Sabotsy faha-24 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 15, 35-37.42-49 /Salamo 55
- Tsy ankasa 1 Timôte 6, 13-16/Salamo 99
- Md Lioka 8, 4-15
Ny fihainoana ny Teny sy ny fanekena azy no iompanan’ity toko faha-8 ity. Fanoharana no itenenan’i Jesoa amin’ny vahoaka. Ny hoe παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka (na manipy) zavatra eo anilany na eo alohan’ny olona iray (na zavatra iray) ka avy amin’io ny hoe παραβολή, parabolè izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka hahafahantsika mampitaha azy amin’ny ohatra izay omeny.
Nivoaka ny mpamafy. Tsy afaka ny hamafy izay mijanona ao an-tranony. Henontsika tamin’ny Evanjely omaly fa ny lalana rehetra mamakivaky ny tanàna no notetezin’i Jesoa mba hitoriany ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Teny io rahateo no voa afafy.
Voatsinjara ho efatra ny fomba fandraisantsika ny teny: ny moron-dalana, ny tany vato, ny tany be tsilo ary ny tany lonaka. Karazan-tany ao anatintsika tsirairay ao avy ireo ka adidintsika ny manontany an’i Jesoa ny hevitry ny fanoharana mba hahafahantsika mandroso amin’ny finoana ka tsy hijanona ho vahoaka mpitazana tsy hahazo na inona na inona amin’izay heno ary tsy hahafantatra koa izay hita. Ny mpianatra no mahalala satria manontany, te handalina ny Teny ka hampamokatra azy eo amin’ny fiainana.
Ny vokatra kendren’ny Tenin’Andriamanitra moa dia tokana ihany: ny hahatonga antsika ho “mpamindra fo tahaka ny Ray”, ka ho tonga zanany marina tokoa (Lk 6, 35ss). Ny sakana voalohany dia ny mandeha eny amoron-dalana, fa tsy amin’ny lalana (παρὰ τὴν ὁδόν, à côté), tsy nahazo izay nolazaina, hoy i Md Matio (Mt 13, 19), ka esorin’ny demony mora foana ny Teny. Mba te hizotra ny lalana ihany, araka izany, saingy tsy noho ny safidin’ny tanjona hotratrarina fa noho ny fahazarana na ny fakan-tahaka izay ataon’ny olona fotsiny ihany.
Ny sakana faharoa dia ny fambolena eo ambony vato. Amin’ny fanorenana dia asain’i Lioka mangady hatrany amin’ny vato satria izay no haha-mafy orina an’izay mihaino ny Teny ka mitandrina Azy (Lk 6, 48). Raha ny ohatra ara-pambolena kosa no raisina dia tokony ho latsa-paka ny Teny raha tiana haharesy ny mety ho fitsapana tsy maintsy ho avy isan-karazany. Ny fo vato no mety hanakana antsika tsy haharitra amin’ny finoana.
Ny sakana fahatelo dia ny fiahiana ny fiainan’izao tontolo izao sy ny harena ary ny hafinaretana izay oharin’i Jesoa amin’ny fanageazan’ny tsilo, izay mamihina tsikelikely ilay voa vao nitsimoka ka miafara amin’ny fahafatesany. Ny fiahiana moa dia vokatry ny tsy fahampiana, ny faharoa vokatry ny firaiketam-po amin’izay voaangona, ny fahatelo kosa dia ny avonavona ateraky ny harena, ka hahatonga azy, tsy ho fitaovana hitovizana amin’ny Ray fa hireharehana sanatria amin’ny zanany.
Raha fintinina ireo sakana telo tsy hahafahantsika mandray ka mampamokatra ny teny dia ny tsy fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo (mafy loha), ny tsy fitiavana Azy amin’ny fanahy manontolo (tsy fitozoana sy tahotra ny ho faty, tsy matoky), ary ny tsy fitiavana Azy amin’ny hery manontolo (fifikirana amin’ny harena mandalo). Izay maheno ka manaraka ny lalam-pahasambarana atoron’ny Teny no hampamokatra azy, eny fa na dia tsy mitovy koa aza ny vokatra azo
Angatahontsika ny fahasoavana mba tsy hahajamba ny fontsika, mba hanova ny fo vato ho tonga tany lonaka (Ezekiela 36, 26ss) hitsirian’ny Teny fa ho afaka hibanjina ny fitiavan’Andriamanitra isan’andro ary hitombo fahalalana sy fitokisana Azy.