Paka
- Asa 10,34a.37-43 /
- Sal 117 /
- Kôlôsianina 3,1-4/
- Md Joany 20,1-9
- Md Matio 28,1-10
- Md Lioka 24,13-35
Ny toritenin’i Piera henontsika tamin’ny vakiteny voalohany dia iray (fahadimy) amin’ireo lahateny valo hita ao amin’ny Asan’ny Apôstôly, ary tao amin’ny tranon’ny Jentily (Kôrnely) izay efa hatao batemy no nilazany azy. Mampahatsiaro antsika ny fiainan’i Jesoa izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ka nanao soa hatraiza hatraiza nanasitrana izay rehetra azon’ny demony satria nomba Azy Andriamanitra, kanefa novonoin’ny olona, nofantsihiny tamin’ny hazofijaliana.
Ny Zoma masina moa dia nandinika manokana izany mistery izany. Nahoana ny Marina, mpanao soa hatraiza hatraiza no novonoina? Ny fandinihana izany dia mametraka antsika eo anoloan’ny Fahazavana marina, dia i Kristy nijaly sy maty teo ambonin’ny hazofijaliana. Tsy afaka handray ny hazavana izay te hijanona ao anatin’ny haizina, ka aleony ny haizina satria ratsy ny asany, hoy Md Joany (Jo 1,4-5; 3,19). Tsara hotadidiana mandrakariva araka izany ireo hazavana nentin’i Jesoa ho an’izao tontolo izao, antony namonoan’ny Jody azy, fa mety ho antony hanohizantsika hamono Azy ao amin’ireo mpianany koa ankehitriny:
1- Nohazavainy tamintsika, araka ny fankalazana ny alakamisy masina (fanasana tongotra) fa Andriamanitra “andevo” ny Andriamanitra Rainy, ka izay te ho tonga zanany dia tsy misy lalana hafa azony safidina afa-tsy ny fanompoana. Mazava ho azy fa tsy ho zakan’izay te hanjakazaka sy hanao didiko fe lehibe izany. Andriamanitra “mpamelona” fa tsy mpamono, tsy mpanasazy fa mpanao fety, isaky ny misy zanany miverina ao an-tranony, mitondra ny ondry naniasia an-tsangory mody ao am-bala: fahasorenana ho an’izay hihevitra ny tenany ho “hendry” sy “mpitandrina ny didy” (zokiny) izany; tsy ny sorona dorana no sitrak’io Andriamanitra io fa ny famindram-po: tsy ny fahamendrehantsika na ny haben’ny tolotra no hamonjeny antsika na sanatria ny halavan’ny vavaka ataontsika fa ny fitiavany maimaim-poana, hanahirana an’izay hihevitra hitady harena sy voninahitra tamin’ny tolotra sy ny fombafomba isan-karazany izany.
2- Nohazavainy koa fa endrik’Andriamanitra ny olombelona ka ny fanahafana an’Andriamanitra “andevo” no maha lehibe azy fa tsy izay hoby sy dera azo avy amin’ny olombelona (Jo 5,44): izay hahafoy ny ainy ho an’ny hafa no hahavonjy azy! Mazava loatra araka izany fa ho an’ny mpianatr’i Kristy dia mahazo tombom-pitiavana manokana ny mahantra, ny mpanota sy ireo ailiky ny fiaraha-monina: manahirana ny mpanan-karena sy ny olona mihevitra ho tsongoin’olom-bolo, mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa, izany (jereo ny fanazavana Zoma masina).
Inona no havalin’Andriamanitra Ray ny “habibian’ny olona” namono ilay Zanany Malalany? Nanangana an’i Jesoa ho velona, hoy i Md Piera manohy, ary nanendry vavolombelona hanambara sy hitory an’i Jesoa.
Izany fitsanganan’i Kristy ho velona izany, ary ny maha eo anivon’ny mpianany Azy no ambaran’ny jiron’ny paka arehitra mandritra ny dimampolo andro, izay fankalazana ny andro lehiben’ny Paka, ary arehitra isaky ny fankalazana ny sakramentan’ny fitsanganan-ko velona. Ny herin’i Kristy mitsangan-ko velona no hahafahan’i Md Piera miova toe-po, ka hanaiky fa tsy i Israely ihany fa ny olombelona rehetra no vonjen’ny Tompo. Ny olombelona rehetra no antsoin’Andriamanitra hino ka hahazo ny famelan-keloka avy amin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona.
