Sabotsy faha 11 mandavan-taona
- Ankasa: 2Tantara 24,17-25/Salamo 88
- Tsy ankasa: 2Kôrintianina 12,1-10/Salamo 33
- Md Matio 6,24-34
“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa”, mikolepaka an-daniny roa izany, hoy Elia Mpaminany (1Mp 18,21). Toy ny eo amin’ny sampanan-dalana isika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny sampy: tsy maintsy misafidy. Safidy ho amin’ny tsara hitondra amin’ny fiainana manoloana na amin’ny ratsy mitondra amin’ny fahafatesana anefa izany (Dt 30,15), ary safidy atao an-kalalahana tanteraka (Jôs 24,14-16). Ny Salamo 115 (113B) dia milaza fa eo anatrehan’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia eo koa ny “sampin-dry zareo”, asan-tanan’olombelona: manam-bava tsy miteny, mana-maso tsy mahita, manan-tsofin-tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo… ka izay nanao azy sy mitoky aminy dia hanahaka azy, izany hoe: tsy hahavita hampiasa ny zavatra ananana araka ny nahariana azy.
Ny fifidianana an’Andriamanitra marina araka izany dia mahatonga antsika ho lavorary, izany hoe hahay hampiasa izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika hanaovan-tsoa, hampitombo ny hafaliana sy ny fiadanana, mba hananana ny fiainana hatramin’ny hafenoany, ka ho “afaka hidera an’Andriamanitra” (Sal 115,17-18). Tsy afaka ny hanome izany fiainana izany μα(μ)μωνᾶς (mammôna). Tsy ho afaka ho tanjona na oviana na oviana ny harena. Ny Teny folo mitondra amin’ny fiainana natoron’i YHWH ny vahoakany dia ny hitia an’Andriamanitra amin’ny “hery rehetra”, izany hoe miaraka amin’ny harena rehetra (Dt 6,5). Izay mankeny an-tsena hividy sakafo, mangalatra raha toa ka sady mitondra entana mody no mitondra ny volany koa mody. Mila mahafoy ny tsara mba hahazoana ny tsaratsara kokoa sy ny mahasoa.
Izay tsy mandamina ny fiainany dia mety hampifangaro ny zavatra antoky ny aina amin’izay tsy mahasoa akory. Tsy hoe afaka ny ho velona tsy hihinana ny olona, saingy raha toa ka manompo sampy izy, dia hanahaka ny sampy: tsy hahay hampiasa ny sainy, ny tanany, ny vavany sy ny aminy rehetra mba hamokarany ka hahavelona azy. Tsy hahay hanaja izay laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany ka hahavita zavatra hanimba na hamono ny ainy aza. Izay manompo an’Andriamanitra marina kosa dia hanao izay tratry ny ainy hanatsarana ny fiainana, hampivoarana ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, eny fa na dia hahafoizana ny harena rehetra aza izany. Izay manaiky entanin’ny Fanahy Masina dia hahay hanavaka ny zavatra sarobidy kokoa. Na ny razantsika aza, nanaiky ny fahendrena avy amin’ilay Zanahary an-tampon’ny loha, ka niaiky fa “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”.
Md Paoly moa, manoratra ho an’i Timote, milaza mazava fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Tm 6,10). Ny Ntaolo ihany koa dia nahatsapa fa ny fanompoana ny harena dia mampiròna amin’ny ratsy: “Ny fitiavam-bola no volom-bodin’ny mosavy”, hoy ny ohabolan’izy ireo. Saingy nampiany hoe “ny vola no hozatry ny fiainana”, ka “raha lany harena, lany haingo”. Fakam-panahy mandrakariva araka izany ny fahatahorana ho lany harena sy tsy hanana fidiram-bola azo antoka. Ny mamôna moa, araka ny lazain’ny mpandalina Baiboly sasany dia avy amin’ny ma’amon, izay mitovy fototeny amin’ny amen, manambara fitokisana amin’ny harena. Izay mahazo ny hafatra lazain’ny Evanjely ihany araka izany no afaka hanao dingana lalindalina kokoa, ka hitoky amin’ny fitiavan’ilay mamelona ny voro-manidina (na dia tsy manao ny asa ataon’ny lehilahy mamboly, mioty sy manangona an-tsompitra aza), sy mampihaingo ny lisy eny an-tsaha mihoatra noho i Salômôna Mpanjaka teo amin’ny voninahiny (na tsy manao ny asa ataon’ny vehivavy amin’ny fanenomana sy fanjairana aza).
Ny voro-manidina anefa, tsy hoe voky tsy mihinana, hitantsika ny fody, misedra ny fandrika ataon’ny olona mba hihinanana voam-bary vitsivitsy. Tsy mihevitra ny mangalatra izy, satria zavaboarin’Andriamanitra tahaka ny ahitra rehetra ihany ho azy, na izay novolen’ny olombelona aza, misasatra ihany koa izy mba hisidina ho eny amin’ny toerana misy hanina, saingy tsy manahy kosa izay ho ampitso.
Izay mino ka matoky ny fitiavan’ny Ray no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra. “sy ny fahamarinany”: τὴν δικαιοσύνην αὐτοῦ – tèn dikaiosunèn autou, ny αὐτοῦ moa dia génitif masculin singulier (famenon’anarana) avy amin’ny αὐτός, izany hoe ny fahamarinan’Andriamanitra izany: Izy izay tia ny zanany mihoatra ny zavaboary rehetra, araka ny ventesin’ny Salamo 8; Izy izay manao soa ho an’ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5,45). Izany no fahamarinan’Andriamanitra tokony hokatsahintsika mialoha ny zavatra rehetra. Ao amin’izany fanjakan’ny fitiavana izany no hahafahantsika mampiasa ny harena nomena antsika araka ny sitrapon’ilay nahary ny zavatra rehetra mba ho fiadanan’ny zanany rehetra.
Izay miaina am-pinoana no afaka hihira isan-kariva ny tononkiran’i Simeôna (Lk 2,29-32), tsy hiandry ny ampitso mba hiderana an’Andriamanitra, fa afaka mandeha am-piadanana satria ampy nanandramana izany fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany izany ny andro “anio”.
Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny faniriana hikatsaka izany fahamarinany izany.