NY FIANAKAVIANA MASINA TAONA B
- Jenezy 15,1-6; 21,1-3
- Salamo 104
- Hebrio 11,8.11-12.17-19
- Md Lioka 2,22-40,
Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany
Miarahaba nahatratra ny Noely.
Amin’ny Fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina dia manampy antsika ireo vakiteny masina anio mba handinika misimisy kokoa ny hasina maha-olona, fototra iorenan’ny fiaraha-monin’ny olombelona. Nambaran’i Md Joany Paoly II, tamin’ny Taratasy nosoratany taorian’ny Sinaody momba ny fianakaviana, fa miankina amin’ny fianakaviana ny ho avin’ny olombelona (Familiaris consortio, n. 86). Ny tokantrano tokoa manko no toerana hipoirana sy hivelaran’ny olona tsirairay avy, ary io Fiangonana – Ankohonana – Eglizy io no sehatra hiainana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly voalohany indrindra.
Indraindray anefa ny zavatra mitranga eo amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy mifanaraka amin’izay mety ho hetahetam-po sy faniriana ka mety hahakivy sy hahaketraka. Ny tena fanabeazana tokoa manko, dia tsy hoe sanatria fampianarana ny zanaka hanaiky fotsiny, fa fikarohana sy fanampiana azy ireo hikaroka ny maha-izy azy, fikolokoloana ny talentany sy ny faniriany mba hivelatra araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy ny sitra-pon’ny ray aman-dreny, izay mpiandry omby volavita ihany, no hotompoina fa ny sitrapon’ilay mandidy sy mandahatra ny zavatra rehetra. Firifiry ny ray aman-dreny, sendra ny valintenin-janaka tsy mifanaraka amin’izay heveriny, no hahatsiaro fa Andriamanitra no voalohan-Tompo? Firifiry ny ray aman-dreny kristianina no manadino fa ny zanaka dia lova avy amin’izy Tompo (Sal 126,3) ka tsy hisalasalana ny hanolorana azy ho an’Andriamanitra? (Vakiteny I° sy ny Evanjely).
Ny fankalazana ny Fianakaviana Masina amin’izao vanim-potoanan’ny Noely izao dia manambara ny hasina omen’ny Eglizy ny fahamasinam-pitondrantenan’ilay ray nitaiza sy ilay reny nitondra am-bohoka ny Zanak’Andriamanitra. Ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo araka izany dia nanamasina ny fianakaviantsika olombelona. Hery ho an’ireo toa niangaran’ny vintana sy tojo fahasahiranana lava araka izany ny zava-nisy niainan’ity fianakaviana niantranoan’ny Zanak’Andriamanitra, na ny fahaterahana tany an-tranon’omby na ny fandosirana tany Ejipta, ny fitadiavana azy tany an-tempoly, fa indrindra ny fahatanterahan’ny faminanian’i Simeôna (Lk 2,22-40), ho an’ilay Reny nibanjina ny Zanany novonoina toy ny jiolahy.
Tsy miankina amin’ny harena na ny fari-pananana araka izany no haha-masina ny fianakaviana, fa ny fiombonam-po manaiky hampiantrano ny zanak’Andriamanitra ao amin’ny vavaka. Raha Emanoela ny Noely, dia mazava loatra fa Sakramenta manambara ny fisiany ny fiaraha-mivavaka. Firifiry tokoa moa ny fianakaviana sy ny tokantrano no miady kitrana sy tsy mifandevi-maty noho ny vola aman-karena. Toa adino ny fahendren-drazana milaza fa “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”…
Safidim-piainana ho amin’ny fanamasinan-tena ny fanorenana tokantrano, ary tsy azo ambaniana ny hasarobidin’izany Fiantsoan’Andriamanitra izany satria na ireo misafidy hisantatra sahady ny fiainan’ny lanitra, amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Evanjely aza dia nipoitra avy amin’ny Fianakaviana. Ary fantatsika rehetra tsara fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny olona iray manontolo ny fanabeazana noraisiny teo anivon’ny fianakaviana.