Ny Fankalazana ny Eokaristia no mandrafitra ny Fiangonana ka hahazoany hery hijoroana ho Vavolombelona. Ao no ahafahana manitsy ny fomba fisainana mba tsy hikatsaka ny zavatry ny tany, ary hanandramana kosa ny fahavelomana ao amin’i Kristy (Vakiteny II). Ny Eokaristia manko no manambatra antsika ho Vatana iray ao amin’i Kristy.
Ampahatsiahiviko matetika rehefa miteny momba ny Eokaristia aho fa amin’ny vavaka fisaorana sy fankamasinana dia miantso ny Fanahy Masina indroa ny pretra (Epiclèse) mba hanamasina ny mofo sy divay (1) ary avy eo hanamasina ny Vahoaka (2) ho tonga “vatana sy Ran’i Kristy”. Mitovy ny hasin’ny Kômonio voahasina sy ny mpino voatsodrano ka tonga tena iray ao amin’i Kristy. Tokony hitovy araka izany ny fanajan’ny Kristianina ny Eokaristia Masina (Mofo sy Divay, Saintes Espèces) sy ny Fiombonana mampitambatra ny Mpino (communion des fidèles). Tokony ho tahaka ny fitsaohana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no tokony hitsaohan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina.
Tsy fiombonana fe fiombonana anefa ny ao amin’ny Eglizy fa fiombonana fifanompoana. I Joany dia mitantara ny fanasana tongotra, toy ny sakramenta manambara ny Eokaristia, nankalazaintsika tamin’ny fanombohan’ny Triduum pascal. Rehefa fantatr’i Jesoa fa “tonga ny fotoana hialany eo amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”, tsy hoe handaozany antsika izany sanatria, fa hidirany ao amin’ny voninahiny, ka hitoerany amin’ny hafenoana eo anivontsika. Fanasan-tongotra, fanomezana ny sombi-mofo an’i Jodasy, hanehoana ny fara-fitiavana hatramin’ny farany izay nitiavany ilay hanolotra azy eo an-tanan’ny fahavalo, ary fanomezana ny didim-pitiavana izay didy vaovao, izany no ataon’i Joany mba hampianatra antsika ny hevitry ny hoe “Mankalaza ny Eokaristia” sy ny hevitry ny misterin’ny hazofijaliana, hidiran’i Jesoa any amin’ny voninahiny.
Tsy afaka handray anjara amin’ny Kômonio izay tsy te hotiavina sy hitia. Avy mamerina ny fiekem-pinoana i Joany, milaza fa io Jesoa manasa ny tongotry ny Mpianatra io no ilay iraky ny Ray, Tompo sy Andriamanitra avy amin’Andriamanitra sy hiverina ao amin’Andriamanitra, taratry ny Ray (Jo 14,9), dia nitsangana hanasa ny tongotry ny Mpianatra.
Tsy fanambanian-tena araka izany ny filatsahana hanompo fa fanandratana azy, satria fiezahana hitovy endrika amin’Andriamanitra.
Ny fiainantsika araka izany no fijoroana ho vavolombelon’i Kristy tafatsangan-ko velona.
Ho an’ny Jody, ny Paka dia fahatsiarovana ny nanavotan’i YHWH ny razany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta. Ho an’ny Kristianina dia fankalazana ilay Zanak’Ondrin’ny Paka izay manala ny olona amin’ny fanandevozan’ny fahafatesana vokatry ny fahotana, hiala amin’ny haizina ho amin’ny hazavana maha olona afaka.
