Sabotsy faha-23 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 10, 14-22 /Salamo 115/
- Tsy ankasa 1 Timôte 1, 15-17/Salamo 112
- Md Lioka 6, 43-49
Ao am-pon’ny olona no hitsirian’ny zavatra rehetra, na tsara izy na ratsy, ka hitsaràna izay hita eny ivelany fa loharano ipohirany. Izany no hahafahana mampamokatra ny soa sy mamongotra ifotony kosa indray ny ratsy.
“Tsy misy hazo tsara (καλός kalos, beau, tsara tarehy) mamoa voa ratsy (σαπρός sapros, corrompu, pourri, marary, lò) ary tsy misy hazo ratsy (σαπρός) mamoa voa tsara (καλός). Tsy mampiasa ny ἀγαθός amin’ny hazo moa i Md Lioka.
Mila manontany tena isiks araka izany hoe: karazana hazo inona aho, satria misy hazo mitondra amin’ny fiainana ary misy hazo mitondra kosa amin’ny fahafatesana. Avy milaza momba ny κάρφος (karphos: sombim-bozaka) eo amin’ny mason’ny rahalahy i Jesoa dia milaza kosa indray ny καρπός (karpos: voan-kazo) tokony hampamokarina. Ny voany no hahalalana ny hazo ka izay hazo tsy manome voa tsy mitovy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra tokony halaina tahaka, dia tsy tsara. Tsy afaka hahazo voaloboka avy amin’ny voaroitsilo. Tsy ho azo terena ho aviavy koa ny tsilo.
Avy ao amin’ny rakitra misy ao am-po no hamoahan’ny olona ny zava-tsoa asehony eo amin’ny fiainany. Raha dinihina tsara ny fomba filazan’i Jesoa azy, dia mety hisy ratsy ihany, ary izany no zava-misy, ao am-pontsika ao, saingy tokony hiezahana mba tsy ho avy amin’ny ratsy (πονηρός poneros, plein de contrarieté, périlleux, mampidi-doza, mahavaky loha)fa avy amin’ny rakitra tsara (ἀγαθός agathos, bon, tsara fanahy) no hibaiko ny fisainana sy ny zavatra atao. Lazain’i Jesoa koa anefa fa “izay be ao am-po no itenenan’ny vava”. Ilaina araka izany ny mampitombo hatrany ny soa ao am-pontsika, satria ny vava dia mialoha mandrakariva ny tanana sy ny asa. Ny lela, hoy Md Jakoba no hifandraisana amin’ny hafa ka hahafahana mandray azy na manangana rindrina hisarahana aminy. Ny lela dia toy ny afo, ka fototry ny haratsiana maro (Jak 3, 1-12).
Ny Tenin’Andriamanitra izay henointsika no raisintsika mba hanadiovana ny fo amin’izay rehetra mety ho faharatsiana, fa hitomboana amin’ny soa. Momba izany fandraisana sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra izany no anohizan’i Jesoa ny fampianarany. Mandiniha tena, hoy Izy ny amin’ny fiantsoana hoe “Tompoko, Tompoko”, kanefa ny lazainy tsy tanterahana akory.
Ny fanatanterahana ny teniny dia tahaka ny fanorenana trano eo ambony vatolampy, ka mila mangady lalina alohan’izany. mba hahafahana manorina eo ambon’ny Vatolampy dia i Kristy, dia mila manala izay “tsy Kristy” ao amintsika aloha isika, ary izay ihany no hahafahana matoky fa mafy orina ny trano. Ny fanorenana ambony vatolampy koa dia midika ny fifidianana toerana avo. Ny fasika manko dia amin’ny toerana iva indrindra itondran’ny ranon-driaka azy no hitobiany. Ny vatolampy kosa, tsy afaka ny hitoetra raha tsy efa mafy orina. Izay mihaino ny tenin’i Jesoa ka tsy manaraka azy dia olona manorina ny fiainany amin’izay itondran’ny riaka azy, ka mazava loatra fa loza no hiafaran’izany trano izany.
Ny tena mpianatr’i Kristy araka izany, dia hanala izay sakamandimby manakona ny masony tsy hahita an’Andriamanitra, tsy hahalala ny fetrany sy ny fahajambany, mba hahafahany manampy ny hafa; avy eo mila misafidy ny tany lonaka mba hahafahany mampitsimoka sy mampamokatra izay tsara ao aminy; fa mila mangady lalina koa mba hahitany an’ilay vatolampy hahafahany manorina ny trano hahatahirizana ny vokatra ho amin’ny mandrakizay.