Sabotsy faha-22 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 4,9-15 /Salamo 144/
- Tsy ankasa: Kôlôsianina 1,21-23/Salamo 53
- Md Lioka 6,1-5
Ny tontolo vaovao noharian’i Jesoa, nolazaintsika omaly [nandroahany ny demony tamin’ny herin’ny Teniny (Lk 4,31nm), nanasitranany ny rafozam-bavin’i Piera mba hahafahany manompo (Lk 4,38snm), nampamokatra ny jono nandamoka nandritra ny alina nataon’ireo mpianatra (Lk 5,1-11), nanasitrana ny boka mba ho afaka hanolotra ny fanatitra hankasitrahana (Lk 5,12snm), nampitsangana ilay kilemaina (Lk 5,17snm) ary niantso an’i Levì poblikana ho mpianany sy niara-nisakafo tamin’ny mpanota namany] dia miafara amin’ny שַׁבָּת shabbāth, ny fitsaharana mba higaga sy hibanjina ny hatsaran’ilay Mpahary, tsy mitsahatra ny manasoa ny olona amin’ny alalan’ilay voahosotry ny Fanahy Masina. Ireo izay nohariana ho olom-baovao avy amin’ny batemy, araka izany, dia antsoina mba handray anjara amin’ny fanasana hihinanana ny mofo sy ny divay, mitondra otrik’aina mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ao amin’ny Deoterônômy dia misy antony telo lehibe hitandremana ny Sabata:
- ny andro fahafito dia sabata ho an’ny Tompo, ilay andro nitsaharany tamin’ny fahariana ny tontolo, tsy fitsaharana mba hakàna sasatra, fa fitsaharana taorian’ny asany rehetra (Jen 2,3) ka amasinina amin’ny fibanjinana ny hakanton’ny zavaboary izay hitan’Andriamanitra fa tsara indrindra;
- ny andro fahafito koa, dia fankalazana ny hasambarana izay katsahin’ny olona amin’ny asany, ka hanandramana ny fahafahana sy ny fitovizan-jo tanteraka, ka na ny mpampiasa, na ny mpiasa sy andevo, ny tompon-trano sy ny vahiny, eny fa na dia ny biby fiompy aza, dia samy hiala sasatra, hisantatra ny fahasambarana hitovizana sitrak’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra;
- ny andro sabata dia hahatsiarovana ny sandry maherin’Andriamanitra nanafaka tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, ka ny fahatsiarovana izany dia hampisaotra an’Andriamanitra (Dt 5,12-15).
Efa fisantarana sahady ilay שַׁבָּת (Shabāth – Sabata) lehibe sitrak’Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra no nataon’i Davida: manome ny mofo hohanin’ireo manaraka azy (1Sam 21). Ny hahasambatra ny olona no tanjon’ny Lalàna, ka tsy fandikàna fa fanatanterahana azy ny fanaovana zavatra mahasoa kokoa noho izay takian’ny lalàna. Raha voararan’ny lalàna ohatra ny fampiasana ny olona ny Sabata, hohelohina ve ny hisakafoanany mba hahavelona azy? Ny Mpianatra dia tsy mangalatra araka ny lalàna (Dt 23,26). Ny fihinanana salohim-bary mialoha ny hanaovana fanatitra ho an’ny Tompo (Lev 23,14) sy ny fikarakarana sakafo ny andro Sabata (mikosoka amin’ny tanana) no voarara.
I Davida aza nandika ny lalàna koa hoy i Jesoa ary voarakitra an-tsoratra izany (1Sam 21,1-7): tsy hoe hihinana ny mofo alahatra fotsiny anefa no sitrak’ilay Tompon’ny Sabata fa ny hihinana ny Tenany atolony ho sakafo avy amin’ny Ray ho aina iveloman’ny vahoakany. Izany moa no nahatonga ny Fiangonana tsikelikely ho resy lahatra ka namindra ny fotoana hivavahana ny alahady, dies dominica, andron’ny Tompo, entina hilazana fa ambony lavitra noho ny fanajana ny lalànan’ny Sabata ny fitandrovana ny Lalànan’ny Fitiavana iveloman’izay mino ka mankalaza an’i Kristy tafatsangan-ko velona, ilay nanala antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahafatesana mba hivelomantsika ny fahafahana amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika amin’ny fiombonana amin’ilay Zanaka lahitokana.
Ho haintsika koa anie ny hiaina araka ny fitiavana ka hampiasa ny lalàna sy ny fahefana hanasoavana fa tsy hamoretana.