Sabotsy faha-18 mandavantaona
- Ankasa Habakoka 1, 12 – 2, 4 /Salamo 9
- Tsy ankasa Deterônômy 6, 4-13 /Salamo 17
- Md Matio 17, 14-19
Ny Evanjely anio dia mifanaraka amin’ny fitantarana ny fiovan’ny Tompo tarehy teny an-tendrombohitra sy ny fanontaniana mikasika an’i Elia ilay ho avy. Ireo mpianatra tsy niaraka taminy teny amin’ny tendrombohitra avo, tafasaraka taminy, mazava loatra no nitondran’ity lehilahy ny zanany voan’ny androbe (σεληνιάζομαι seleniazomai, lunatique), azon’ny demony marenina sy moana, araka an’i Marka (Mk 9, 17.25), saingy tsy nahasitrana azy izy ireo. Lazain’i Jesoa fa ny tsy fahampian’ny finoana no tsy nahavitan’ny mpianatra izany. Eto izany isika dia afaka manao fandalinana hafa koa mahakasika ny atao hoe finoana.
Taranaka tsy mino (ἄπιστος apistos) sy ratsy fanahy, διαστρέφω (diastrepho), mifanohitra amin’ny toetra naharian’Andriamanitra azy, tahaka ny zaza tsy mendrika, tsy nahay nandray ny fitiavan’ny Tompony (Det 32, 5). Tsy ny rain’ny zaza, izay lazain’i Marka fa nohadiadian’i Jesoa tsara mikasika ny aretin’ny zanany no heveriko fa hitenenan’i Jesoa fa ny mpianany. Fitoizan’ny fampianarana mahakasika ny finoana mba hahafahan’izy ireo mizotra amin’ny lalindalina kokoa: hoy Izy tamin’i Piera: “ry kely finoana (ὀλιγόπιστος), nahoana no misalasala ianao?” (Mt 14, 31); “ianareo koa ve, mbola tsy mahalala ihany (ἀσύνετος a-sunetos, sans intelligence)? (Mt 15, 16); “Mialà amiko, ry satana! manafintohina ahy ianao” (Mt 16, 23) ary eto, “Mandrapahoviana no handeferako aminareo?” (Fanisana 17, 27), mampahatsiaro ny Tenin’YHWH tamin’ilay vahoaka mafy hatoka tsy nety nivily tamin’ny lalany mba hihaino ny Tenin’ny Tompony.
Ho an’ny Mpianatra, araka izany, ny tsy fahalalàna, ny tsy finoana dia vokatry ny tsy fahaizana mihaino ilay “Zanaka malala ankasitrahin’ny Ray”, ka izay tsy manana finoana tahaka ny “voatsinapy”, dia tsy afaka ny hanao na inona na inona. Tsara ho tadidiana fa io voatsinapy io, ilay finoana kely mba ananana, dia tsy maintsy alaina ka alevina ao anaty tany mba ho tonga hazo hialofan’ny voromanidina rehetra (Mt 13, 31ss). Izay tsy mahafoy izay ananany, eny fa na dia zavatra bitika monja aza, dia tsy afaka ny hamokatra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny finoana, na mitombo na maty.
Tsy ampy ny finoan’ny Mpianatra, saingy antsoiny mba hitombo hatrany, mandrapahatongany hazo lehibe hialofan’ny voro-manidina, antsoiny hifangaro amin’ny lafarinina mandra-pibohoky ny koba manontolo (Mt 13). Ho an’izay manam-pinoana no afaka hamindra toerana “io tendrombohitra io”. Heveriko fa tsy ny tendrombohitra rehetra no azon’izay manam-pinoana hafindra, fa ilay tendrombohitra niovan’i Jesoa tarehy, ka hahafahan’izay rehetra maniry ho mpianany mibanjina marina tokoa ny Tavany, ka hiverenan’izy ireo koa, hamirapiratra, ka tsy hisy tsy ho azony atao, satria hiara-midina amin’Izy Tompo izy ireo. Amin’izany ny mpianatra no afaka hilaza toa an’i Md Paoly hoe: “Efako ny zavatra rehetra, miaraka amin’ilay mankahery ahy” (Fil 4, 13).
Amin’ny fanasitranan’i Jesoa ilay zazalahy koa dia misy lesona mazava tokony horaisintsika. Ny voalohany dia any amin’i Jesoa no tokony hitondrana ny marary fa tsy any amin’ny mpianany. Tsy manangona olona manodidina azy izay tena mpianatr’i Jesoa fa manangona olona ho any amin’i Jesoa, ary miaraka Aminy, mizotra mankany an-tranon-dRainy. Ny faharoa dia ny fomba nandroahan’i Jesoa ny demony: norahonany, ἐπιτιμάω (epitimao), noteneniny mafy. Izay mihevitra ny hiady hevitra na andresy lahatra ny demony, tsy haharesy azy fa vao maika aza hila raharaha aminy. “Aoka ny teninareo ho eny dia eny, tsia dia tsia, fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy” (Mt 5, 37).
Mandrapahoviana no hitoeran’i Jesoa eo amin’izy ireo? Ny valintenin’i Jesoa mahakasika izany no namaranan’i Md Matio ny Evanjeliny: “Ary indro aho eo aminareo mandrakariva amabarapahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20b). Miaraka amintsika Izy, saingy isika kosa no ho eo amin’izao tontolo izao (Jn 17, 11), ary ny fihainoana ny teniny no antoka ho antsika, satria raha tsy Izy, dia tsy hahefa na inona na inona isika. Izany no fahamatoran’ny finoana hahafahana mamafy ny voa: tsy afaka ny hanana fanantenana ho tonga hazo hialofan’ny voromanidina rehetra (Ezekiela 17, 22-23; 31, 6; Daniela 4, 9.18) raha toa ka tsy maty ny voa nalatsaka tamin’ny tany (Jn 12, 24-25).