסָּה Massah, fitsapana) sy Meriba (מְרִיבָה Meriybah, fikomiana) (Eks 17, 1-7/soif de pouvoir, faniriana te hanjakazaka), ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita nanohitra an’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), dia manambara ny tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra na amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alalan’ny Mpanompony mivavaka (Eks 17, 8-13/Andriamanitry ny aina).
Indraindray toa resaky ny moana sy ny marenina anefa ny vavaka ataontsika. Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana, na ho an’ny tena na ho an’ny hafa. Mijanona tsy mivavaka mihitsy aza ny sasany indraindray rehefa tsy mifanaraka amin’ny fangatahany ny zava-misy. Fanontaniana roa anefa no tokony hapetraka: Nahoana isika no mihevitra fa tsy ekena ny fangatahantsika? Ary ahoana no anekena ny vavaka ataontsika sy “andairany” ? (KFK 2734) Tsy Andriamanitra sanatria no moana na marenina fa miankina amintsika ihany izany. Hoy ny Katesizy mampahatsiaro antsika:
“Aza malahelo ianao, raha tsy mandray eo no eo avy hatrany amin’ Andriamanitra izay angatahinao Aminy ; ny sitrany dia ny mbola hanao soa betsaka ho anao ao anatin’ny fitozoanao miara-mitoetra Aminy amin’ny vavaka (Evagre Pontique). Tiany raha sedraina amin’ny vavaka ny faniriantsika. Noho izany, mandrisika antsika handray izay efa nomaniny homena antsika Izy” (Md Augustin) (KFK 2737).
Ho an’ny Mpitoriteny, hoy i Md Augustin, dia tokony hahay hiresaka amin’Andriamanitra, mialoha ny hiresaka momba an’Andriamanitra, “orator sit orator, antequam dictor” – izay mpitory dia tokony ho mpivavaka ihany koa (dikan’ny orator avokoa manko ny hoe mpitoriteny sy ny hoe fivavahana). Samia àry mandinika ny fiainany, mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, satria raha omentsika ny toerana voalohany Izy, dia hipololotra avy ao am-pontsika ny vavaka am-paharetana izay tsy maintsy ataontsika, araka ny nandidian’i Jesoa antsika (Lk 18, 1). Raha velomintsika sy kolokolointsika ao am-pontsika izany fitokisana ny herin’Andriamanitra izany dia ho zary Famonjena ho antsika ny fiavian’ny Zanak’olona, satria ny « Finoantsika no hamonjeny antsika ». Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy i Jesoa.
“Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?” Tsy ho sanatria ary ny fiainan’ny hafa no hamaliantsika izany fanontaniana izany. Raha hamaly an’i Jesoa isika, dia averiko apetraka mba ho azo ny fanontaniany: “raha miankina aminao, raha izany no zava-misy, vonona ny haharitra amin’ny finoana ve ianao mandrapaha-tongan’ny Zanak’olona?” Ny finoako no anontanian’i Jesoa, mbola hahita finoana ao amiko ve izy? Ary io finoana io ihany no azoko jerena sy fantarina raha misy na tsia. Ny ankoatr’izay tsy miankina amiko ka tsy azoko hanomezana valinteny akory.
Hanana finoana haharetana amin’ny soa anie isika na dia mety hitsòka mafy aza ny rivo-mahery mety hifanoherana amin’ny mpitsara tsy matahotra an’Andriamanitra.