Araka ny fampianaran’ny Evanjely anio dia tsy zavatra vitan’ny indray andro ny finoana ny fitsanganan-ko velona fa mivoatra miandalana. Tsy tongatonga ho azy koa anefa fa manaraka dingam-piainana ary mizotra tsikelikely sy mihalalina. Ndeha harahintsika ny fizotry ny Evanjely:
Tamin’ny marainan’ny Paka, izany hoe ny andro voalohany amin’ny Sabata rehetra, raha adika ara-bakiteny, fa lasa hoe andro voalohany amin’ny herinandro araka ny fandikana mahazatra (Τῇ δὲ μιᾷ τῶν σαββάτων – tè de mia tôn sabbatôn), satria enina andro no niasan’Andriamanitra ary ny andro fahafito, ilay andron’ny fampakaram-bady tao Kanà (Jo 2,1) no anombohan’i Joany ny hafalian’ilay fahaterahan’ny olom-baovao aorian’ny fanaintainam-piterahana (Jo 16,21). Io no “andron’ny Tompo”, ankalazan’ny Eglizy ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana.
Io andro voalohany taorian’ny Sabata io, izany hoe ny andro fahatelo taorian’ny fandevenana, araka ny mahazatra ny Jody, i Maria Madalena no nandeha tany am-pasana mba hanatitra ditin-kazo manitra, fa indrindra indrindra hanara-maso sao tsy tena maty ilay nalevina, miala nenina, toy ny mahazatra ny Jody, hiverina hizaha any am-pasana ny andro fahatelo, eny fa na dia tsy azo heverina aza izany raha ny nahazo an’i Jesoa no jerena satria efa notsindronin’ny miaramila lefona ny fony. Kanjo inona, fasana nivoha no hitany. Ny fahatairany no niverenany ho any amin’ny mpianatra mba hilaza fa nangalarin’ny olona ny Tompo.
Izay te hiditra amin’ny misterin’ny finoana dia tsy hiandry andro mazava mba hanombohana izay tian-katao. Ny fitiavana tsy miandry andro mazava, saingy kosa mino fa tsy hijanona amin’ny vao mangiran-dratsy ny andro fa mizotra miandalana mankamin’ny hazavana, satria efa madiva hiposaka ilay masoandro.
Trangan-javatra mateti-pitranga anefa. Ny andro mbola maizina, ampy ho an’i Maria Madelena ny mahita ny fasana nivoha mba hamoronana ny sisa rehetra. Sarotra ho azy ny hitsirika ao anaty fasana mba hizaha ny zava-misy. Naleony nihazakazaka hankany amin’ny mpianatra hitantara ny tahony.
Dia nihazakazaka ho any am-pasana koa ny mpianatra roalahy, i Piera sy ilay Mpianatra Malala moa izany, raha vao naheno ny vaovao nolazain’i Maria Madelena, saingy ny fitiavana mampalaky ny dia, ny henatry ny fandavana kosa mampahavesatra azy. Tonga teo am-pasana mialoha araka izany ilay mpianatra malala (tiavin’i Jesoa avokoa isika rehetra) ary nahita ny lamba namonosana an’i Jesoa, ny matoanteny βλέπω (Blepô= izay azo adika hoe mijery mba hahafantatra) no ampiasain’ny Evanjelista hilazana izany fomba fijery izany. Avy eo dia tonga i Piera ka niditra ary nahita. Mbola teny hafa koa no ampiasainy eo hilazana ny fahitan’i Piera: θεωρέω (Theôreô= mijery fe mijery, efa somary mandinika ihany mba ho afaka hilaza izay hita : regarder comme un spectateur, nefa koa contempler par l’intelligence). Avy eo niditra kosa ilay mpianatra malala ka nahita ary tonga amin’ny finoana. εἰδῶ (eidô) no ampiasain’ny Evanjelista eto.
Izay fivoaran’ny fahitana izay dia ilazana ny fiainam-pinoana tsy maintsy hizoran’ny mpianatra te hanara-dia an’i Jesoa, hino ny fitsanganany ho velona. Tsy afaka ny hino izay mijanona ho mpitazana fotsiny, ka tsy hijanona handalina ny hevitr’izay hitany. Tsy hisy mpangala-paty handany andro handamina sy hamalona ny lamba, hoy i Md Jean Chrysostome. Dia nahita (εἰδῶ: izany hoe nijery ary nandinika ny hevitry ny zavatra hita, nanao traikefa, aorista ὁράω, horaô) izy ka nino.
