Sabotsy faha-12 mandavan-taona
Ankasa Fitomaninana 2, 2.10-14. 18-19/Salamo 73
Tsy ankasa Jenezy 18, 1-15/Salamo 127
Md Matio 8, 5-17
[Ao amin’ny Matio 8-9, dia fitantarana “asa folo” (satria ny mitambatra ny fitantarana ny fananganana ny zanak’i Jaira sy ilay vehivavy mitsi-drà) no manohy ny fidinan’ilay Moizy vaovao avy eny an-tendrombohitra: fanasitranana olona telo nahiliky ny fiaraha-monina (boka, ny jentily – goHim, vaviantitra mararin’ny tazo -Mt 8, 1-17); famantarana anehoana ny fahefany (ranomasina mitony, azon’ny demony, kilemaina); ary fanasitranana miaraka telo (zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagoga sy ilay vehivavy nitsi-drà samy 12 taona; ireo jamba roalahy; ilay lehilahy sady moana no azon’ny demony Mt 9, 18-35). Ireo famantarana roa ambin’ny folo nahazoana fahasoavana ireo dia tandindona ihany, sahala amin’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’Israely, santatry ny vahoaka maneran-tany hanirahana ny Apostoly.]
Nisy Kapiteny iray nanatona an’i Jesoa rehefa tafiditra tao Kafarnanoma Izy. Tsy misy ao amin’i Md Marka ity fitantarana ity. Na izany aza anefa, ny ἑκατοντάρχης (hekatontarches, tompon-jato) dia manamboninahitra amin’ny miaramila rômana, ka sarotsarotra ny mahazo ny antom-pisiany any Kafarnaoma (indrindra moa ny lazain’i Lioka fa nanampy hatramin’ny fanorenana ny sinagoga Lk 7, 5), raha tsy hoe amin’ny fiambenana ny sisin-tany angamba. I Galilea manko dia Tetrarka no nanjaka tany hatramin’ny taona 44 d.C. (nahafatesan’i Heroda Agripa I) ka noho izany dia tsy mbola tsy tena zanatany rômana tamin’ny andron’i Jesoa. Manampy antsika hahazo ny atao hoe finoana anefa izany rehetra izany.
Hatramin’ny 63 a.C, nandresen’ny Jeneraly Pompée ny Siriana moa ka nahazoany an’i Jerosalema no nidiran’ny Rômana an-tsehatra. Na izany na tsy izany dia mpanjana-tany no fahitan’ny Jody ny Rômana, na ireo tavaratra aza. Tsy nahasakana ity manamboninahitra ity tsy hanatona an’i Jesoa anefa izay mety ho vokatry ny fangatahany, na dia fantany aza fa tsy any amin’ny faritra hahafahany manao didin’ny besandry izy. Raha ny marina aza, dia tsy nangataka na inona na inona izy, ilay boka mba nilaza fa “raha mety dia hahay hanadio” azy. Ity kosa dia nilaza tsotra fotsiny fa marary malemy mandry ao an-tranony ny ankizilahiny (παῖς, pais, zanaka na zazalahy, i Md Lioka – Lk 7, 2, no nampiasa ny teny hoe δοῦλος doulos) ary mijaly mafy dia mafy.
“Dia izaho ve no ho avy hanasitrana azy ? » (Jésus lui dit: «Moi, j’irai le guérir?» TOB). Araka ny TOB dia izay no valin-tenin’i Jesoa. Sahala amin’ny milaza hoe: inona no hidirako amin’izany? Izaho Jody ve ho hiditra any an-tranon’ny mpanjana-tany? Raha izay no dikanteny raisintsika, izay mifanaraka amin’ny fitantarana mikasika ilay vehivavy kananea (Mt 15, 24) dia manampy antsika koa hahazo amin’ny fomba hafa ny valintenin’ilay Tomponjato.
Tompoko, tsy “olon-dehibe afaka haniraka anao” ho any ambany tafontranoko aho, fa nanonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko. Tahaka azy, olom-pehezina kanefa mba afaka mibaiko ny olom-peheziny ihany koa, ka sady manaiky ny teny baiko no mampiasa ny teny hibaikoana, mainka fa ilay Tompo (κύριος kyrios) mibaiko sy mandidy ny zavatra rehetra. Araka izany, tsy teniteny foana hatao tsianjery tsy akory ny finoana fa izany fitokisana amin’ny fahefan’Andriamanitra afaka manasitrana izany. Finoana toy izany no mahagaga an’i Jesoa, lazainy an’ireo nanara-dia Azy, izay mety hihevitra ny toerana azo eo akaikin’i Jesoa dia hanadino ny fitiavany maimaim-poana sy ny fitokisana amin’ny herin’ny Teniny. Izany moa dia entiny hilazana fa na ny jentily aza dia afaka miditra ao amin’ny tontolon’ny finoana, ary ambaran’i Matio mazava fa voaantso ho amin’izany ny olombelona rehetra hatrany atsinanana ka hatrany andrefana (hatrany avaratra ka hatrany atsimo, Lk 13, 19), ka ho asakasak’izay te ho any amin’ny haizina any ivelany hitomany sy hikotro-nify, halahelo sy ho tezitra amin’ny fiainana nolaniana tany ivelan’ny fitiavana. Ny fahafahana nomena antsika no hanapahantsika hevitra na hanaraka ny hafaliana ao amin’ny hazavan’ny fiainana na ny halahelon’ny haizina sy ny fahafatesana. Amin’ny ora handraisantsika ny hazavana ka hanehoantsika ny finoantsika no hahazoantsika fanasitranana.
Rehefa tonga ao an-tranon’i Piera kosa, amin’ny fitantaran’i Matio dia tsy nisy nilaza tamin’i Jesoa ny fahararian’ny rafozambavin’i Piera fa i Jesoa mivantana no nahita azy, nanendry ny tanany ka nahasitrana azy. Ny boka, nahazo aim-baovao ao amin’i Jesoa, afaka miombona indray amin’ny fiaraha-monina, ny tomponjato efa teo amin’ny fiaraha-monina fa miombona kosa indray amin’ny finoana marina, ary ny rafozam-bavin’i Piera, nositranin’i Jesoa ka nitsangana (ἐγείρω egeiro, nitsangan-ko velona) mba hanompo, hanasoa ny mpiara-belona. Antsoina ho amin’izany fanompoana izany isika rehetra nahazo fanasitranana avy amin’ny Tenin’ny finoana, “teny indraim-bava” nandroahany ny fanahy ratsy sy hanasitranany ny rofintsika sy ny aretintsika rehetra izay nolanjainy tamin’ny Hazo nentiny nanavotra antsika.
“Nony hariva ny andro”, io ilay andro hariva hilazana ny fijaliana, ilay haizina amin’ny mitataovovonana (Mt 27, 45), ny fahafatesana, ny fitsaharan’ny olona amin’ny asany. Amin’izay isika no afaka hitondra eo Aminy ny azon’ny demony sy ny marary rehetra, ka ny Hazofijaliana no faratenin’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona, hilazany ny hafenoan’ny fitiavany.
Hanaiky hositranin’ny feriny anie isika ka ho tonga mpanompo Azy ao amin’ny mahantra izay hisy eo amintsika mandrakariva (Mt 26, 11).