Sabotsy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 4,13-21/
- Salamo 117/
- Md Marka 16,9-15
Eo anatrehan’ny fandrahonana sy ny fanjakazakana nataon’ireo manam-pahefana mahefa, momba ny raharahan’Andriamanitra, araka ny henontsika omaly momba an-dry Ana Mpisorona mianakavy, dia mazava ny valintenin’ny Apôstôly: izay marina eo imason’Andriamanitra no atao. Tsy fihainoana toriteny tsara rindra na fandalinana ny zava-miafin’ny Soratra Masina manko no tanjona. Lalana mitondra amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy ihany ireny fa ny fanaovana izay marina eo anatrehan’Andriamanitra no tanjona, izany hoe ny “ho velona hiantsa ny ataon’Andriamanitra” (Sal 117).
Ambaran’ny Salamo setriny manko fa ny marina no miditra amin’ny varavaran’ny fahamarinana. Tsy ny marina araka ny saim-pantany na ny marina araka ny maro an’isa anefa, fa ny marina araka an’Andriamanitra. “Tsy iza isika fa izay eo anatrehan’Andriamanitra, dia izay ihany”, hoy i Mb Thérèse d’Avila amin’ireo mihevitra ny tenany ho zavatra.
Ny Evanjely moa (Mk 16,9-20) dia manampy antsika amin’ny fahazoana sy fiainana ny finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona. Marihina fa lazain’ny mpikaroka ho tsy nosoratana niaraka tamin’ny Evanjelin’i Marka manontolo ireo andalana ireo fa natovona taty aoriana, tokony ho nanodidina ny taona 60 ihany saingy samihafa na ny fomba fanoratra na ny voambolana ampiasaina, saingy efa tafiditra ao amin’ny Vulgate ka naraikitry ny Kônsily tany Trente ho isan’ny Soratra Masina.
Rehefa avy nilaza i Md Marka fa nandositra ny vehivavy ary tsy nilazalaza na inona na inona tamin’ny olona izay hitany tany am-pasana (Mk 16,8, izay mifanohitra amin’ny fitantarana hafa), dia nanambara fa niseho tamin’i Maria Madelena i Jesoa, sy tamin’ny Mpianatra roa nankany an-tsaha, izay nitantara tamin’ny Apôstôly fa tsy nisy ninoany. Ilay nandroahana demony fito no nisehoan’i Jesoa voalohany, avy eo ireo nisintaka tamin’ny fiombonana, avy eo ireo Apôstôly niara-nisakafo. Tsy ny fahamendrehana na ny fanarahan-dalàna fotsiny ihany no lalana hahafahana mihaona amin’i Kristy tafatsangan-ko velona; fa ny tsy fahamendrehana na ny fiainana tsy lavorary nodiavina ihany koa, na tamin’ny tsara na ny ratsy, dia tsy sakana velively hahafahana mihaona Aminy.
Raha avondrontsika ireo fampianaran’ny herinandron’ny Paka dia azo fintinina toy izao: izay miara-maty amin’i Jesoa Tompo dia miara-belona Aminy kosa. Ny Apôstôly moa tsy nisy niara-maty taminy fa nitsoaka an-daharana avy. Jiolahy no niara-maty taminy ka niara-belona taminy tamin’io andro io ihany tany am-paradisa: anio dia hihaona Amiko any am-paradisa ianao (Lk 23,43). Mazava eo fa fotoana iray ny fahafatesany sy ny nitsanganany ho velona sy ny nandraisany an’io jiolahy io tany am-paradisa. Ireo Apôstôly sy ny olon-tiana kosa, taorian’ny fandevenana dia ny hanaja ny faty araka ny fomba jody no noeritreretiny.
I Maria izay naharitra nitady Azy tany am-pasana no nihaona taminy voalohany: lalana mitondra amin’ny fihaonana amin’Ilay Velona ny fitadiavana Azy. Ahoana? Ao amin’ny Soratra Masina, ao amin’ny Eokaristia, eo anivon’ny Fiombonana (Evanjely rahampitso), fa indrindra indrindra amin’ny fanekena ny teniny, ka hanekena hitarika (hanjono) ny olon-drehetra ho any Aminy.
I Kristy kosa velona eo anivon’ny Fiangonany, mitana ny fampanantenany fa tsy hisaraka amin’ireo mpianany mandrapaha-tapitr’izao tontolo izao. Miara-misakafo amintsika Izy, na dia miandalana aza ny fisehoany amintsika satria manaja ny filanton’ny diantsika Izy; maniraka antsika hitory ny vaovao mahafaly Izy: izay nihaona taminy tafatsangan-ko velona tsy afaka ny tsy hitantara izany amin’ny hafa. Tsy manana porofo holazaina amin’ny olona afa-tsy ny hafaliana manenika ny fiainany novan’ny Evanjelin’i Kristy anefa ireo nahita Azy nitsangan-ko velona. Izay mbola vonton’ny alahelo sy ny tahotra tsy afaka ny hitory Azy koa (Mk 16,8). Izay mahatsapa ny hafalian’ny Paka kosa dia afaka miteny toa an’i Paoly hoe: nataoko fakofako avokoa ny zavatra rehetra mihoatra amin’ny fahalalako an’i Jesoa Kristy izay nahafoizako ny zavatra rehetra.
Vavolombelona no ilain’i Jesoa kanefa tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita Azy tafatsangan-ko velona; tsy afaka ny hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka ny hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely toriany. Izany no hahazoana hery hilazana tahaka ny Apôstôly hoe “Tsaroanareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra an’Andriamanitra; fa raha izahay, tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4,20).
Ho fitoriana ny Evanjely anie ny fiainantsika manontolo.