Sabotsy faha-29 mandavantaona
- Ankasa Efezy 4, 7-16/Salamo 121
- Tsy ankasa Romana 8, 1-11/Salamo 23
- Md Lioka 13, 1-9
Ny fiantombohana sy ny fiafaran’ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Lioka dia resaka faty: amin’ny fiandohana dia mitantara ireo Galileanina novonoin’i Pilaty, ary any amin’ny farany milaza an’i Jerosalema mamono ny mpaminany; any amin’ny fiandohana milaza ny olona valo ambin’ny folo nianjeran’ny tilikambon’i Siloe, ary any amin’ny fiafarany milaza an’i Jerosalema tsy manaiky hovorian’i Jesoa mba harovany. Ireo fifampiantsoana ireo dia manampy antsika hahazo ny evanjely anio.
Moa ataonareo fa…!
Moa tsy afaka mba mitaky ny zony sy maneho ny heviny ve ny olona tsirairay? Izany no nataon’ny Jody sasany antsoina hoe Zeloty. Mora ny manome tsiny an’i Pilaty namono ireo Zeloty nikomy nanohitra ny fanjakana Rômana (mora ny manome tsiny ny Frantsay sy Senegaly namono ny maherifo tamin’ny 1947) fa sarotra kosa ny manaiky hihaino ny Mpampinany ka tsy hamono azy (sarotra ny tsy hamono an-dRatsimandrava ny 1975). Mety tsy hovonoina alatsa-drà ny mpaminany, fa vonoina kosa ny hasina maha-olona azy, alàna ny barakany sy ny voninahiny, endrikendrehana sy ampangaina mba tsy hinoan’ny olona azy ka hahafahan’ny feon’ny fieritreretana mandrimandry, tsy hibebaka. Tsy fiovan’ny fitondrana fa ny fiovan’ny fomba fisainana no atao hoe fibebahana. Tsy ny fanamelohana ny mpanao ratsy fa ny fankahalana ny ratsy ka itaomana ny mpanao ratsy hibebaka no idirana amin’ny fiainana.
Mora ny mitsetra ireo zeran’ny tilikambo, matin’ny loza, maty noho ny tsy fitandreman’ny hafa fa sarotra kosa ny miala amin’ny mahazatra sy amin’ny zavatra heverina ho fahafinaretana na dia mety hitondra amin’ny fahafatesana aza izany. Sarotra ny manaiky hambombaina tahaka ny zanak’akoho (Evanjely alakamisy faha-30). Na dia soratana aza hoe “mahafaty”, mbola hanina ihany, rehefa tsy ny fahazavana hanomezana hasina ny fiainana no manomboka mahazo laka. Izay tsy mibebaka dia hanimba ny fiainany, ho very toy ny izeran’ny tilikambo, maty “accidentés” fa tsy maty noho ny zavatra nisasarana sy notiavina mba hamelàna mamy ho an’ny hafa. Tsy sanatria sazim-pahotana ny fijaliana sy fahafatesana (ka heverina fa Andriamanitra no manasazy antsika); tsy sazy ireny fa vokatry ny fahotana. Mampahalahelo anefa raha ny tsy fitandremako sy ny fahotako no hitondran’ny hafa faisana sy fijaliana.
Tsy mila voa tsy hary anefa Andriamanitra amin’ny fiangaviana antsika mba hibebaka. Miandry telo taona toy ny mpamboly aviavy, ary mbola mihaino ny manompony koa hiandry taona hafa, hihevoana sy hanasi(v)ana zezika mba hamokarana, “raha tsy izany dia hokapaina ihany izy”. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny manararaotra ny tany ambolen’Andriamanitra azy, ny fikolokoloana sy ny zezika omeny, tsy misy afaka ny hiala tsiny fa tsy novoleny na tsy nokolokoloina. Anjaran’ny tsirairay ny mandini-tena amin’ny vokatra tiany ampamokarina sy efa nampamokariny. Tsy fieboeboana eo anatrehan’ny olona anefa ny fahazahoana vokatra, fa antom-pisaorana.
Ho haintsika anie ny hanararaotra ny taom-pahasoavana omena antsika mba hanomezana hasina sy lanja ny fiainana