Ny Famangian’i Maria – 31 mey
- Sofonia 3, 14-16
- na Romana 12, 9-16
- Izaia 12
- Md Lioka 1, 39-56
Ankalazaina ny 31 mey ho famaranana ny volana natokana hanajana an’i Masina Maria. Fetin’ny Magnificat, ny Tononkiran’i Maria raha lazaina ity fety anio ity satria mizara amintsika ny hafaliana entin’ilay Mpamonjy naka nofo tao an-kibon’i Maria Virjiny. Ambaran’ny Evanjely anio ny fiarahaban’i Elizabeta izay fiekem-pinoana voalohany amin’ny fanambarana ny maha-andriamanitra an’i Jesoa: “ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho”.
Ny vakiteny voalohany dia valin-kafatra ho an’ilay Zanakavavin’i Siona, manoloana ny fahalovana sy ny habibiana nanjaka teo amin’Israely: tsy nandray anatra, tsy niankina tamin’YHWH, tsy nanatona an’Andriamanitra, ny mpaminany mamitaka, ny mpisorona mandika lalàna (Sof 3, 1-4). Ny fahatezeran’i Sofonia dia nitondra azy aloha handrahona sy hia tsy loza (Sof 1, 1-2.15-16), fa tampotampoka eo, mitohy amin’ny vakiteny henontsika androany. Ny antony dia “nesorin’Izy tompo ny fitsarana nanameloka”, ary “hangìna Andriamanitra noho ny fitiavany, haneho ny hafaliany lehibe noho ilay Zanakavavin’i Siona” (Vak I). Ny fahatezeran’Andriamanitra manko tsy manohitra ny mpanota fa ny fahotana, ka mitady ny fomba hamonjena ny mpanota.
Io faminanian’i Sofonia io no ampiasain’i Lioka, hoentina hilazana izay tanteraka ao amin’i Maria, ilay Zanakavavin’i Siona rehefa nahazo ny fiarahaban’ny Anjely: “Mifalia ianao, aza matahotra”. Ny fahatongavan’i Jesoa ho nofo tao an-kibon’i Maria no nanatanterahan’Andriamanitra ny faminaniany nambaran’i Sofonia Mpaminany.
“Sambatra izay mino fa ho tanteraka izay nolazain’ny Tompo”, hoy i Elizabeta. Fahasambaran’i Maria io, fa fahasambaran’ny tsirairay amintsika ihany koa. Ny fahoriana sy izay mety ho tsy fahazoana ny tsiambaratelon’ilay Zanany dia neken’i Maria am-pitiavana sy am-pinoana mandrapahatongan’ilay maraina vaovao, nanome heviny ny zavatra rehetra: ny Paka.
Ny fahasambaran’i Maria no tian’ny Eglizy hiainan’ny zanany rehetra, ka isan-kariva dia satriny ny hianatra amin’i Maria, mba hidera ny Tompo, hibanjina ny halehibeazan’ny fitiavany tanteraka amin’ireo asany mahagaga. Tsy miankina amin’ny fahamendrehany sanatria ny famonjena fa fanomezana maimaim-poana avy amin’ilay Mahefa ny zavatra rehetra.
Ambaran’i Maria ireo asa mahagaga ataon’Andriamanitra entiny hilazana fa ny fahefana sy ny herin’Andriamanitra dia tsy entiny hanjakazakana na hanambaniana na hamaizana, fa hoentiny kosa mitaona ny zanany rehetra ho amin’ny fahamarinana sy ny famonjena.
Izany no tantarain’i Maria amin’ny famangiany an’i Elizabeta, ankalazaintsika anio, telo volana mialoha ny ankalazana ny nahaterahan’i Joany Batista. Hitombo ao amintsika anie ny fanajana an’i Masina Maria, amin’ny fianarana aminy ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra amin’ny mafy sy izay mety hanahirana satria tsy mifanaraka amin’izay mety ho vinavina’olombelona.
Narindran’i Md Lioka ho tononkira ny fiainan’i Masina Maria, ary hiraintsika isan’andro izany: notsilovin’Anidriamanitra ny fahambaniantsika, nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy, ary nahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Inona tokoa ary ny zavatra notanterahin’Andriamanitra ao amintsika? Inona ny fahasoavana atobany amintsika? Izay mahatsapa izany ihany no afaka hankalaza Azy. Raha tsy izany dia ho zary fanompoan-tsampy ny vavaka ataontsika, tsy fiderana fa fidradradradrana, hitalahoana valisoa sy fanambinana. Na mbola tsy mangataka aza anefa isika dia efa fantany izay mahasoa. Ray Andriamanitra ka mitsinjo ny zanany rehetra.
Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra i Masina Maria fa asehon’ny Fiangonana kosa ho modely, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny tety amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy satria “zanaka mendrika andova ny fanjakana izy”, nino sy natoky mandrakariva ny fitiavan’ny Ray. Voaantso hanahaka azy avokoa isika rehetra.
Izany finoana izany no hahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny Tonon-kiran’i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamarana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siona ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira.
Asa fito araka ny fitanisan’i Maria: (1-) ny voalohany dia ny sandriny mahery natsotrany mba hanavotra izay very (Det 5, 15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy sy ny fijaliana vokatr’izany ary tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana tambin’ny ota no ho tompon’ny teny farany fa ny fitiavana mamelon’aina; (2-) mampiahaka ny mpiavonavona Izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo fa kosa hampibebaka ny fony ho amin’ny fitiavany; (3-) nahongany ny mpifehy ary (4-) nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, izany hoe tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy, ka hifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; (5-) ny noana hovokisany (6-) fa ny mpanan-karena kosa ampodiany mitondra tanam-polo: tsy misy hitondra na inona na inona hiala amin’ity tany ity afa-tsy ny harena nohariantsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miharitra ny tsy rariny noho ny hafa; (7-) miahy Andriamanitra ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizay no hisaorantsika Azy.
Hahay hanaraka ny torohevitry ny Fanahy anie isika ka hahay hankalaza an’Andriamanitra miaraka aminy mandrakariva.