Sabotsy faha-19 mandavan-taona
- Ankasa Ezekiela 18, 1-32/Salamo 50
- Tsy ankasa Josoe 24, 14-29/Salamo 15
- Md Matio 19, 13-15
Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy, fa an’ny tahaka azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Tamin’ny talata, henontsika tamin’ny Evanjely ny fanontaniana hoe: “Iza no ambony indrindra (μείζων meizon: lehibe, zokiolona) amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Izay tonga toy ny zazakely (παιδίον paidion) izay avy amin’ny παῖς (pais) tovolahy mpanompo, na andevo mihitsy aza. Izay te ho lehibe aminareo no ho tonga mpanompo faran’izay zandriny, izany hoe tsy haniraka na iza na iza intsony, tsy mahaleo tena fa hiankin-doha tanteraka amin’ny hafa. Ny antsika anefa heverina fa izay manome baiko na izay tompon’ny teny farany no lehibe. Mety ho eo anatrehan’ny olona izany fa tsy eo anatrehan’Andriamanitra.
Ireo παιδίον (paidion) ireo dia manahirana antsika indrindra rehefa misisika hanatona an’i Jesoa, atahorantsika soa mangalatra ny toerantsika, na sanatria an’izany misongona antsika amin’ny fitiavana asehon’ny Mpampianatra azy ireo. Dia aleo roahina sao mangalatra ny fotoana tokony hisehosehoantsika amin’ny hafa fa isika no tena tanan-kavanan’ny Mpampianatra. Impiry aho no mahatsapa izany rehefa mahita kristianina mahavita manankiana ny pretra satria miresaka maharitra amin’ny olona iray kanefa izy efa miandry eo mba hiresaka koa. Rehefa tonga anefa ny anjarany dia mora aminy ny milaza hoe: mba anjaran’ny hafa koa izao no miandry. Izay mihevitra ny olon-tiany (ny Jesoa hinoany) ho fananana dia tsy tia fa tia ny tenany fotsiny ihany. Raha heverintsika ho fananantsika i Jesoa dia tsy hahafaly Azy izany. Izay ataontsika mba hitiavan’ny olon-drehetra Azy no mariky ny fitiavantsika Azy.
Teo amin’i Israely, ny παιδίον (paidion), na adika hoe zaza madinika na koa hoe andelolahikely, dia natao tsinontsinona satria sady tsy mahalalana ny Torah (Lalàna) no mahantra fadiranovana, mivelona amin’ny hafaliam-pon’ny hafa (raiamandreny na mpampiasa). Raha endrika isehoan’i Kristy ny mahantra ary izy ireo no tompon’ny lova any amin’ny Fanjakan’ny lanitra (azy ireo sy ny toa azy ireo ny fanjakana: jereo Mt 5, 3 sy Mt 18, 3), ho sahintsika ve ny hanilikilika azy ireo? Tsy ao amin’ny pretra na ny eveka na ny mpitondra fanjakana no lazain’ny Evanjely fa hahitana an’i Kristy fa ao amin’ny madinika sy ny mahantra (Mt 25) ka izay mandray ireto farany ireto no mandray Azy. Tsy midika izany fa hatao tsinontsinona ny mpitondra, fa kosa manampy antsika (ary manampy izay nahazo andraikitra hanompo eo amin’ny fitondrana) hibebaka ka hiaina araka ny Evanjely marina tokoa, hahatsapa fa fanompoana no maha-mpianatra fa tsy fanilikilihana ny madinika sy ny mahantra.
Tsy mora anefa ny mametra-tanana amin’ny ankizy, ny mametraka ny fitokisana amin’izay tsy mbola mahay manavaka ny atsimo sy ny avaratra akory, saingy ampianarin’i Jesoa isika hiditra amin’ny lojikan’ny fanantenana, ka hatoky ny Andriamanitra mpahary sy mpitantana ny zavatra rehetra. Tahaka an’i Simeona, nitrotro an’i Jesoa zazakely dia mihira ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tahaka izany koa izay manaiky hanohy ny dia miaraka amin’i Jesoa, mametraka ny fitokisany eo ampelatanan’ny zaza, satria matoky fa tsy ny herin’ny olombelona fa ny fahasoavan’Andriamanitra no afaka mampamokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Sady antsoin’i Jesoa ho toy ny zaza, miankin-doha aminy isika no ametrahany tanana, ametrahany ny fitokosana feno. Raha tsy Izy mnako, tsy mahefa na inona na inona isika, ka sady hahatsapa ny maha-tompon’andraikitra feno fa tsy hanao fanahin-jaza, araka izany, no tsy hitompo teny ho fantatra fa hanovo lalandava ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny hery amby ampy hijoroana ho vavolombelona fa Fitiavana ny Ray.
Ho haintsika anie hihonona sy hangina toy ny zaza vao notazana eo afofoan-dreniny ka hametraka ny fitokiana aminy irery ihany (Sal 130) satria zanaka tian’Izy Ray hiara-mandova amin’i Kristy ny fiainana mandrakizay.