Adika hoe Mpianatra Malala moa na ny ao amin’ny Joany 19,26 (ἀγαπάω – agapaô) na ny eto amin’ny 20, 2 (φιλέω – phileô) na dia teny samihafa aza no ampiasain’ny Evanjely. Amin’ny Evanjely anio dia phileô no ampiasain’i Joany, entina ilazana ny fisaikazana, ilay fitiavana efa hifamaliana. Ireo no mpianatra manaraka ny didiny (Jo 15,14), ireo no afaka ho tonga voalohany any am-pasana. Ny fitiavana no hitsarana antsika. Saingy fitiavana maimaim-poana avy Aminy no hahafahantsika mijoro eo am-pototry ny hazofijaliana, mijoro manoloana ny setra-piainana, hanaiky hihavana sy handray ny reniny ho ao an-tranontsika (Jo 19,26-27). Misy fivoarana ihany koa araka izany ny fomba fitiavana: notiavina maimaim-poana fa avy eo kosa tonga sakaiza, vonona hamaly fitia. Izany no lalan’ny finoana.
Hazavain’i Joany misimisy kokoa moa izany amin’ny fanombohan’ny taratasy nosoratany: izay henonay (nolazain’i Madelena), izay hitan’ny masonay (ὁράω – horaôno teny grika ampiasainy), dia nodinihiny, tsy nihanona fotsiny tamin’ny ety ivelany, notsapain’ny tanany, izany hoe ananany traikefa, dia izay no ambarany. Izay te hino araka izany dia tsy afaka ho tonga amin’izany raha tsy manokana fotoana handalinana sy hanaovana traikefa izay re sy hita. Izay mahatsiaro tena fa notiavina maimaim-poana (ἀγαπάω) dia tsy afaka ny tsy hitia koa. Tsy misy tanora maditra, hoy Md Orion, fa ny tsy mahatsiaro ho notiavina no betsaka.
Manan-danja lehibe amin’izay firosoana amin’ny finoana izay ny andininy faha 9 mamarana ny Evanjely araka an’i Md Joany: tsy mbola azon’izy ireo izay nolazain’ny Soratra Masina. Izay fandinihana sy fandalinana izay dia mahakasika ny Soratra Masina. Ny fahalalantsika ny Soratra Masina no mampandroso antsika amin’ny finoana marina sy amin’ny fahafantarana an’i Jesoa, ilay Teny tonga nofo, maty fa nitsangan-ko velona ho famonjena antsika.
Tsy ho tonga amin’izany fandalinana izany anefa isika raha tsy entanin’ny fitiavana. Tsy mamono fa mamelona ny fitiavana ny fanjavonan’izay tiana, raha toa ka tena fitiavana fa tsy fitiavan-tena. Nesorina teo an-tanan’ireo tiany sy tia azy i Jesoa, tamin’ny namantsihana Azy tamin’ny hazofijaliana. Tsy hitan’izy ireo intsony izy satria nalevina ao am-pasana. Saingy tsy ao anefa no toerana tokony hipetrahany. Ny tahotra ny fahafatesana dia hahatonga antsika hiharan’ny fanandevozana mandritra ny androm-piainana, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 2,15). Nahoana no any am-pasana no hitadiavana ny Tompon’ny aina, hoy ilay nanafaka antsika tamin’izany fanandevozana izany.
Ny tsy fahitana izay mba sisa tavela tamin’ilay nalevina indray, satria foana ny fasana, dia hanokatra ny ferin’ilay tia ka hanosika azy hitady. Saingy eo indrindra ny Evanjely no mampiditra antsika amin’ny fandalinana ny tena fitiavana, izay hahafahan’izay tia mahita ao am-pony mandrakariva ilay tiany. Izay no mahatonga ny Tononkira dia Tononkira hifarana amin’ny famelana ny malalany handositra, ho any amin’ny toeram-pahasambarana voatokana ho azy (Ton 8,14). Ny fitiavana no mampisy heviny ny tsiaro sy ny teny rehetra voalazan’ilay tiana. Ny Fanahy Masina no afom-pitiavana hampahatsiaro ny Mpianatra izay rehetra nampianarin’i Jesoa.