Ohatra iray hafa atolotry ny Eglizy antsika anio ny ankohonan’i Abrahama. Azo lazaina fa tsy ny fahasahiranana ara-bola no nianjady taminy fa ny ho faty taranaka… saingy ny tonga rain’ny mpino (Jen 15 // Heb 11,8-19). Tsy ny ho fianakaviana voafetra amin’ity fiainana ity ihany araka izany no hiantsoana antsika fa koa ny ho taranaka amam-para ampifandraisin’ny finoana. Izany no maha-Eglizy fianakaviana antsika, avondron’i Kristy ho iray ao Aminy, ary entanin’ny fifankatiavana dia voaantso hisantatra sahady ny hasambaran’ny lanitra.
Ao amin’ny Fizarana fahatelo amin’ny Amoris laetitia (Ny fijery miantefa any amin’i Jesoa: ny fiantsoana ny fianakaviana, lah. 58-88), i Papa François dia mampahatsiaro ireo fampianaran’ny Eglizy momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana, miainga avy amin’ny fitoriana ny kerygma, izay tokony hiompanan’ny asa fitoriana ny Evanjely rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra hatramin’ny nahariany ny olombelona ny Fanambadiana ary ilay fehim-pitiavana tsy mivadika niainan’ny Fianakaviana Masina tao Nazareta no manazava sy mamaritra ny andry hijoroan’ny fianakaviana, ka hahafahany miatrika ny olana tsy azo ihodivirana eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny tantara, hoy ny Papa. Mampahatsiahy ny harena lalina raketin’ireo Fampianarana hafa koa moa izy ary singaniny manokana amin’izany ny Gaudium et Spes, ny Humanae vitae an’i Md Paoly VI ary ny Familiaris consortio nosoratan’i Md Joany Paoly II.
Mifototra amin’ny Batemy ny sakramentan’ny Fanambadiana, ary ny Lehilahy sy ny Vehivavy mifanaiky no mankalaza azy amin’ny fifanekeny, fa indrindra amin’ny fifanolorany tena, hahatonga azy ho nofo iray, ka amin’ny fiarahany mibanjina an’i Kristy no hahafahany mampita ny aina, avy amin’ny fitiavana marina izay harena voalohany ho an’ny mpivady sy manabe ny taranaka izay “fanomezana” vokatr’izany fifankatiavana izany. Izay rehetra manampy amin’ny fanabeazana dia tsy misolo fa manao izany amin’ny anaran’ny ray aman-dreny niteraka, nahazo alalana avy amin’izy ireo, eny fa na dia rava aza izany fiaraha-miombona amin’ny fanabeazana izany ankehitriny (lah. 84). Ny fitiavana iainana ao anivon’ny fianakaviana no hery maharitra iveloman’ny Eglizy. Tsy azo hadinoina anefa fa manoloana ireo ratra mahazo ny fianakaviana maro, vokatry ny fahotana sy ny fahalemen’olombelona, dia tokony hofadiana mandrakariva ny mitsara ka mandray fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny fahasarotana sy ny fijaliana iainan’ny olona (lah. 79).
Manampy antsika handray ilay fahazavana irìna hanilo ny fianakaviana rehetra ny fandinihana ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly, tantarain’ny Evanjely.
40 andro aorian’ny fahaterahana araka ny lalàn’i Môizy (Lev 12,1-8), dia mila miakatra any an-tempoly ny renin-jaza mba hidio, ary araka ny Boky Eksaody kosa, indrindra ny Eks 34,20 dia mila havotana ny lahimatoa rehetra amin’ny zanaka.
Asian’ny Evanjelista tsindrim-peo ny hafanam-pon’ireto ray aman-drenin’i Jesoa. Amin’ny maha-voalohan-teraka Azy dia tokony hanolotra sikla volafotsy dimy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy (Fan 18,15), ary ny reniny kosa manolotra domihina roa ho fanatitra, ny iray ho sorona dorana ho an’ny ota, iray kosa hatolotry ny mpisorona ho fanadiovana (Lev 12, 8).
