Sabotsy faha 16 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia 7,1-11/Salamo 83
- Tsy ankasa: Eksaody 24,2-8 /Salamo 49
- Md Matio 13,24-30
Namaky loha ny olona hatramin’izay ka hatramin’izao ny fisian’ny ahi-dratsy maniry eo amin’ny tanimboly namafazan’Andriamanitra ny voa tsara. Avy aiza ny ratsy ary nahoana no toa mahomby kokoa ny mpanao ratsy noho izay mitandrina ny lalàna (Sal 73)? Mandra-piteraky ny vary anefa dia tsy voaavaky ny masontsika ny vary sy ny tsiparifary. Impiry isika no maheno olona mimenomenona amin’ny tsy nampoizina: “ny voany no hahalalana ny hazo”, hoy i Jesoa (Mt 12,33), kanefa koa hoy Izy hoe “avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana”.
Ny ohatra noraisin’i Jesoa momba ny ahi-dratsy (izay hita ao amin’i Md Matio irery ihany) dia manambara amintsika fa tsy ravindraviny ivelany fotsiny ny ratsy fa mamàka ao am-pon’ny tsirairay sy eo amin’ny seha-piainan’ny mpiara-belona. Tsy ny hanongotra azy no iantsoan’i Jesoa antsika, raràny aza izany. Tiantsika ny hanana fo madio, hitoetra amin’ny fiaraha-monina tsy misy hosoka, tsy misy hokianina, kanefa tsy hiavaka eo imasontsika ny fahasamihafàn’ny vary sy ny tsiparifary raha tsy amin’ny famoazana, ka izay mety ho “herisetra” hanongotra ny ahi-dratsy, na dia tsara aza ny tanjona, dia hisy fiantraikany amin’ny voa tsara mandrakariva, mifanohitra amin’ny fahafahan’ny tsirairay, ka mety hitera-doza goavana aza indraindray.
Tsy Andriamanitra no mamafy ny ratsy fa ny fahavalo, kanefa kosa manainga izay rehetra mino azy ka manaiky ho zanany Izy mba hanam-paharetana toa Azy satria amin’ny fotoana fijinjana dia ny voa tsara ihany no hangonina any an-tsompitra. Tsy faharesen’ny tsara tsy akory ny fisian’ny ratsy fa vao mainka aza manandratra azy sy manome sehatra hahafahany mampiharihary ny hasarobidin’ny fitiavana izay manasoa ny rehetra, mampiposaka ny masoandro sy mandrotsaka ny ranonorana na ho an’ny voa tsara io na ho an’ny ahi-dratsy (Mt 5,45.48). Tsy valisoan’ny hatsaram-panahintsika manko ny fahasoavan’Andriamanitra fa setrin’ny fitiavany maimaim-poana kosa. Ao amin’izay maha be ny fahotana no mampiavosa ny fahasoavana aza, hoy i Md Paoly (Rm 5,20).
Mbola hiverenantsika moa ity amin’ny herinandro rehefa milaza mikasika ny ahi-dratsy hodorana. Ao amintsika tsirairay avy ireo ahi-dratsy hodorana ireo, ary ao amintsika tsirairay avy koa ny voa tsara.
Tsy misy afa-tsy ny fikolokoloantsika ny voa tsara no hahafahana mandresy ny ratsy. Aza manaiky ho resin’ny ratsy, hoy i Md Paoly fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Rm 12,21). Ho mpamindra fo tahaka ny Raintsika anie isika ka hahalefitra tsy hanongotra ny ahi-dratsy fa hikolokolo kosa ny voa tsaran’ny fitiavana sy ny famindram-po.