Mitaky fiovana toetsaina izany. Manampy antsika hahita ka hahatsapa fa na ny zavaboary aza dia tokony hisy heviny lalina ho antsika, mba hahafahantsika miditra ao amin’ny misterin’ny Paka. Raha hiverenana ny singa vitsivitsy mandrafitra ny herinandro masina dia hanampy antsika hiditra amin’ny misterin’ny Paka izay mitaky “metanoia” (meta= fiovana; nous=fomba fihevitra).
Ny fiovana toetsaina, voalohany tiako hisarihana ny saintsika, dia mikasika ny fihobian’ny vahoaka. Mahafinaritra, irin’ny maro ny te hoderaina, hobian’ny vahoaka tahaka an’i Jesoa ny andron’ny sampankazo, saingy tsy tokony hadinoina fa ny fijaliana dia zakaintsika samirery, ary ny fahafatesana dia atrehintsika samirery. I Kristy irery no niatrika an’i Pilaty, ary Jiolahy roa no niara-nofantsihana taminy. Tsy ny vahoaka no hitsara antsika, tsy ny isan’ny olona mihoby no hanamarinana ny fiainana, fa ny fijoroana “tsy ho menatra” satria nanaiky handray ny Teny, handray ny “lelan’ny mpianatra”, ka sady tsy hihemotra manoloana ny fijaliana no tsy hamaly faty manoloana ny mpampijaly (Iz 50). Izany no Paka.
Ny vola no maha rangahy, hozatry ny fiainana. Ny vola koa anefa no hamonoana tena, hamonoana ny hafa, hamadihana sy hivarotana ny namana. Saingy io vola io, io telopolo farantsa vidin’ny andevo noraisin’i Jodasy io (Za 11, 12) dia tsy nisy sahy nandray akory, natsipiny tao an-tempoly, ary na ireo nahita azy aza tsy nahasahy nandray azy, fa nividianany Halseldamà (sahan-drà). Paka ny andro rahefa haintsika ny mandà ny tsolotra sy ny “tiakely” hamonoana ny fahamarinana.
Ny mofo dia antoky ny aina, saingy ny mampisy heviny ny sakafo amin’ny maha olona dia ny tsy fanaovana salobon-komana. Natao hozaraina ny mofo, satria izay iray vatsy iray aina, saingy tsy misy heviny akory izany raha tsy mitohy amin’ny fanolorana ny tena manontolo ho fanasoavana ny hafa. Izany no Eokaristia. Io ilay sombi-mofo, natsoboka tao anaty kalisy ka natolotra an’i Jodasy; io ilay sombi-mofo neken’i Jesoa hatsoboka ao anatin’ny loviany. Porofom-pitiavana izany, isika mpanota no asainy hiray lovia aminy, hanaporofoany amintsika fa azo atao tsara ny mitia hatramin’ny fahavalo. Farafitiavana, tombom-pitiavana no natolony an’i Jodasy. Asan’ny Fanahy, ilay fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, no mandavorary ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika. Paka ny andro raha avelantsika hiasa ao am-pontsika ny Fanahy Masina.
Raha raisintsika ireo fahalovana sy fahafatesana ambaran’ny Zoma masina dia hanampy antsika marina tokoa hahazo ny hafaliana ankalazaina amin’izao Paka izao:
“Hanoroka mafy ahy amin’ny vavany anie izy! Fa ankafizina kokoa noho ny divay ireo mari-pitiavanao” (Ton 1,2). Ny oroka izay mariky ny fifampitokisana, hifanolorana ny tena mba ho kiady sy toky ho an’ny hafa no zary marika nahafantarana ilay Mpampianatra ka nisamborana Azy. Izay te ho mpianatr’i Kristy marina tokoa dia tsy hivadika amin’ny teny nomena ary tsy hampiasa ny fifanoloram-pitia ho fanamelohana ho faty, toy ny nataon’i Jodasy. Paka ny andro rahefa tsy kobaka am-bava ny fanoloram-piadanana ataontsika mivory isan’alahady.