Fanahy iniana ve no nanafangaroan’i Md Lioka ireo lalàna momba ny tolotra ireo? Raha dinihina dia misy hafatra lehibe tiany ambara amin’izany: tsy manana zo hanavotra ka hitana ho azy ny voalohan-teraka ireo ray aman-dreny. An’Andriamanitra mandrakizay ny zanaka. Mpiandry omby volavita ihany ny ray aman-dreniny, tsy tompony fa mpamerin-doha. Izay no antony, araka ny fiheverako, nahatonga an’i Lioka hilaza fa ny fidiovan’ny Reniny no sady fanolorana ny Zaza tao an-tempoly.
Ny tononkiran’i Simeôna kosa indray dia manampy antsika handalina ny hevitry ny fiainana: afaka mandeha (matory) am-piadanana izay mahita fa fitiavana Andriamanitra, ary miharihary ao amin’i Kristy ny famonjeny, izany dia ho fahazavana hanilo ny tsy mpino mba hahalalan’izy ireo an’Andriamanitra, ary ho voninahitr’Israely vahoaka voafidy.
Tokony ho sehatra hanandramana, hahitana miharihary ny famonjen’Andriamanitra, araka izany, ny Fianakaviana.
I Jesoa no ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1,78-79), vao avy nankalazaintsika tamin’ny Noely (Fetin’ny Sol invictus – Mitra, tonga Noely ny 336). Izy no indro atolotra ka raisin’ireo niandry azy am-pitokiana: i Simeôna sy i Ana. Raha ny tena marina anefa, ny alin’ny Paka no ankalazana an’i Kristy fahazavan’izao tontolo izao, Izy ilay “hazavana natao hanilo ny firenena”, saingy tsy afa-misaraka ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny misterin’ny Paka nampisy heviny azy.
Mahalala antsika tsirairay avy Andriamanitra ary mahafantatra ny antsipiriam-piainantsika (Sal 138), ary nofidìny isika tsirairay avy mba ho fitaovana hampitatra ny famonjeny ho an’ny olombelona rehetra. Tsy afaka ny tsy haniry izany famonjena izany izay rehetra aterak’Andriamanitra ka mahatsiaro tena fa asan-tanany maha-te hidera sady mahatalanjona. Ao anatin’ny Fianakaviana mandrakariva anefa no hitsirina sy hitomboan’ny maha-olona ahafahana mamaly izany antso izany.
Ampahatsiahivin’ny Taratasy fampirisihana Amoris laetitia (fizarana VII: lah. 259-290) fa ny fandraisana andraikitra amin’izay safidy natao an-kahalalahana no tanjon’ny fanabeazana tena izy, na dia mety hifanohitra amin’izay heverin’ny ray aman-dreny aza izany fanapahan-kevitry ny zanaka izany. Tsy sanatria fanaraha-maso te hahalala sy hibaiko izay rehetra ataon’ny zanaka anefa izany fa fanampiana azy hihamatotra sy hivoatra amin’ny maha-olona azy manontolo ka hampivoatra ny fahaleovan-tena tena izy ao aminy. Ny sazy dia natao mba hahatsapana sy hanonerana ny ratsy vitany tamin’ny hafa. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy tsapa koa ny ezaka vita, ka mila famporisihana araka izany, ary tokony ho tsapan’ny beazina mandrakariva ny faharetana ananan’ny ray aman-dreny manabe azy. Ho sanatriavina ny hanampatra ny fahefana vokatry ny hatezerana amin’ny fanasaziana ny zanaka.
Ny fianakaviana no toeram-panabeazana voalohany amin’ny fiaraha-monina ka hianarana mifampihaino, mifampizara, mifandefitra, mifanaja, mifanampy sy miara-miaina. Tsy vokatra azo indray andro izany fa mila faharetana. Ny maha-olona manontolo no beazina. Nanokanan’ny Papa fehin-kevitra manokana ny momba ny fanabeazana amin’ny maha-lahy sy vavy izay tokony hivoatra tsikelikely arakaraky ny fahamatoran’ny zanaka. Tsy fanomezana fepetra hiarovan-tena anefa izany fa fampianarana ireo fomba fanehoam-pitiavana marina ao anatin’ny fifanajana ary hampianatra hifandray marina tokoa ka hanomana olona mandray andraikitra sy mivelona araka ny teny nomena.
