Sabotsy faha-17 mandavan-taona
- Ankasa Jeremia 26, 11-24/Salamo 68
- Tsy ankasa Boky Levitika 25, 1-17 /Salamo 66
- Jobily
- Md Matio 14, 1-12
“Nalain’ny Mpianatr’i Joany kosa ny fatiny dia naleviny, vao lasa izy ireo nilaza izany tamin’i Jesoa”.
Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ambaran’i Matio anefa fa miafara amin’ny martiry izany tsy fanajana izany, ka ny fitantarana ny nanapahana ny lohan’i Joany izay entina hanamafisana ny fanapaha-kevitr’i Jesoa hanolo-tena hamahana ny vahoaka sy hitondra azy any am-pitan-drano dia manampy antsika hahazo fa izay te ho mpaminany, hanaraka ny dian’ireo mpaminany nialoha lalana antsika dia tsy manan-tsafidy amin’izay hiafarany.
Tsy azo adinoina anefa fa ny hazavan’ny Fitsanganan-ko velona no nentina nanoratra ny Evanjely. Tsy ny fahafatesana araka izany no manana ny teny farany fa ilay fandresena manova ny fizotry ny tantara. Ny faharetan’ny mpaminany hatramin’ny farany, na dia hamoizany ny ainy aza no fandresena ho azy.
Mora ny mimenomenona amin’ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina, saingy tsy mora ny mijoro ho vavolombelon’ny marina satria mangetaheta marina tokoa izany fahamarinana izany. Amin’ny fitantaran’i Matio sy Marka, raha haravona, na noho ny fankahalan’i Herôdiada na dia noheverin’i Herôda ho lehilahy marina sy masina ihany aza i Joany (Marka 6, 17-20) na noho ny mety ho olana ara-politika manokana nateraky ny fampianaran’i Joany ka nahatonga an’i Herôda nitady hamono azy saingy natahotra ny vahoaka izay nanao azy ho mpaminany (Mt 14, 5), dia samy manambara ny hiafaran’izay mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana, tahaka an’i Joany Batista.
Ny Fanasan’i Herôda niafara tamin’ny famonoana ny mpaminany dia sakafo niarahana tamin’ny olona mahamenatra ka tsy nahafahany nivadi-dela tamin’ny fianianana natao. Ambaran’ny vakiteny amin’ny alatsinainy kosa fa ny mahantra, ny vahoaka tsimandadiharona no fahanan’i Jesoa hanina any an’efitra. Ao an-dapan’ny mpanjaka dia tapa-doha izay milaza ny marina, any an’efitra kosa dia velona izay mihaino ny marina. I Herôda moa nanao ny lapany hihaonan’ny maty eritreritra ka ho zary fasana hilevenan’ny lohan’i Joany, i Jesoa kosa manova ny tany efitra ho toeram-pivokisana ho an’ny vahoaka mangetaheta ny fahamarinana.
Ny mpaminany dia olona malaza, ary noheverin’ny sasany (tahaka an’i Herôda) fa ny amboròan’ireo mpaminany efa novonoina fa nitsangan-ko velona satria mahavita fahagagana maro kokoa no ao amin’i Kristy. Izay manaiky hanara-dia ny mpaminany dia hahavita zavatra lehibebe kokoa noho ireo teo alohany (Jo 14, 12). Tsy olona hihafinafina tsy akory fa olona hijoro amin’ny marina “hahatapaka ny lohany”, ary tsy mihemotra amin’izany.
I Jesoa no fahamarinantsika ka ho haintsika anie ny hihaino ny marina mba tsy hiombonantsika amin’ny haratsian’i Herodiada sy amin’ny hakanosan’i Herôda fa hitomboantsika kosa finoana ho tonga mpaminany hitory azy tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny fiainana manontolo ka hitondra ny vahoaka amin’ny fahafahana marina mahasambatra, araka ny sitrak’Andriamanitra.