Ny sabatra no fitaovam-piadiana fampiasa tamin’ny andron’i Jesoa. Tsy vitan’ny hoe tsy tokony hitaingin-tsoavaly fotsiny ny mpianatra (Ôs 14,4), fa tsy hampiasa afa-tsy ny sabatra roa lelan’ny Teny izay hamolavola azy ho mpiady, tsy hamono ny mpanao ratsy fa hamongotra ny ratsy mba hahaveloman’ny mpanota ao amin’ny fiainana. Ampianarin’i Jesoa isika mba “handresy ny ratsy amin’ny fanaovana ny soa” (Rm 12,21). Paka ny andro rehefa haintsika ny manavaka ny mpanota sy ny fahotana: hitia ny mpanota ary hankahala ny ota, ka tsy sanatria ny fitiavana ny rahalahy no hivarinana amin’ny fahotana.
Mety ho sarotra ny hahitana akoholahy tao Jerosalema, satria araka ny fomban’ny Jody dia biby maloto ho an’ny Tanàna Masina ny akoholahy, saingy famantaran’ny andro efa haraina kosa ny akoho maneno. In-telo isika no alaina fanahy mba handresy, nefa mazàna, tahaka an’i Piera, in-telo no lavo, saingy in-telo koa no afaka miarina ka manavao ny fitokisantsika an’ilay efa tia antsika mialoha. Tsy mahafaly mandrakariva ny fahenoana ny akoho maneno, indrindra rehefa tsy misy zavatra irin’ny fontsika hatrehina vao maraina. Saingy ny fahenoana fa efa hazava ny andro, ny fanantenana fa efa ho resy kosa ny haizina no hampitomany, hanenenana fatratra ka hahafahana mibebaka sy mankahery ny rahalahy maro koa, tahaka an’i Piera.
Ny rano dia sady mamelona no mamono, kanefa mety hampiasaina koa mba tsy handraisana fanapahan-kevitra, hamonoana an-kolaka ka hilazana fa “afa-tsiny amin’ny ran’io lehilahy io”, tahaka an’i Pilaty. Tsy afaka ny hanasa tanana manoloana ny famonjena ny ain’izay mila vonjy ny Kristianina. Tsy afaka ny tsy hihaino ny nofin’ny olon-tsotra izay manoro hevitra mba “tsy hanao na inona na inona amin’ny ran’io olomarina io” izay mihevitra ho kristianina. Ny heloka no angatahintsika ho voasasa, ny tanana anefa no sasany, fa ny Fanahy kosa no manasa ny atifontsika lalina, rehefa raisintsika ka ampiantranointsika ao.
Ny Kapaoty Jaky, ny volotara, ny fehiloha tsilo dia manampy antsika mba handinika ny fomba fitafintsika, handinika izay heverintsika ho tena toetrantsika, izay maha izy antsika amin’ny antony hisalorantsika ny akanjo. Raha tsy manampy antsika hitovy endrika amin’i Kristy sy tsy hitafy afa-tsy ilay lamba famaohana nanasany ny tongotry ny mpianatra izany, dia tsy hampitombo ny maha mpianany antsika fa hampitombo fotsiny ihany ny rendrarendran’izao tontolo izao.
Ny hazofijaliana no fitaovam-pamonoana mampijaly indrindra namaizan’ny Rômanina an’ireo jiolahy raindahiny tamin’izany andro izany, mba ho famaizana hampitahotra izay manana eritreritra hanao ratsy. Io no namonoana an’i Jesoa. Tsy hampitahotra antsika intsony ny fijaliana, raha matoky isika fa io no lalana mitondra amin’ny voninahitra, raha toa ka ny fitiavana no mampijaly antsika. Mampalahelo anefa fa misy mijaly noho ny fitia te ho tsara bika fotsiny aza (ny kiraro manaikitra sns). Tsy misy fijaliana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, vokatry ny fahotantsika (na ny fahotan’ny hafa) no mampijaly antsika (na mampijaly ny hafa). Saingy sitrany ny hijoroan’ny zanany ho vavolombelon’ny fitiavany manoloana ny hetraketraky ny mpanota sy ny sedram-piainana.