Tsy azo adinoina anefa fa amin’ny maha-kristianina dia ny fampitana ny finoana no laharam-pahamehana amin’ny fanabeazana ny zanaka ka hahatonga ny fianakaviana ho sehatra hitoriana Evanjely. Ny finoana sy ny fitokisana ny fitiavan’Andriamanitra mambomba ny fianakaviana no mahatonga azy ho Fiangonam-pianakaviana, Eglizy ao an-tokantrano, lalivay hitaran’ny Evanjely eo amin’ny fiaraha-monina, tsy hianona amin’ny fianakaviana atambatry ny nofo aman-dra fa ho tonga fahatanterahan’ny fampanantenana, amin’ny fiombonana amin’ny fianakaviam-ben’ireo mpino, zanak’i Abrahama.
Ny fanabeazana anefa dia an-kevitry ny fiandrasana ihany. Fa misy azo andrasana ve?
Niandry ny Mesia i Israely, saingy indrisy fa mpamonjy nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo no notadiaviny. Ambaran’i Lioka amin’ity sombin’ny Evanjeliny atolotry ny Litorjia hodinihintsika ity fa izay maharitra amin’ny vavaka sy ny fitiavana ihany no afaka hahalala ka hankalaza ilay Zanak’Andriamanitra, Mesia nirahiny hamonjy antsika, satria ireo ihany no manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina.
I Simeona dia lehilahy marina sy tia vavaka ary niandry ny andro ampiononana an’i Israely. Izay tsy maharitra, hoy ny Ntaolo, dia vadin’ikotokely fa ny maharitra no vadin’andriana. Ny tsy faharetantsika anefa mety haniraka hioty salohim-bary mbola tsy matoy, mety haniraka antsika hitady lalana any an-kafa ka hampivily lalana, hanjary hitoky bebe kokoa amin’ny herin’olombelona fa tsy amin’ny herin’Andriamanitra. Fantatsika fa ao anelanelan’ny toko faha-15 sy ny toko faha-21 nangalana ny vakiteny I° dia efa niteraka an’i Ismaela tamin’i Agara, mpanompovaviny i Abrahama. Izay matoky fa tsy mivadika Andriamanitra no afaka higoka ny hafaliana avy amin’ny famangiany ka hiaina am-piadanana. Ny vavaka sy ny fiainam-pahamarinana mifanaraka amin’izany no lalana mitondra amin’izany fitokisana izany, tsy maintsy mandalo amin’ny fanapahan-kevitra hentitra sy matotra anefa, satria i Jesoa dia ho zary famantarana hotoherina mba hiseho ny hevitry ny fo maro (Lk 2,35).
Tsy ny pretra na ny relijiozy ihany anefa no antsoina hanokan-tena fa ny kristianina rehetra, izay te hizotra ny lalam-pahasambarana. Izay mahita an’i Kristy ka mandray Azy ho Fahazavana no afaka hilaza tahaka an’i Simeôna fa afaka mandeha am-piadanana amin’izay. Ny fahitana ny famonjen’Andriamanitra no mahafeno fatra ny fiainana.
Môdely ho amin’izay fikatsahana sy fanananterahana ny sitrapon’Andriamanitra izay ilay mpaminany vavy tao an-tempoly: Anna, ilay “nosoavin’Andriamanitra”(Hānāh amin’ny teny hebrio), zanak’i Fanoela (Peniy’ēl, endrik’Andriamanitra) avy amin’ny fokon’i Asera (‘Asher, sambatra, na ny marimarina kokoa, avy amin’ny foko izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe ‘āshār), izay nanokana ny tenany ho an’ny vadiny 7 taona, ary rehefa maty vady dia tsy maimay tahaka ny vehivavy sasany nolazain’i Md Paoly hoe maty vady tanora (1Tm 5,11) fa nijanona nivavaka tao an-tempoly, ary efa 7×12 (84) taona izy izao. Izany dia entin’i Lioka hilazana ny fahamatoran’ny fitiavany, eny fa na dia anisan’ny fokon’i Asera izay foko kely indrindra ao amin’Israely aza izy. Izy no ilay Israely-Vady, izay tokam-po tahaka ny siny, naharitra tsy nivadika tamin’ny fitiavana. Sambatra ny toa azy, madio fo, fa afaka hahita an’Andriamanitra, haharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka, fanefitry ny fitsiriritana satria hahaizana mamola-tena sy manitsy ny faniriana amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Efa miara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana isika, hoy i Paoly (Kôl 3) ka tokony hanana fitondran-tena mendrika ny maha-olom-boafidin’Andriamanitra sady masina sy malala (and. 12).
