Sabotsy faha-28 mandavantaona
- Ankasa Efezy 1,15-23/Salamo 8
- Tsy ankasa Romana 4,13.16-18/Salamo 104
- Md Lioka 12, 8-12
[Ny tokony hatahorantsika dia ilay afaka mamarina any amin’ny Gehena, ilay fitiavana hitsarana ny fiainantsika ka hampisy heviny azy na tsia. Ny fiainana tsy misy dikany, tsy misy “valeur”-ny eo anatrehany no mivarina any amin’ny afobe, ariana any amin’ny fanariam-pako. Tsy izy no manasazy antsika fa ny safidintsika no mety hampila loza antsika. Sarobidy eo imasony isika.]
Ny fanekentsika an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona araka izany no porofo hifampizarantsika koa ny hasambarany any amin’ny mandrakizay. Tsy azo adinoina fa kristianina mijaly sy mirisika ny ainy noho ny fanenjehana no nanoratan’i Md Lioka, ka zava-dehibe ny fankaherezana azy ireo mba hatoky ny fitsaran’Andriamanitra sy ny fitiavany mba tsy hatahorana izay loza afitsoky ny “mpanapaka” eto amin’izao tontolo izao. Izany no hahafahan’izy ireo mibanjina ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanany (Asa 7, 55ss).
Iza moa no mandà an’i Jesoa fa tsy ireo izay tsy afaka mandà ny tenany ka tsy mety ho tonga mpianany (Lk 9, 23). I Piera ohatra nandà tsy nahalala Azy, saingy nibebaka sy tonga mpankahery ny rahalahiny (Jn 21, 15-19) satria natoky sy nino ny herin’ny Fanahy izay nanangana ho velona an’i Jesoa. I Kristy voafantsika dia matetika adinontsika mihitsy aza, indrindra amin’ny fiatrehana ny fiainana an-davanandro (Gal 3, 1; Efez 4, 20ss). Ny fiezahana hahalala Azy ka hampifanarahana ny fiainana amin’izany fahalalana izany no famelana ny Fanahy hiasa, ka hahazoana miditra amin’ny fiainana, satria ny Fanahy no manangana antsika ho zanaka mpandova. Ny fandavana ny Fanahy, ny tsy famelana Azy hiasa, ny fandavana ny fahamarinana efa noraisina dia famarinana (varina) ny fiainana any amin’ny fahaverezana (He 6, 4-46; 10, 26-39). Tsy hahazoana famelan-keloka izany fahotana izany, tsy sanatria hoe Andriamanitra no tsy mamela fa noho ny sitrapon’izay tsy te hibebaka.
Tsy ho afobe ve ny lanitra, izay fibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra, ho an’izay mikiribiby nandà tsy hanandrana ny hamamin’ny fanomezam-boninahitra sy fisaorana amin’ity fiainana ity? Tsy ho fijaliana mandrakizay ve ny hanao ny zavatra nolavina tety an-tany, ny hahita sy hibanjina izay tsy nekena sy tsy tiana ho hita tety an-tany? (Jn 9, 41).
Ambaran’i Lioka mazava koa fa tsy afaka ny tsy ho voahenjika izay miaina ny Evanjely, mila mandini-tena ihany raha sanatria mifanaraka aminao avokoa ny olona rehetra, indrindra ny mpitondra sy ny manam-pahefana. Izany no fahasambaran’ny mpaminany sy ny olomarina (Lk 6, 22ss). Tsy manana fiarovan-tena afa-tsy ny fitokisana ny herin’ny Fanahy anefa izay te hijoro ho vavolombelon’ny Evanjely. Tsy hiaro tena manko no hanirahana azy fa ny hampiseho fa maharesy ny faharatsiana rehetra ny fitiavana, tsy afaka ny handresy ny hazavana na oviana na oviana ny haizina.
Hanaiky hotarihin’ny Fanahy anie isika ka handroso fahalalana isan’andro an’i Kristy araka ny fanilovana sy ny fampianarany.