Ny fasana araka ny fisainantsika dia mampatahotra, satria fonenan’ny lolo sy ny avelo, ny mpamosavy sy ny mpilalao faty. Ho an’ny jody, tampenana vatobe mba tsy hiverina izay lasa any. Fa ho an’izay mino an’i Jesoa kosa, io no lasa trano fatoriana vaovao… Azon’ny kristianina izany fampianarana izany ka nampitoviziny ny fiantsoana ny trano hatoriana amin’ny alina sy ny trano hampandriana ireo nodimandry (coemeterium, avy amin’ny grika koimèterion: dortoire; sepulcrum ho an’ny teny andavanandro). Tsy sakana ho an’ny fahavelomana ny fahafatesana fa fidirana amin’ny fiainana, hitondrana ny hevitry ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Koa araraoty àry ny fankalazana ny Paka hanomezana hevitra vaovao ny fiainana mba hampifanaraka azy amin’ny maha kristianina antsika, dia ny mbola tsy tara loatra.
Raha raisina ny Evanjely amin’ny hariva (Md Lioka) mitantara ireo roalahy tany Emaosy dia hahafahantsika mandalina ny firosoana amin’ny finoaona.
Indraindray koa isika manantena zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampanantenain’Andriamanitra, ka ho tratry ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ireo mpianatra roa lazain’ny Evanjely. Izay diso fanantenana matetika dia misintaka amin’ny fiombonana, manava-tena hiala any Jerosalema (tananan’ny fiadanana) mba ho any Emaosy (ny akany nahazatra, 11,5 km avy ao Jerosalema). Izany tantara izany no entin’i Lioka mamintina ny fampianarany rehetra, hilazany fa tsy afaka ny ho tonga eo amin’ny famakiana ny mofo raha tsy mandinika ny Soratra Masina, mihaino izay rehetra milaza an’i Jesoa ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo (TNK, Torāh – Nevi’îm – Ketoubhîm).
Ny sakana tsy hidirana amin’ny finoana dia ny “tsy fisainana (ἀνόητος – anoètos, avy amin’ny matoanteny a-noeô) sy ny hamafin’ny fo (βραδεῖς τῇ καρδίᾳ – bradeis tèi kardiai, coeur lent)” (adala sy votsa saina no dikan-teny ao), mba hino izay voalazan’ny Mpaminany. Rehefa tsy ampiasaina ny saina, ary tsy tadidiana izay zava-nisy, dia tsy ny hikaroka ny marina no mahamay fa ny hanamarin-tena. Ny fiverenana amin’ny famakiana ny momba an’i Kristy ao amin’ny TNK kosa no hampirehidrehitra ny fo ka hampiditra azy amin’ny misterin’ny “famakiana ny mofo”, izay mampisokatra ny masom-panahy hahita an’i Jesoa, na dia tsy afaka ny hahita azy intsony aza ny masom-batana.
Tsy i Jesoa anefa no manasa antsika hiantrano ao aminy. Avoitran’i Md Lioka fa eo anelanelan’ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny Eokaristia dia misy Vavaka: “Mitoera ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”. Izay tsy vonona hisahirana handray ny hafa (hampiantrano vahiny amin’ny andro hariva), tsy afaka ny hiangavy ny fijanonan’i Jesoa hiara-misakafo aminy. Ny vokatry ny fahalalana an’i Jesoa kosa dia “fiverenana tsy misy hatak’andro” ho any Jerosalema. Izay mahazo ny Soratra Masina sy mahalala ny endrik’i Jesoa dia tsy manana faniriana hafa intsony raha tsy ny hiaina ny firaisana tian’i Jesoa ary ho vo\\nona “hampiray ireo rehetra mino azy”, araka ny Vavak’Izy Kristy ihany (Jo 17).
Ho haintsika anie ny hitombo fitiavana ny Soratra Masina mba hahalalàna bebe kokoa an’i Jesoa, hampirehidrehitra ny fontsika ka hahalalantsika ny endriny ao amin’ireo mahantra sy fadiranovana, miandry ny fanasitranana sy ny fiantrana ataontsika amin’ny anarany.
Hiezahantsika anie ny hiaina izao fotoana izao, hahafahantsika mampifanaraka marina tokoa ny fiainantsika amin’ny Misterin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona, ka hahatonga ny fiainantsika koa ho Sorona velona, volavolain’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, ka ho tonga fanehoana ny fitiavana sy ny voninahitr’Andriamanitra, izay mety tsy hanala ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny zanany noho ny aretina mahazo, fa kosa manandratra antsika rehetra amin’ny voninahitra maha zanaka, ka hanavao ny fiainana ao amin’i Kristy.