Ny fanambaran’i Simeôna ny misterin’ny “hazofijaliana” no nahafahany nidera an’ilay Andriamanitra tsy nandiso ny fanantenany. Izay mahatsapa fa ny fahotana dia manandevo fa tsy mahasambatra no afaka hisaotra an’Andriamanitra fa ny fahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra Lahitokana no hanafaka antsika sy hitondra antsika amin’ny tena fahafahana marina. Manoloana ny misterin’ny Hazofijaliana, izay fandavoana sy fanarenana ho an’ny maro amin’Israely, dia voaantso isika rehetra, mba hahatsapa fa fahalavoana ny filomanosana amin’ny tontolon’ny ota ary fiarenana kosa ny fametrahana ny fitokisana eo an-tanan’ilay nanaiky ho teraka, fa hitombo sy hiha-matanjaka ary ho feno fahendrena, ka hanaiky hofantsihana ho antsika. Manoloana ny Hazofijaliana, manoloana ny fijaliana rehetra, tahaka an’i Masina Maria, dia tanterahin-tsabatra ny fanahintsika, ka miseho amin’izay maha-izy azy: na ho amin’ny fitiavana na amin’ny fitiavan-tena.
Amin’ity Evanjely ity i Lioka no mamarana ny fampidirany ny Evanjeliny ka hahafahan’izay manohy mamaky azy hahazo ny hevitr’izay nosoratany mba hinoantsika fa i Jesoa no ilay “Zanak’Andriamanitra” (Lk 1,32-35), Zanaky ny Avo indrindra (Lk 1,32), Mpamonjy teraka, dia i Kristy Tompo (Lk 2,11), hazavana hanilo ny Jentily sy voninahitr’Israely (Lk 2,32), ho famantarana hotoherina (Lk 2,34), kanefa fanalana alahelo (Lk 2,25) sy fanavotana an’Israely (Lk 2,38). Izany rehetra izany anefa dia ambaran’i Lioka fa ao anatin’ilay fiainana maha-olombelona an’i Jesoa. Izany no fiekem-pinoana namafisintsika nandritra ny Noely, satria ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, nisy talohan’ny taona rehetra dia tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra. Izy no ilay Teny Andriamanitra, ka tonga nofo mba hiara-monina amintsika (Jo 1).
Izay mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny lalan’ny Tompo no ho afaka hiditra amin’ny hafenoan’ny fahendrena sy honenan’ny fahasoavan’Andriamanitra (charis), ho tahaka an’i Jesoa, manodidina ny telopolo taona tao amin’ny fahanginan’i Nazareta, nanaiky sy nitombo fahendrena sy tena, ka nandrosoany mahate-ho tia tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona (Lk 2,51-52) ka ho afaka mihanoka ao anatin’ny taom-pahasoavana amin’ny fotoany.
Ny Mpaminany vavy Ana, izay nanokana ny fiainany tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, taorian’ny nampananon-tena azy dia mampifandray ny hasin’ny fanambadiana sy ny hasoavana tovozintsika amin’ny vavak’ireo “manokan-tena” ho amin’ny asan’Izy Tompo amin’ny fo tsy voazarazara, araka ny filazan’i Md Paoly (1Kôr 7,32), ary tohanantsika am-bavaka mba ho izany tokoa.
Isika tsirairay avy àry dia antsoina hanisy hasina ny fianakaviantsika, na ny ankohonana izany na ny ankohonam-piainana ka hametrahantsika rehetra an’i Kristy eo anivontsika, ka ny hafalian’ny Noely no entintsika misantatra sy mamakivaky ny taona vaovao andrasantsika.